Ny Masera FJKM.

Fanomanana Masera FJKM sy ny tsara ho fantatra 
  

    Isan’izay nahazoana akony tamin’ny mpamaky ny   fanehoana ny lohahevitra farany hoe: “ny Katekista Delegé”. Toa te hiteny ny mpamaky hoe: tsy izany no misy aty aminay, tsy mahalala ny zava-misy sy efa mahazo faka momba ny Katekista Delegé ny mpanoratra. Ny tsy aritra eo anatrehan’izany dia zava-droa loha: andaniny misaotra anareo mpamaky fa ataonareo ho zava-dehibe ny Gazetintsika sy ny asa soratra ao anatiny, ary ankilany: tsy izay zava-misy any amin’ny isan-tonony any ange no ampitaina fa izay voalazan’ny Fotodalàna amam-pitsipika (FDF) no ampitaina ho soratra. Miezaka ny tsy hanazava akory aza eo anoloan’ny andininy raisina sao handika lalàna satria ny Mpiandraikitra Foibe irery ihany no afaka mamoaka ny hevitry ny FDF araka ny voasoratra ao amin’ny :

Foto-dalàna And. 24. 12: “Ireto avy no andraikitry ny Mpiandraikitra Foibe: – Miandraikitra ny fampiharana ny « Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM ». Manome ny hevitry ny « Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM » eo anelanelan’ny fivorian’ny Synoda Lehibe, raha ilaina izany ary manome ny Fepetra Fampiharana mbamin’ny Torolalana,”

Fa izay atolotra eto amin’ity andian-dahatsoratra vaovao ity dia ny antsoina hoe: Masera FJKM. Masera, toy ireny fantatra amin’ny endrika ivelany ireny: vehivavy, misaron-doha, fantatry ny maro amin’ny hoe: sokajin’olona nanokan-tena ho amin’ny fitovoana mandrapahafatiny.

Koa ho an’ny FJKM, iza moa ny Masera?

Araka ny Fitsipika (FDF) eo amin’ny toko fahaefatra, ny FJKM dia manomana sy manofana ny Fiangonana ho mpanompo ao anatin’ny Fiangonana. Araka io toko io dia ireto ireo sokajin’olona izay omanina sy ofanin’ny Fiangonana: ny Mpitandrina, ny Mpampianatra, ny Diakona, ny Mpitoriteny sy ny mpiandry ary ny Katekista, ny Masera ary ireo tomponandraikitra hafa. Voarakitra eo amin’ity toko ity ny fanomanana ny ho Masera.

  1. Ny fanomanana ny Masera:

Ho famaritana ny antsoina hoe Masera ato amin’ny FJKM dia ny FDF and. 150 no mamaly izany: “Vehivavy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izay nandray fiantsoana mba hiombom-piainana ka hifantoka amin’ny fiainam-bavaka eo anivon’ny Toeram-Panomanana ho Masera FJKM. Manao ireto voady telo (3) ireto eo amin’ny fanokanana azy: – Voadin’ny fankatoavana, – Voadin’ny fahatsorana, – Voadin’ny fitovoana.”

Ny amin’izany fanomanana izany dia izay voalazan’ny FDF And. 151 sy 152 hoe: “Ny fanomanana ny ho Masera dia ahitana dingana samihafa izay voafaritry ny “Fitsipika Fototra” mifehy azy izay ankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe. Ny Masera tsy manaraka ny fitsipi-piainan’ny Masera FJKM dia anarina aloha ary raha mbola mikiry dia aato. Ny Komitin’ny Masera FJKM, izay tendren’ny Mpiandraikitra Foibe, no solontenan’ny Fiangonana ao amin’ny Toeram-Panomanana ho Masera.

2-Ny Fandaminana sy fitantanana ny Masera

Toy ny Mpitandrina, aorian’ny fanofanana sy ny fanomanana raisin’ny Masera dia avoaka araka ny fomban’ny fiangonana izy mba hanao ny asa fanompoany. Ka izao no anambaran’ny FDF And.323 izany : « Ny Masera nahavita ny fiomanany tato amin’ny FJKM dia anaovan’ny Mpiandraikitra Foibe fanompoam-pivavahana manokana ho fanokanana sy famoahana azy.”

Aorian’io famoahana io dia tendrena amin’ny toerana hiasany izy, araka ny FDF and. 324 hoe : “Ny Fiarahamiaina no manao ny fanendrena ny Masera amin’ny toerana hiasany araka ny Fitsipika mifehy azy izay nankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe.”

Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV