Tatitra / ABIDJAN COTE D’IVOIRE

Voan-dalàna avy any
ABIDJAN COTE D’IVOIRE

Araka ny taratasy Fanasana nalefan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Abidjan na FKMA dia tonga tany ny tenanay ny 14 Novambra 2017 ka hatramin’ny 26 Janoary 2018. Nisy ny fifampizarana traikefa teo aminay sy ny FKMA ary ny EGLISE METHODISTE UNIE DE COTE D’IVOIRE, toy izao izany:

Ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Abidjan (na COMMUNAUTE PROTESTANTE MALGACHE D’ABIDJAN) dia niorina tamin’ny 1981, araka  ny satany dia “Miray amin’ny FJKM” izy ary noporofoiny izany fa raha nankalaza ny Tompo noho ny faha 20 taonany izy ireo tamin’ny 2001, dia nanasa an-dRtoa RAFALIMANANA Lilia, Mpitandrina, Filoha Mpanampy FJKM izay nijanona tany ny 2-17 Aprily 2001 ary mbola mandray anjara amin’ny fanohanana ny FJKM ny FKMA hatramin’izao toy ny fanampiana ny mpianatra teny amin’ny Kolejy Ivato sy ny Fandraisany anjara tamin’ny fanamboarana ny Seminera ao Amparibe. Andriamatoa ANDRIATSIMIALOMANANARIVO Solomon no Mpitandrina ao.

Nandray anjara tamin’ny asa pastoraly tao ny tenanay toy ny toriteny sy ny fanofanana ny diakona ary ny fanofanana ny Sampana dia ny Mpampianatra Sekoly Alahady sy ny Fikambanam-behivavy.

 

Ny FKMA kosa raha any Abidjan dia miaraka amin’ny “Eglise Méthodise Unie de Côte d’Ivoire” (EMUCI) amin’ny lafiny ara-panjakana; izay misy ny “Anglophone” sy ny “Francophone” ary isika no “COMMUNAUTE MALGACHE”.

Ny EMUCI dia niorina tamin’ny 1914 tamin’ny alalan’ny SOCIETE DES MISSIONS DE METHODISTES DE LONDRES ary nitondra ny anarana EMUCI nanomboka ny 7 Mey 2005.

Nahafinaritra tokoa ny fandraisan’izy ireo ivoariana, nanomboka teo amin’ny Bishop Banjamin BONI no Président de la conference (toy ny Filohan’ny FJKM aty amintsika) sy ny Très Révérend Pasteur Michel LOBO izay SURINTENDANT DU DISTRICT ABIDJAN (toy ny PRESIDENT SYNODAL) ary Pasteur Didier Becken KOKOBE mitondra ny EMU LES BEATITUDES ABIDJAN- PLATEAU.

Fotoana nifanakalozana eo amin’ny Fitoriana ny Filazantsara sy ny anjara toeran’ny Laika amin’izany (satria ny zareo koa dia manofana Mpitoriteny izay antsoiny hoe “PREDICATEUR LAIC”) no tena nivoitra tamin’izany.

Tena mivavaka ny Ivoariana satria raha nanao ny herinandro sambatra isika talohan’ny krismasy, ny an-dry zareo kosa dia 21 andro nanaovana vavaka sy fifadian-kanina. Maro ny hira ao amin’ny Fihirana FFPM no hita ao amin’ny Fihirana Méthodiste ka anentananay ny Fiangonana mba hianatra ny hira ara-tsolfa fa mampiombona sy mampiray ny hira.

Tsara ny manamarika fa ny FJKM sy ny Méthodiste dia samy mpikambana ao amin’ny CEVAA avokoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen

Rakotoniaina, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV