Tetikasa / « JACOB’S PROJECT »

Notanterahana tao amin’ny efitrano malalaky ny FOIBE FJKM , varavarana faha-201 ny fivoriana  mahakasika «  ny Tetikasa fampidirana  ny olona manana fahasembanana ao amin’ny fiangonana  sy fampandraisana  anjara azy ireo ».

« JACOB’S PROJECT »no  anarana ilazana izany tetikasa vaovao izany hatreto , Izay natao ny Sabotsy  03 Febroary 2018 lasa teo .

Ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina Ivato sy ny Faculté de Théologie Ambatonakanga miaraka amin’ireo Tonian’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa FOIBE FJKM no  tonga nanao ny fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo tomponandraikitra voalohany ny  Tetikasa .

Ny teny ao Mofonaina : 1 Pet 3.10  no novelabelarin’ny Mpitandrina Rajaomanjato Doda ka nanazavany fa mila hazonina ny fiainana mandrakizay efa noraisintsika .Rehefa izay dia nifandimby nanolotra ny vokam-pikarohana nataon’ny tarika isanisany avy ny ao amin’ny TPM Ivato sy ny Faculté de Théologie mahakasika indrindra ny hevitry ny Soratra masina momba ny fahasembanana sy izay tokony ho  fampiharana izany  amin’ny andro ankehitriny eo anivon’ny fiangonana . Azo lazaina ho nafana ny adihevitra satria tsy  misy fisalasalana teo amin’ireo mpandray anjara , mandrava ny hevitra izay hita fa tsy  mifandraika amin’ny Teny avy  ao amin’ny Soratra masina .

Ramatoa Rakoto Joseph Clarisse , mpandrindra ny tetikasa no namintina ny tanjona  sy ny paikady hiatrehana izany , ireo dingana efa natomboka sy ny fanohizana izany .

JAKOBA : rehefa tsy maintsy hihaona amin’i Esao rahalahiny izay nofitahiny  dia natahotra mafy tokoa izy ka nandefa mialoha ireo vady aman-janany , ary dia nitoetra irery teo akaikin’ny renirano iray (Gen 32) , toerana nitolomany tamin’ Andriamanitra ka nampitolitsika ny foto-peny teo amin’ny ozatry ny atodiakanga  .Hatreo dia lasa sembana i Jakoba , kanefa tamin’izany koa no nanomezan’ Andriamanitra azy ny anarana hoe : ISRAELY , Ilay firenena voafidin’ Andriamanitra .

Tsy asa fiantrana ireo manam-pahasembanana  no andrasana amin’ny fiangonana ,fa fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana. Mbola hitohy sy hihalalina moa izao fikahonandoha izao mba ho lasa asa mivaingana haparitaka manerana ny fiangonana FJKM .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Sahondramalala Vololona

AFIFAB/Site Web

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV