Zoma 13 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina1 Korintiana 14.12-19eglise

Na dia  nomen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana  samihafa  aza ny kristiana  eo  amin’ny fiangonana  dia nataony  ho iray  fanompoana , kanefa  « raha fatra-paniry ny zava-panahy  dia izay hampandroso  ny fiangonana  no tadiavo  indrindra  » (and 12). Ny fivavahana kristiana  araka izany  dia natao ho fampandrosoana .

1-Mivavaka   hiombonan’ny olona rehetra isika

Ny fivavahana  amin’ny fitenim-pirenena hafa  dia tokony  hisy mpandika teny raha  hatao ho  an’ny olona rehetra izany . Ny fifandraisantsika miorina  avy amin’ny teniny  ao anatin’ny Soratra masina . Aoka  tsy hisy teny  ivelan’ny Baiboly  hanaovana toriteny  na fampianarana  ao  am-piangonana araka izany,  satria tsy mahasoa  ny olona akory  . Paoly  Apostoly eto nanapa-kevitra fa »sady  hivavaka  am-panahy  no hivavaka  an-tsaina koa aho » (and15).

2-Mitady  ny teny   ho an’ny saina sy fanahy isika 

Ny Soratra masina  irery ihany  no misy  ny teny  ho an’ny saina  sy fanahy . Nambaran’i Paoly tamin’i Timoty  zanany  hoe :« …soratra  nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra , mahasoa …mba  ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra , ho vonona tsara  ho amin’ny asa tsara  rehetra » (2 Tim 3.16-17). Koa  raha mivavaka  dia teny  hahazoan’ny  mihaino   manao  « Amena » , hoy izy  eto , no tadiavina . Aoka  omena fahalalana ara-tsoratra masina ny olona  tarihintsika hivavaka , mba handray  an’i  Jesoa  , teny  tonga nofo  ao am-pony . Olona resy  lahatra  ka  mandray  Azy ho Tompo  sy Mpamonjy  no  afaka  miara-mivavaka.

Fanontaniana :

Inona no efa nataonao  hampandroso ny hafa amin’ny finoana?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Vaovao vitsivitsy .

VAOVAO SY FANASANA

1-Fanokafana ny JOBILY FISOTROANDRONONO  an’ Andriamatoa

 RAKOTO Armand Andrianambinintsoamanitriniaina

ao  amin’ny FJKM  Tranovato  Faravohitra

 Sabotsy 21 Oktobra 2017 ,

manomboka  amin’ny 9ora maraina .

2-Famoahana  sy fanirahana ireo  vita fiofanana tao amin’ny SEKOLY MISIONERA ,

ny Sabotsy  21 Oktobra 2017 ,

ao amin’ny FJKM Andrainarivo  Fahasoavana ,

manomboka  amin’ny 3 ora  tolakandro .

3-Fanompoampivavahana  ho  fisaorana an’ Andriamanitra sy Fankasitrahana  ny mpanompony  naha-Filoha  azy teo aloha :

ny  Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja ,

ny Alahady  22 Oktobra 2017 ,

 ao amin’ny FJKM Ankadifotsy  ,

manomboka amin’ny 3 ora tolakandro

Ireo fotoana ireo  dia hanasana antsika kristiana eo anivon’ny FJKM sy ny Fiangonana rahavavy  mpiara-miasa   ho tonga maro , hifampilaza  , hifanentana  ka hanamarika ny  fankasitrahana ny mpanompony amin’ny endrika hita maso  .

Ento am-bavaka àry ny fotoana ho Voninahitr’ Andriamanitra .

Alakamisy 12 Oktobra 2017 .

 Mahery vavaka ny vavolombelona marina 2 Mpanjaka  6.8-232 Mpanj6.8-23

Akaiky an’ Andriamanitra  tokoa i Elisa  , Mpaminany  . Nomen’ Andriamanitra  saina  sy fahaiza-mamantatra mialoha izy , mba hampiomana  azy  indrindra momba ny  anjara   fanompoany  teo  amin’ny fireneny : »fa Elisa Mpaminany  ao  amin’ Israely ihany  no milaza  amin’ny Mpanjakan’ Israely  na dia  izay teny  lazainao  ao  amin’ny  trano  fandrianao  aza » (and12). Nomen’ny  Tompo  Fanahy  mahery  ny mpanompony  .

1-Afaka  mamantatra  ny fahavalo

Rehefa   tsara   fifandraisana amin’ Andriamanitra  Tompo  isika  mpanompony  dia omeny   ny fanahiny  hitarika  antsika  hanaovana  ny sitrapony . Izy  no mpiaro  ny Israely ka naniraka  ny mpaminany   mpanompony   hisolo tena azy tao  aminy , mahafantatra  mialoha  ny fahavalo  sy ny teti-dratsiny  izy  araka izany  ary mametraka izany fahafantarana izany  ao  amin’ny mpanompony  mba hahatanteraka ny famonjena  ny olona . Aoka  ho vita fihavanana  amin’i Jesoa Kristy  isika ka hahazo  ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay  nomeny  mba hanaovantsika ny sitrapony  handraisan’ny olona  ny famonjena  nataony  teo  amin’ny hazo fijaliana.

2-Afaka mitondra teny amin’ny mpitondra 

Na dia zon’ny mpanjaka  natao  noho  ny fahefany aza ny mamono  ny fahavalo  nentina teo  aminy  dia tsy  maintsy  nanaraka ny tenin’ny mpanompon’ Andriamanitra izy satria mpitondra natahotra  an’ Andriamanitra . Aoka  ny manam-pahefana  mba hatahotra  an’ Andriamanitra ka hihaino  ny mpaminany  mpanompony   satria ireo  no mitondra  ny hafatr’ Andriamanitra ho famonjena ny olona.

Fanontaniana:Mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy masina  ve ianao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM    

Alarobia 11 Oktobra 2917 .

                                     Mahery  vavaka ny vavolombelona marina  Lioka  3.21-22lioka 3.21-22

  Ny  fiainam-bavaka nananan’i  Jesoa no tian’ny Filazantsara  hasongadina  noho  ny fisian’ny fahitana  miaraka aminy  tahaka izay  hita eto. I Jesoa Kristy    na dia Zanak’ Andriamanitra  aza dia tena  nivavaka  sady  mampianatra  antsika hivavaka  (Lio 11). Raisintsika amin’izany  ny fiainam-bavaka mitohy  .

1-Ho fanombohana  ny asa hatao 

Tsy  natao  batisan’ny   fibebahana velively  akory  i Jesoa  eto fa batisa  fandraisana  asa fanompoana  izay nialohavan’i Jaona mpanao Batisa Azy izao . Tsy  mba teraka  tamin’ny ota  Izy  sady tsy nanota   akory . Izany  no hevitry ny lanitra   nisokatra  taminy eto , ary nohamarinin’ny feo  hoe:« Hianao no Zanako malalako  , hianao no sitrako« . Ho  fanombohany  ny asa   izay nanirahan’ny  Ray  Azy   no nisehoan’izany eto . Ny vavaka hatao ho fanombohana  ny asa  dia hanehoan’ny  Tompo  fankasitrahana , ho  fampaherezana ny iraka rehetra . Fanoloran-tànana  hotantanan’ny Tompo ny mivavaka  mialoha ny asa .

2-Ho  fijoroana vavolombelon’ny  Tompo 

Tanteraka ny famonjena  izao  tontolo  izao  tamin’ny nahafatesan’i Jesoa  teo  amin’ny hazo  fijaliana. Nitsangana  tamin’ny maty  Izy  , ho vavolombelona  fa Andriamanitra  velona Izy no  tonga  olona teto  an-tany  , mba hanafaka ny  olona amin’ny fahotany . Mitaona antsika hibebaka Izy  mba hamelany  ny helotsika . Ny fiainam-bavaka  no tànana  handraisantsika ny tànan’ny  Tompo  hamonjy antsika amin’izao  fiainana ratsy izao . Isanandro dia taominy  hijoro  ho  vavolombelona amin’izany isika , fa hoy Izy : « Fa miambena  ka mivavaha  mandrakariva  mba hahery « 

Fanontaniana:Manao ahoana ny fiainam-bavakao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM  

HORLOGE

<SCRIPT type= »text/javascript » SRC= »https://www.toutimages.com/calendriers/calendrier_005.js »></SCRIPT>

Radio Fahazavana 20 T /Fanentanana

 Fankalazana ny faha 20 taonan’ny  Radio FahazavanafanentananaTeny faneva :Mitsangana mihazavà, fa tonga nyfahazavanao” Isa .60: 1aIsika rehetraAntso antsika rehetraHanohana tsy misy fetraFahitalavitra no tsangambatoIsika ho fahazavana tsy miatoAndeha hijoro hanehoKa ny finoana dia hasehoAry hanolotra handray anjaraVola na fitaovana samy tsaraVonona tokoa ny FiangonanaHanangana fananana iombonanaFitaovana ho ampiasainaHo Fitoriana tena ilaina

Ny Komity 

tantara kely

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, 

Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao.”

(Ohabolana 3, 5)

Hain’ity tovolahy miaramila tsara ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) Rehefa nieritreritra ity teny ity izydia hoy ny fisainany: tsy ilaina intsony izany ny mianatra sy mandranto fahalalana satria ampy hahavitana ny zavatra rehetra ny fahatokiana an’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.”(Ohabolana 3, 5).Nanomboka teo dia tsy nety nanatrika fampianarana intsony izy. Gaga ny lehibeny ka nanontany azy hoe:Nahoana ianao no tsy mety mianatra, ry sakaiza? Tsy nisalasala akory izy nanambara hoe: satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’nyfahalalanao.” (Ohabolana 3, 5)

Tsy namaly azy ilay lehibeny. Indray andro, nentiny niaraka taminy ity miaramila mpankamamy ny Soratra Masina ity. Nony tonga teo ambony tetezana izy mirahalahy dia nivoaka ny fiara. Nanontany azy ilay lehibeny hoe: moa matoky an’i Jevovah marina ve ianao? Eny hoy izy, satria efa nampianarina hatoky Azyny foko araka ilay teniny hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) Vao tapitra ny teniny dia natosik’ilay lehibeny tao anaty rano izy. Loza anefa, tsy mahay milomano akory ity miaramila ity. Novonjen’ilay lehibeny izy no sady nitenenany hoe: mianara milomano dia mazotoa mitady fahalalana.

Nanomboka teo dia niova indray ny sain’ity miaramila, fa ny fahalalana ihany no azo itokiana. Indray andro,tonga tao amin’ny toerana fitsaboana adala izy sy ilay lehibeny. Nanontany azy indray ny lehibeny hoe: araka ny fahalalanao sy ny fianarana norantovinao, moa tsy afaka hamono antsika ireo adala ireo raha hanatitra sakafo ho azy isika? Aoka sefo, raha ny fianarana nataoko dia tsy misy fanafana intsony ireo ary masiaka no sady mamono? Ka inona ary no hatao satria ho faty mosary ange izy ireo raha tsy homentsika sakafo, hoy ilay lehibeny taminy. Tsy tsaroana angaha ilay voasoratra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) .Tsaroako iny, saingy tsy marina satria tsy azo itokiana Izy noho ny tsy fahaizako milomano. Notaomin’ity sefony hivavaka hangataka fitahiana amin’Andriamanitra izy dia niroso nanatona ireo adala ka nikarakara azy ireo. Gaga izy satria izay vao fantany fa Kristiana ity lehibeny. Ilaina ny mandranto fahalalana, hoy ity lehibeny, fa lehibe lavitra noho izany ny fahatokiana an’Andriamanitra satria mahay ny tsy hain’ny olombelona Izy, ka na ny olon-doza azy mifitsaka eo anatrehany. Tsy azon’ny fahalalana hazavaina io. Izany no maha marina ny voasoratra hoe:“Matokia an’ i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5) .Koa raha izany no izy, hoy ity miaramila, dia tsara indrindra raha ho manam-pahalalana ny olona no matahotra an’Andriamanitra. Amin’izay dia tsy ho azon’iza hotsatsoina intsony ny voasoratra hoe:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Ohabolana 3, 5)

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra

Ra Jules

Perikopa Oktobra 2017 .

FAMAHAVAHANA

Ny Filazantsara voalahatra amin’ny Alahady faharoa sy fahatelo amin’ity volana oktobra ity no raisintsika ho enti-mifanampy amin’ny famakiana ny Soratra Masina.

Hoy ny lohahevitra amin’izao volana izao : « Mahery vavaka ny vavolombelona marina ». Manana anjara toerana lehibe amin’izao volana izao ny vavaka, na ny fangatahana ataon’ny olona amin’Andriamanitra. Maneho ny fifandraisan’ny roa tonta izany : ny iray, manana ny ampy, afaka manome (Andriamanitra io) ary ny iray, mahatsiaro fahabangana, ka mino fa handray avy amin’Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Koa mba hahazoana hangataka dia tsy maintsy mahafantatra izy fa manana izay ilaina rehetra Ilay angatahana. Ny Soratra Masina no maneho ny haren’Andriamanitra tsy hita lany ao Aminy ka azony zaraina. Noho izany, ny vavaka dia tsy azo sarahina amin’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany ao amin’ny Soratra Masina. Izany no hevitry ny famaritana hoe : « ny vavaka dia setrin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra. »

Fa inona no azo ambara amin’ireto perikopa voalahatra ireto ?

Matio 7, 7- 11 : Ampahany amin’ilay toritenin’i Jesoa tao an-tendrombohitra ity (Toko 5- toko 7).Raha fintinina io fampianarana io dia mitaona sy mampanantena FAHASAMBARANA ho an’ny olona ny Tompo Jesoa. Mba hahalavorary izany, dia tsy maintsy mipetraka amin’ny toerany ny Fiangonana (Hianareo…5, 13- 16), mihaino ny feony (efa renareo…5, 21-27 …), dia ilay tena feon’Andriamanitra marina ( efa renareo …fa izaho, fa izao kosa milaza aminareo…5, 27, 32,….). Amin’ity perikopa ity, ny fahasambarana dia vokatry ny fanekena fepetra hanana fahasahiana hangataka izay zava-mahasoa (and.9-11) Koa ny hoe: mahery vavaka dia tsy hafa fa ny herin’ny fahaiza-mangataka izay hahasoa ny tena. Ny olombelona izay ratsy aza, mahay manome zava-tsoa,  mainka fa Andriamanitra izay tsara, tsy hanome ny tsara ho an’izay mangataka ny tsara ?

Lioka 18, 1- 8 : Ity fanoharana ny amin’ilay mpitondratena nahery nangataka ity dia fitantaran’ny Filazantsara araka an’i Lioka ireny. Ny Filazantsara araka an’i Lioka dia mivoy ny fampifandraisana nyfampianaram-pinoana amin’ny fihetsika sy ny asa soa eo amin’ny fiarahamonina. Fampianaram-pinoana roa no taratra eto: andaniny «ny fiainam-bavaka» izay oharina amin’ny fangatahana ataon’ity mpitondratena ity ary ankilany ny ho fiatrehana ny fihavian’ny Tompo na ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra, izay petra-kevitra farany ambaran’ny fitantarana eo amin’ny andininy fahavalo.Mitaky faharetana ny mivavaka ka ampiasan’ny mpanoratra ny teny hoe : tsy reraka (and. 1) , matetika (and.3) mandrakariva (and. 5). Tsy tokony hohadinoina anefa fa ny faharetana no miorina dia satria manantena valiny ilay manana faharetana.

Noho izany, ny olona mahery amin’ny vavaka dia satria misy finoana ao anatiny. Ny finoana no tonga lohalaharana eto fa tsy ny anjara toeran’ny vavaka. Amin’ny maha fanoharana ity voalaza ity dia tsy ny sary an’ohatra no zava-dehibe fa ilay tiana ho azo tamin’ny alalan’ny sary. Oharina amin’ny Mpitsara tsy marina Andriamanitra marina. Ilay mpitsara na dia tsy matahotra an’Andriamanitra dia mihaino ny manana faharetana mangataka aminy.

Koa azo antoka fa mihoatra lavitra noho izany ny fihainoan’Andriamanitra marina izay manana finoana hangataka aminy.Fa izay zava-dehibe mivoitra eto dia ny fanehoana fa ny finoana dia tsy maintsy hazonina hahatratra ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Mpitendry zavamaneno / Fihaonambe 2017 .

Fihaonamben’ny Mpitendry sy 
Mpikirakira zava-maneno.

fihaonamben'ny mpitendryTanteraka soa aman-tsara ny fihaonamben’ny Mpitendry sy mpikirakira zava-maneno tamin’ny 13 ka hatramin’ny faha 15 Septambra 2017 lasa teo. Mpikirakira sy mpitendry zava-maneno an’arivony, avy tamin’ireo Synodamparitany rehetra teto amin’ny sahan’ny FJKM no nanatrika izany, tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

Ny Talata 12 septambra 2017 no nanomboka ny fiomankomanana rehetra, ka ny tolakandron’io andro io dia nomena fanomanana manokana ireo solontenan’ny Synodamparitany izay notsongaina ho mpanofana. Efa mpitendry mahay, manaraka Solfa sy Solfezy avokoa izy ireo. Nosokafana tamin’ny fanompoam-pivavahana ity fihaonambe faharoa ity izay ny Birao foibe no nitarika izany ka ny Filohan’ny FJKM no nanokatra izany no sady nandray ny fampianarana voalohany momba ity lohahevitra ity :  » Ny fanahy maha Mpitendry. »Nentiny namaly izany lohahevitra izany ny famahavahana ireto fanontaniana roa ireto : Andaniny, Inona avy no fihetsika tokony hiraisan’ny Mpitendry rehefa manaraka Litorjia ? Ary ankilany, Inona no fitaovana tsy maintsy ananan’ny Mpitendry hahazoany manatanteraka ny fanompoany ? Nandritry ny telo andro no nanarahan’ireo mpizaika ny fampianarana narahina fampiharana. Ireto avy ireo lohahevitra sy ny nanatanteraka izany:- Fitendrena ny hira ao anaty tiona mba ho marina, nentin’Atoa  RAKOTOMANANA Luc Emmanuel- Ny solfa, fototra hahazoana mitendry hiram-piangonana araka ny tiona, notanterahin’Atoa RAKOTOARIVONY Soloarivelo Toavindaza, Mpitandrina- Fitendrena ireo hira anaty tiona mba ho marina sy mitovy, notanterahin’Atoa RANDRIANASOLO Raveloson- Ny fanamafisam-peo mandritry ny fanompoam-pivavahana, notanterahin’Atoa RAMAROSON Seta

Tsaroana ho nahazo ny anjarany avy tamin’izao fihaonambe izao na ireo kalazan’ny fitendrena sy fikarakarana zava-maneno na ireo vao miroso mandray andraikitra, eny, na dia tsy mahay mamaky solfa akory aza. Azo ambara fa fahombiazan’ity andiany faharoa ity ny nahazoan’ireo mpitendry nizara ny fiainany sy ny fahaiza-manaony ho an’ny hafa nandritry ny fampianarana tsirairay sy ny fandraisan’anjara tamin’ny rodomben-java- maneno nandritry ny fanompoam-pivavahana rehetra.

Tamin’izao fihaonambe izao no nivoaka ireto fitaovana azon’ny fiangonana ampiasaina ireto : ny boky mirakitra ny Mozika litorjia andiany faharoa sy ilay kapila mangirana mirakitra ny soflezy rehetra ao anaty tiona sy ny mozika miaraka aminy amin’ny alalan’ny feon’orgue notendren’ilay kalaza lahy antsoina hoe : Clyde Mclennan.

Ankasitrahana ity Mpanompon’Andriamanitra ity izay nanome izany fitaovana novokariny izany ho azon’ny Fiangonana.Mirary ny fahombiazan’ny fandrosoan’ny Fiangonana noho ny ho fivoaran’ny hatsaran’ny zavamanenorehetra ampiasan’ny Fiangonana. Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.

Ny Komity

Fiang / Raharaha sarotra !

Ny fandaminana ny raharaha sarotra
ao amin’ny Fiangonana.

Hoy ny Ntaolo hoe: “ny tanàna tsy ilaozan’adala” dia toy izany ihany koa ny Fiangonana tsy ilaozan’izay olona loharanom-pikorontanana. Ny famahana ireny endri-pikorontanana (raharaha sarotra) ireny no horesahina manokana eto.

Tsy izay korontana mitranga akory dia ambara ho raharaha sarotra fa ny Foto-dalana sy fitsipika (FDF) dia mamaritra azy araka ny andininy faha 382 hoe :

« Ny atao hoe raharaha sarotra ao amin’ny Fiangonana dia ny raharaha ateraky ny tsy fanarahana sy tsy fanajana ny Fotodalàna sy ny Fitsipiky ny FJKM sy ireo Fitsipika Anatiny samihafa izay nankatoavin’ny Ambaratongan-drafitra mpiahy, tsy fanajana sy tsy fanarahana izay miseho any anivon’ny Fitandremana, Synodamparitany, Mpiandraikitra Foibe ary ireo Sampana sy Sampanasa ary Asa, ka miteraka disadisa na korontana ato amin’ny Fiangonana. »

Raha atao indray milaza izany dia ireo tsy fanajana ny FDF sy tsy fankatoavana ireo fitsipika nankatoavin’ny ambaratongampitondrana sy ny ambaratongandrafitra, ka miteraka disadisa sy korontana no antsoina hoe : raharaha sarotra. Tsy maintsy ho mahafantatra ny FDF sy ireo fitsipika samihafa manan-kery ao amin’ny fiangonana ny Fiangonana mba hahazoany mamaritra ilay tranga ho raharaha sarotra. Saingy firy amin’ny Fiangonana no manana ny FDF eo an-tànany? Noho izany, ny fototry ny raharaha sarotra dia miandoha eo amin’ny tsy fahalalana ny FDF mihitsy, dia ilay FDF ifanafatrafarana mba tsy ho ady no hiafarana.Saingy raha misy tsy filaminana dia miverina mampahatsiahy ny Soratra Masina ny Fiangonana mba handaminana ny raharaha.

Ao amin’ny famaritana ny foto-kevitry ny raharaha sarotra dia voalaza ny anjara toeran’ny Soratra Masina mba hisian’ny ho filaminana sahady raha toa ka takatry ny Fiangonana araka izao voasoratry ny FDF izao : « Izany fandaminana izany dia aompana amin’izay voalazan’ny Tompo ao amin’ny Matio 7, 1 manao hoe :  » Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo « sy izay nambaran’ny Apostoly Paoly ao amin’ny I Kor. 6, 1 manao hoe : » Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina « sy ny I Kor. 6, 5 hoe : »Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay tsy misy olon-kendry aminareo na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny ? »

Ny fampiharana ireo teny ireo dia ankinina amin’izay voasoratra ao amin’ny Mat. 18, 15 – 17 hoe : »

 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao ; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny Fiangonana ; ary raha tsy mety mihaino ny Fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. « 

Napetraka mba hisahana ny filaminana ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Fiangonana (FIFAFI) sy ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Mpitandrina (FIFAMPI). Eo amin’ny ambaratongan-drafitry ny Synodamparitany sy ny Foibe no ajoro izany. Koa mba hisian’ny fahaleovan-tenan’ireto mpandamina dia noferana tsy ho mpikambana ao anatin’ity FIFAFI sy FIFAMPI ity ireo olona manana andraikitra eo amin’ny Biraon’ny Ambaratongam-pitondrana.

Masimandidy amin’ny fandaminany ny olony ny Fiangonana mba ho fampanajana ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Noho izany, tsy eken’ny Fiangonana ny hitondra ny tsy filaminany hotsarain’ny fitsarana
na haelin’ireo fitaovan-tserasera.

Hoy indrindra ny andininy faha 383 sy 384 momba izany :

And. 383 . Ny raharaham-piangonana sarotra momba ny fandaminana sy fitantanan-draharaha ary ny Fotodalàna mbamin’ny fanapahan-kevitr’ireo Ambaratongan-drafitry ny FJKM dia tsy azo entina any amin’ny Fitsarana ara-panjakana. Izay minia mitondra izany any amin’ny Fitsarana ara-panjakana dia efa manala ny tenany tsy ho FJKM.

And. 384 : « Ho fitandroana ny voninahitr’Andriamanitra sy ny hasin’ny Fiangonana dia tsy azo avoaka amin’ny fitaovam-pilazam- baovao ny raharaham-piangonana sarotra. Izay minia mbola manao izany dia manala ny tenany tsy ho FJKM. » Fa rehefa mandamina ny raharaha sarotra ao aminy ny Fiangonana dia ataony ho zava-dehibe ny fialana nenina hahazoana manitsy ny meloka, ka hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitry izay Tompon’ny Filaminana fa tsy ny fikotranana.

RASORAPIANGONANA