Fiofanana /Fitoriana ny Filazantsara .

Hetsika fitoriana ny Filazantsara

Mbola ilaina ve izany eto an-drenivohitra?

Tena ilaina mihitsy ny fitoriana ny Filazantsara eto Antananarivo Renivohitra. Fa na dia efa maro aza ny trano fiangonana miorina ary feno hipoka izy ireny isak’Alahady, na dia tsy mitsaha-mitombo aza ny antokom-pivavahana mijoro, na dia ampasaina avokoa aza ny fomba rehetra sy ny fitaovana raitra rehetra hitoriana ny Filazantsara, dia sady mahagaga no mampalahelo fa manodidina ny 10%-n’ny mponina isam-pokontany amin’ny ankapobeny no kristiana voasoratra anarana any amin’ny Fiangonana. Izany no antontanisa nomen’ny Evanjelistra an-tanàndehibe, Atoa ANDRIANANDRIANINA Harisoa, Mpitandrina, raha nampiofana tetsy amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Zoma 23 Martsa 2018 teo.

Nantsoina hiofana tamin’io avokoa mantsy ny kristiana FJKM avy amin’ny SEFALA, SETELA, FITELA, SEMI, SAMM, AFF, ary ny SVM fa hanatanteraka hetsika fitoriana Filazantsara goavana ny Foibe FJKM ny Sabotsy 12 May 2018 etsy amin’ny Kianjabe Mahamasina.

Tanjona amin’izany ny hitaona ny olona handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpanafaka ka handray fanapahan-kevitra hiaina fiainam-baovao lavitry ny karazam-pahotana sy afaka amin’ny fahazaran-dratsy samihafa, fa ho araka ny sitrapon’Andriamanitra kosa.

Nampatsiahivina indray tamin’ireo mpiofana fa ny iraka dia mila fandresen-dahatra miainga ao amin’ny tena mihitsy: resy lahatry ny Tompo sy ny asan’Andriamanitra aloha, dia resy lahatry ny vavaka sy ny asa iombonana, izay vao afaka ny handresy lahatra ny hafa hihaona amin’i Jesoa Kristy. Ary tsy ifidianana fotoana izany fa tena fiainana isan’andro mihitsy ny mitory Filazantsara.

Nitarika izao fiofanana izao ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, sy ny mpanampy azy  Atoa ROBERT SAONINA Marson, Mpitandrina. Hitohy ny Alakamisy 26 Aprily 2018 ny fiofanana ka amin’io no handraisana ny antsipirihan’ny fandaminana rehetra. Aoka samy hahatsiaro am-bavaka izany fotoana izany isika rehetra mba hialoha lalana antsika ny Fanahy Masina ka hambabo fo maro amin’ny alalan’izao hetsika goavana izao ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Niry RAKOTO, Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV