SETELA / Fanokafana 25T

SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA

FANOKAFANA NY FAHA 25 TAONA SY
FAMOAHANA NY ANDIANY  “IRAKA VAVOLOMBELONA

Sehatra iray mijoro eo anivon’ny sahan’ny FJKM ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika (SETELA). Mampiofana ireo Laika ho lasa mpitory ny Filazantsara. Tontosa ny Alahady 04 Febroary 2018  lasa teo ny famoahana ireo andiany misalotra ny anarana “IRAKA VAVOLOMBELONA” .

Tamin’io fotoana io ihany koa no nanokafana ny Jobily faha 25 taona niorenan’ny SETELA. Ny teny faneva noraisina amin’ity taom-pankalazana ity dia araka ny Asa 22 :21,Lio 1:17b  “Mandehana, fa Izaho haniraka anao andeha lavitra…Hanomana firenena voaomana ho an’ny Tompo”, izay nitondran’Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina,  Filohan’ny FJKM hafatra toy izao hoe: “ Maneke ho Misionera”, ary “Taomy ny olona hibebaka”.

Manana tanjona lehibe ny SETELA amin’izao taom-pankalazana izao,  dia ny fananganana fiangonana iray any amin’ny SPIA 19 any amin’ny toerana atao hoe BELOHA; ary fahazoana tany anaovan’ny SETELA asa sosialy .

Mpandray ny fanasan’ny Tompo manana BACC + 3 no afaka miofana ao. Ho anao izay liana amin’izany dia afaka misoratra anarana eny amin’ny Fakiolte teolojia Ambatonakanga rihana faharoa ianao na hiantso ireto laharana telefona ireto maka ny andinindininy (034 01 365 98 / 033 12 026 98) fa amin’ity volana febroary ity no farany fandraisana mpiofana.

Ny Alahady 05 Aogositra 2018 no ivon’ny fankalazana ary ny Sabotsy 15 Desambra 2018 no famaranana azy, izay arahina fanokanana ireo tsangambato raha sitrapon’Andriamanitra ka vita soa amantsara.

Heritiana, Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV