SAFIF / Fanandrata-tena ?

NATAO HANANDRA-TENA VE NY MPIANDRY ?

Tsorina fa fanontaniana hafahafa ihany izany, ary tena lohahevitra tsara fandinika sy ilaina valiny ihany koa. Ary iankinan-javatra maro amin’ny fiainan’ny Mpiandry, ny fiainan’ny Sampana Fifohazana ary indrindra ho amin’ny fiainan’ny Fiangonana ihany koa izay mety ho valin’izany.

Roa ihany no mety mahazo ny Mpiandry: samy manana ny akony amin’ny hoavy avy izy roa ireo , fa ny antony no samihafa: Na IZY MANANDRA-TENA, na IZY MANETRY TENA.

IREO ANTONY METY HAMPANANDRA-TENA NY MPIANDRY:

  1. Ny mahakasika ny hosotra izay noraisiny (ny fanokanana azy): Tena misy Mpiandry tsy mahatakatra ny maha-izy azy, ny amin’ny atao hoe:FANOKANANA, Izay sady fanamasinana, no fanomezam-pahefana ary fanolorana andraikitra ihany koa. Mibahana loatra ao an-dohany ny hosotra natao taminy ka hadinony ny andraikiny takiana aminy, mifanandrify amin’izany hosotra izany.
  2. Ny fidodododon’ny olona mankao aminy: Lasa hatonina sy tadiavin’ny olona mandrakariva amin’ny zavatra rehetra izy; na dia tokony ho mpanompon’Andriamanitra hafa aza no mila hatonin’ny olona amin’ny trangan-java-misy iray ka lasa manjary miteraka hevi-diso ao anatiny. (Oh: tokony ho diakona na mpitandrina no tena ilaina dia matetika Mpiandry foana no tadiavin’ny olona…).
  3. Ny fahombiazan’ny asa izay ampanaovin’ny Tompo azy: Misy vokatra azo tsapain-tànana sy hita maso eo amin’ny asa izay ataony; izay tsy noho izy na nohon’ny aminy no anton’izany. (Oh: fahasitranana rehefa avy niasana ilay marary…)
  4. Ny faharetan’ny fotoam-panompoany: Tsy ny maha-zoky amin’ny fanompoana azy fotsiny fa izay rehetra mety hoheveriny fa EXPERIENCE hananany; ny fahelany amin’ny fanompoana nefa tsy nahavitany ny asany akory (oh: efa 20 taona no nahavoatokana azy , nefa na ny Toby misy azy aza tsy vitany akory no mamonjy izany isam-bolana farafahakeliny…)
  5. Manamasina ny toerana nanokanana azy: Izay heverina ho fahamasinana sy maha-izy azy ilay toerana; lasa ho toy ny toeram-panompon-tsampy kely mihitsy aza.
  6. Manamasina ny olona izay nanokana azy ho Mpiandry: Na dia tsy io olona io irery aza no nanokana dia misy koa izay omen-danja na omen-kasina manokana ankoatra ny rehetra.
  7. Ny fiheveran-tenany ho tena zavatra: Ankoatra ny finiavana hiasa irery dia misy latsaka mihitsy ao anatin’ny fireharehana fa tsy vita io asa io raha tsy izy no manao azy.

IREO ANTONY TSY HAHAFAHAN’NY MPIANDRY MANADRA-TENA

  1. Izay manandra-tena no haetry Matio 23: 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
  2. Mpanompo tsy mahasoa izy fa izay tokony hataony ihany no vita (DIEM) Lioka 17: 10 Dia tahaka izany koa hianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
  3. Ilay mpiandry tsara no manome lesona azy Filipiana 2:5-11 5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa,6 Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra,7 fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona;8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana.9 Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,10 mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany,11 sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.
  4. Ny Tompo tsy maintsy mitombo fa izy tsy maintsy mihena: Jaona 3: 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
  5. Tsy izy no nifidy ny Tompo fa ny Tompo no nifidy azy sy nanome andraikitra azy: Jaona 15: 16 Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
  6. Hopotehin’ilay ratsy izy raha sanatria latsaka amin’izany toetra izany: Efesiana 6: 12 Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra.

FEHINY

Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra nahavita be teo amin’ny fanompoany:

17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany 18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo. 2 Korintiana 10:17-18

FILOHAN’NY SAMPANA FIFOHAZANA FJKM

RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV