SAFIF / Fitokanana rihana

SAMPANA FIFOHAZANA FOIBE FJKM

Notokanana ny Rihan’ny Trano

Tsangambaton’ny faha-35 taona

Notontosaina ny Alakamisy 30 Novambra lasa teo ny Rihan’ny Trano Tsangambaton’ny faha-35 taonan’ny Sampana Fifohazana Foibe FJKM eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato. Ny rihana ambony misy efitra 10 ary ny ambany misy efitra 12. Ankoatra ny trano, dia namboarina ihany koa ny lakozia, ny trano fidiovana sy fivoahana. Vola mitentina 153 273 932 Ariary no lany tamin’ny fanamboarana azy. Teo amin’ny herintaona no namitana ny asa. Natolotry ny Filohan’ny komitin’ny Taotrano izay Tonian’ny SAFIF FOIBE, ny Mpitandrina ROBSON RADO Lalaina Johary, ny filohan’ny SAFIF, RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina ny fanalahidy izay nanolotra izany avy eo an’ny Filohan’ny FJKM, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina. Ny Filohan’ny FJKM kosa avy eo, no nanolotra ny fanalahidin’ny trano ho an’ny Talen’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Ivato, RAZAFIARISOA Juliette, Mpitandrina.

Antoky ny hoavin’ny Fiangonana ny Toeram-Panomanana Mpitandrina (TPM). Iaraha-mahalala anefa ny tsy fahampiana samihafa eny amin’ireny toerana ireny. Zava-dehibe ho azy araka izany ny fahazoana trano toy izao, ary nanoritra izay ny Talen’ny TPM eny Ivato. « Manomboka izao dia hilamina amin’ny efitrano ireo mpianatra », hoy izy. Mbola nisy mpianatra miray trano mantsy teo aloha noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa. Miisa 53 ankehitriny ny isan’ny mpianatra ho mpitandrina eny amin’ny Kolejy Teolojia Ivato, ary 29 ny vadin’ny mpianatra; 21 kosa ny mpiasa rehetra manao ny asa fampianarana sy fandraharahana.

R.Ph

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV