Oniversity Ravelojaona / Fisoratana anarana

 

Koa aza menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika”

(2Tim.1:8a)

ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA

« Hataon’i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony » (Deo. 28.13)Efa misokatra izao ny fisoratana anarana ao amin’ny ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA . Ireto avy ny Taranja :

  • TOURISME
  • GESTION
  • DROIT
  • GENIE CIVIL ET INDUSTRIEL
  • AGRONOMIE
  • COMMUNICATION ET MULTIMEDIA
  • INFORMATIQUE
  • LETTRES ANGLAISES

Manantona eny amin’ny Foibe FJKM Analakely izay rehetra mila dinidinika momba izany na miantso ny Telefaonina 034 69 777 22 . Ny Volana Novambra no hanomboka ny Taom-pianarana.

FMBM / Vokatra vaovao


Ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy

 (FMBM)

dia

mampahafantatra ny fiangonana sy ny kristiana rehetra fa efa tonga ary hitantsika eny amin’ireo tobim-pamatsian’ny FMBM ilay Baiboly fampiasan’ny maro ka amin’ny endriny vaovao mifono plastika , amidy amin’ny vidiny 12 500ar izany eny anivon’ireo tombim-pamatsian’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy rehetra manerana ny nosy.

Ny FMBM dia sehatra fiaraha-miasan’ny Fiangonana, ny fikambanana ary ny kristianina eto Madagasikara mba hampiroboroboana ny fampielezana ny Soratra Masina.

Niforona ny 21 jona 1965 izy ary nekena ho mpikambana mahefa tao amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany (FMBET) tamin’ny taona 1972. Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina no vina iorenan’ny FMBM ary mizara ho efatra lehibe ny antom-pisiany eto amin’ny firenena :

(1) Mandika ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona(2) Mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilàn’ny olona azy(3) Mampiely ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny olona(4) Mampiofana sy manentana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra Masina. Fifandraisana : + 261 32 07 251 35/ +261 33 11 251 35

Talata 31 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Apokalypsy 2.8-11

Ny fiangonana mandresy  ny fahafatesana

1-Mandresy an’i satana ny fiangonana

Nanenjika  ny fiangonana  kristiana  ny Jiosy  tao Smyrna  any Azia Minora . Antsoina hoe: »synagogan’i satana » izy ireo . Manoratra  ho an’ny mpitandrina  na ny anjelin’ny fiangonana i Jesoa Kristy  ho fampaherezana  azy . Manome antoka Izy  , dia Ilay  Tompo  nandresy  ny fahafatesna  fa omena azy ny fiainana mandrakizay  satria efa resy  ny fahafatesana .

2-Mandresy ny tahotra ny fiangonana

Izay  efa niaretan’i Kristy  hatramin’ny fahafatesana  dia hihatra  amin’ny kristiana . Ho fizahan-toetra ny finoana  no anton’izany . Voafetra ny fotoampahorian’ny kristiana  hafoloana ataon’ny devoly (and10). Fizahantoetra  ireny  , hoy i Jesoa Kristy , ho fanomanana ny fiangonana mandresy , hihaona  amin’i Kristy amin’ny andro farany .

3-Mahazo satroboninahitra ny fiangonana

Mahatoky ao amin’i Kristy  hatramin’ny fahafatesana ny kristiana. « Satroboninahitra fiainana » no omen’Ilay voalohany  sy ny farany ny mpino  mahatoky . Izy  Ilay mpitsara  marina sady Tompon’ny hery  sy  ny fahefa a rehetra  ka manolotra ny satroboninahitra fiainana . Efa nomanin’i Jesoa ny fiainana mandrakizay ho an’ny kristiana mahatoky , maharitra amin’ny fivavahana  sy ny fanarahana Azy. Miomana ho any amin’ny Tompo isika .

Fanontaniana:Ahoana no fiainam-bavaky ny olona mahatoky?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fantaro ny mombamomba ny FJKM

Iraka , Vina  Adidy,  Soatoavina

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA »Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika. » 2 Timoty 1.8aIRAKA (FDF and. 5)

  • Hanao izay handrenesan’ny Malagasy sy ny Mponina eto Madagasikara ny Filazantsaran’i JESOA KRISTY sy handraisany ary hanekeny Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
  • Handray anjara amin’ny sehatry ny Fiangonana sy ny Vondrom-piangonana kristianina eran-tany
  • Hijoro ho vavolombelon’i JESOA KRISTY, ho fanasina sy fahazavana eo amin’ny fiarahamonina; eo anivon’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao.VINA

Vontosy Filazantsara ny Nosy MadagasikaraADIDY (FDF and. 7)

  • Ny manambara fa i JESOA KRISTY no Tompo tokana sy Mpamonjy izao tontolo izao
  • Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy ny asa ary ny fiainana rehetra
  • Ny mitory ny Filazantsaran’i JESOA KRISTY Tompo amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo

SOATOAVINAVONINAHITR’ANDRIAMANITRAFAHAMASINANAFAHAMARINANAFITIAVANA

Sekoly Misionera 2017 / Andiany Santatra

SEKOLY MISIONERA (Semi) FJKM
902 mianadahy navoaka araka
                                  ny fombam-piangonana

 

Araka ny fivoriana nataon’ny Synoda lehibe, ary araka ny tetikasa asa Fitoriana Filazantsara FJKM dia tapaka fa hanokatra sekoly misionera na SEMI ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara. Ny tanjony voalohany indrindra dia ny hitahiry tsara ny mpino ho vavolombelona mahatoky ary mba hamorona fiangonana amin’ireo kaominina 407 izay mbola tsy misy FJKM sy hamontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara araka ny vinan’ny FJKM ihany.

Tanteraka ny Sabotsy 21 Octobra 2017 lasa teo ny famoahana ara-pombam-piangonana ireo 902 mianadahy nianatra ho misionera FJKM voalohany, izay notanterahina tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.  Ho reharehan’ny fiangonana tokoa izy ireo no ho izy anisan’ny fantsona lehibe hanatanteraka ny vinan’ny FJKM manao hoe “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Araka ny teny nolazain’ny filohan’izy ireo tamin’ny kabary izay nataony dia hiparitaka eran’ny synodamparitany miisa folo izy ireo.  Miantomboka amin’ny fananganana vondrom-bavaka hatramin’ny fananganana trano fiangonana FJKM. Tsy hionona amin’ny fanatsarana ny endriky ny fiangonana ivelany fotsiny fa araka ny maha misionera, dia nampianarina izy ireo mba hanana toe-panahy misionera na toe-panahy tahaka izay nananan’i David Jones sy i Thomas Bevan.

Tsiahivina fa, i David Jones sy i Thomas Bevan ary ny vady aman-janany avy no nanokatra ny asa fitoriana filazantsara teto Madagasikara izay nalefan’ny London Missionary Society na LMS izay ankalazaintsika ny faha 200 taonany ankehitriny. Marihina fa mbola mitohy ny fianaran’izy 902 mianadahy ireo taorian’ny famoahana azy. Izany dia ho fampitomboana hatrany ny fahalalana izay ananan’izy ireo Ny hany andrasana amintsika kosa dia ny fanohanana azy ireo ara-bola, ara-pitaovana ary indrindra ny fitondrana am-bavaka azy ireo mba ahatontosa ny asa nankinina taminy.

Lanitra-Hery-Orlando

 

 

SP Matsiatrasoa 25 / SAMPATI

MPANAZAVA SY TILY

FARITANY MATSIATRA AMBONY
Fanokafana taom-pitaizana 2017-2018

Notanterahina tao amin’ny FJKM Fehizoro Mampiray ny folakandron’ny Alahady 22 oktobra 2017 teo ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny taom-pitaizan’ny Mpanazava sy Tily Faritany Matsiatra Ambony. Tonga marobe ireo mpikambana nanotrona izany fotoana izany.

Ny filoha lefitry ny Komitim-paritany Rakotozafy Samuel no nitarika ny fotoana, ny Mpitandrina sady tompon’andraikitra ao amin’ny Aim-panahin’ny Faritany Tily (APF) Randimbison Mahandry kosa no nitory ny tenin’Andriamanitra. Ny teny faneva “Koa asehoy ny tenanareo ho fianarana ny asa tsara” (Titosy 2 :7a) no nakana ny fampianarana.

Nisongadina indrindra tamin’izany ny “asa tsara” anankiroa miandry ny Mpanazava sy Tily mandritra ny taom-pitaizana : ny fahavononana hampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny asa tsara rehetra (Lioka 17: 5-6),ary ny fankatoavana ny andraikitra sy ny lamina ao anatin’ny fikambanana, satria hanome voninahitra izay mankato azy ny Tompo (I Samoela 2: 30b).Noredonina ireo hira faneva, ary hita taratra teny amin’ny endrik’ireto mpikatroka ny fanantenana sy ny fahavononana.

Fampitam-baovao sy fanolorana ireo ekipa vaovao kosa no namaranana ny fotoana.Efa an-taonany maro no nisian’ny fikambanana Mpanazava sy Tily teto amin’ny Faritany Matsiatra Ambony, Itambaran’ny skoto Loterana, Anglikana, METM ary FJKM. Misandrahaka hatrany Vohibato, Ambalavao, Fianarantsoa, Isandra ary Ikalamavony izany fikambanana izany ahitana fivondronana miisa 63.

Miroborobo tokoa ny fikambanana satria raha ho an’ny Tily manokana dia miisa 1613 ny ankizy beazina, raha 213 ireo mpiandraikitra, ary 50 no isan’ireo Filoha. Raha ho an’ny Mpanazava kosa dia miisa 1270 ireo tovovavy beazina, sahanin’ny mpiandraikitra miisa 68, ary fehezin’ireo Filoha 27.Taom-pitaizana feno fahombiazana sy fahavitrihana no andrandrain’ny maro.

TokiniAina

Pathocratie ?

FANTATRAO VE NY ATAO HOE « PATHOCRATIE » ?

Misy karazana fitarihana olona na firenena amin’ny endriny samihafa, ary iray amin’izany ny “Pathocratie”. Io dia azo lazaina tsotra ho fitondrana entin’ny olona marary. Misy eo amin’ny 5% amin’ny mponina ny olona tsy salama (psychopathe). Izy ireo no mampiasa ny 95% ho miaramila mpandripaka ny hafa, araka ny tetika voalaza manaraka eo. Avy amin’izany no nahaterahan’ny fotokevitra fa, ny miaramila izay mahafaty ny “fahavalony” dia olo-malaza (héros), ary izay tsy mahafaty na manda tsy hamono dia  kanosa (lâche).

Samy nahitana izany avokoa ireo fikambanana miafina jiosy, ny Jezoita, ny mpitantam-bola matanjaka eran-tany, ny Kominista, ny Silamo terorista, ny fikambanana satanista: ireo dia heverina fa nanova na manova ny Tantara, amin’ny fametrahana riba tiany apetraka. Izany hoe, ny toeram-pitondrana rehetra (toekarena, siansa, teknolojia, fitantanana, …) dia vonjen’ny psychopathe avokoa mba hifehezany izao tontolo izao.

RIBA

Efa hatramin’ny fahagola no nentina mpitondra marary izao tontolo izao, ary ny riba (civilisation) ankehitriny dia naorina tamin’ny alalan’ny fanandevozana sy ny ady. Fomba fiteny tsara faneno ihany ny riba, mba hanafenana fa nandringana mponina tsy nitovy taminy ireo nilaza ho mpitondra ny riba vaovao. Ho an’ireo psychopathe ary, dia “adidy” mihitsy ny mandringana ireo olona salama  ara-batana, ara-psikolojia, ara-moraly, ara-toekarena.

Fomba fiadin’ny mpitondra riba tany amin’ny tany “notafihiny” izao manaraka izao. Voalohany, dia mampiasa ny lainga sy ny fanasana atidoha izy ireo. Heverina fa ny zavatra entin’izy ireo dia ambony sy mihaja ka alentika any an-dohan’ny mponina notafihiny. Faharoa, dia kendrena izay “hanandevozana” olona marobe araka izay tratra, ka ny asa sy  ny zavatra novokarin’ireo olona ireo dia nampanekena io riba napetraky ny mpanjana-tsaina io. Fahatelo, dia ampiasain’izy ireo indray ny vokatra ambony ampanga (surplus) azony, mba hampiasana mpitondra fivavahana hivoy izany riba apetrany izany. Mampiasa izany, ohatra, ny mpitondra fivavahana terorista ankehitriny, toy izay nataon’ny nazisma tany aloha.

MAMPIAVAKA

Ireto ireo zavatra vitsivitsy izay mampiavaka ny olona marary (psychopathe) rehefa azony ny fitondrana ny olona.

  • Tsy manana saina mahatsiaro manao fahadisoana izy ireo, ary tsy mieritreritra velively hikatsaka izay hahasoa ny fianakaviana sy ny manodidina azy.
  • Tsy mahalala henatra na dia kely aza, ny amin’ny zavatra nataony tamin’ny fahakamoana, fitiavantena, fanimbana ny hafa, ary tsy nisy moraly mihitsy.
  • Mitaky fitiavana sy fankasitrahana ary tombontsoa be dia be amin’ny hafa, saingy tsy mivonona velively hanao izany amin’ny hafa, satria tsy mendrika izany ireo olon-kafa ireo.
  • Tia mampijaly ny olon-kafa, ary mihaza mihitsy izay tiany ampijaliana izy ireo.

TOKONY HATAO

Mampieritreritra tokoa ny fanambaran’i Owen YOUNG: “tsy tokony hatahorana loatra ny fisolokiana moderina  any amin’ny tontolon’ny fandraharahana any, fa ny fahanginan’ny olona marina izay mahalala nefa tsy miteny”. Midika izany fa, raha potehin’ny psychopathe ny firenena sy ny tontolo misy azy, dia tsy afaka ny hangina ny olona marina sy salama.

Rehefa manomboka very ao amin’ny mpiara-belona ny saina mandinika sy mitsikera ireny zavatra ataon’ny psychopathe ireny, dia tafiditra anaty fotoana “maizina” ny fiainan’ny mpiara-belona. Tsy afaka hijery fotsiny intsony ny olona salama rehetra, ka mitsangana. Mila fahaizana mifehy tena sy fihetsika anefa ny firesahana amin’ireo olona psychopathe mpitondra ireo. Mitaky fotoana sy angovo izany fanatonana azy ireo izany, mba hitaizana azy ireo hiala amin’ny tsy mety ataony, sady tsy hiharan’ny mety ho fahatezerany koa.

A.Zaka, Mpitandrina

 

SP Afovoany andrefana 01 / SEFALA

 

Tontosa ny isan-kerintaonany

                Tanteraka ny isan-kerintaonan’ny Sefala SP01, izay natao ny 17 – 19 Oktobra 2017 lasa teo, tao amin’ny FJKM Ambohitrinimerina Fanantenana. Mpiandry 30 mianadahy, Mpitoriteny 31 mianadahy ary Katekista 14 nahavita ny fianarany no navoaka sy notolorana ny Taratasy fanamarinana tamin’izany. VAVOLOMBELONA MPITOLONA AM-BAVAKA no anarana  nisaloran’ity andiany ity. Avy ao amin’ny ivon-toerana 6 ao amin’ny synodamparitany izy ireo  (Fenomanana, Ampangabe, Ambohipiaro, Ambihiboanjo, Ankonabe, Marotampona )

Niavaka ity isan-kerintaona ity satria dia tonga maro ireo Kristiana niatrika izany. Tao ireo efa nahavita ny fianarany kanefa mbola tonga miofana, tao koa ireo tanora maro izay mangetaheta hirotsaka hianatra. Fampianarana 4 sosona no natao ka voalohany dia ny hoe: “Ny endrika isehoan’ny valim-bavaka”, nentin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, avy ao amin’ny FJKM Ankonabe sady talen’ny ivon-toeram-pampianarana ao Ankonabe. Ny faharoa dia ny hoe: “Ny antom-pisian’ny Mpitolona am-bavaka”, nalahatry ny Mpitandrina RASOAZANANAIVO Sahondra, ao amin’ny FJKM Miadampahonina Fahazavana sady Talen’ny Sefala SP01. Ny Alarobia 18 oktobra kosa ny fampianarana fahatelo, nitondra ny lohahevitra hoe: “Ny vokatry ny fitolomana am-bavaka”, novelabelarin’ny Mpitandrina RANDRIANARISAINA Harilaza, Prezida Synodaly, ary ny fahefatra farany dia ny hoe: “Ny valisoan’ny Mpitolona am-bavaka”, natolotry ny Mpitandrina RAKOTOARIMANANA Nirina, solontenan’ny Sefala foibe sady talen’ny FFP.

Tamin’ny fomba mahaliana tokoa no nanoloran’ny ivon-toerana tsirairay ny talentany, tamin’ny alim-piderana, na tamin’ny dihy izany, na tamin’ny hira sy fanentanana samihafa ka nila haharain’andro mihitsy. Namaranana izao isan-kerintaona izao ny famoahana ireo andiany “Vavolombelona Mpitolona am-bavaka”, niarahana tamin’ny solontenan’ny SEFALA Foibe ka nitarika ny fotoana tamin’izany ny Talen’ny sefala SP01, ary nitondra ny tenin’Andriamanitra kosa  ny solontenan’ny Sefala Foibe. Ny Sal. 39: 6 – 13 no nakana ny hafatra ka nasongadiny tamin’izany fa ny Vavolombelona marina mahery vavaka dia mangina eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy maika handahatra, ary koa mino ny vavaka ataony amin’Andriamanitra ka tsy miahanahana. Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo no nanakatonana tanteraka ny fihaonana. Izay tena nampiavaka ity isan-kerintaona ity ihany koa, dia ny fandraisam-bahiny, izay tena fatratra sy nahafatra-po tokoa nataon’ny FJKM Ambohitrimerina Fanantenana, notarihin’ny Mpitandrina RAZAIMALALA Harisoa mivady.

Hanomboka indray ny taom-pianarana vaovao 2017-2018, amin’ny herinandro faharoa amin’ny volana novambra izao isaky ny ivon-toerana tsirairay. Ary efa miomana sahady koa amin’ny taom-baovaony ny SEFALA SP, amin’ny 17 janoary 2018, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Ambohitrambo. Ary  any amin’ny FJKM Ambohibe indray ny isan-kerintaona manaraka ny 9, 10 ary 11 oktobra 2018.

 

A.Zo Nantenaina, Mpitandrina

SAFIF / Seha-pitaizana .

Ny toe-piainan’ny olona lazaina fa “MIFOHA”

Milaza fiainan’ny vehivavy roa izay nampiantrano an’i Jesoa Kristy ny teksta ao amin’ny Lioka 10:38-43, ka ny iray (Maria) nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesoa Kristy, nihaino ny teniny. Ny iray (Marta) sahirana amin’ny fanompoana be, manao zavatra ho an’i Jesoa Kristy, ka mitady olana ho an’ny hafa izay nisafidy ny ho eo akaikin’ny Mpamonjy Tompon’ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany dia i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra izany.

Nambara tamin’ny fampianarana, ny Laharam-pahamehana eo amin’ny olona mifoha ary koa ny toetr’olona mandray an’i Jesoa Kristy, nefa variana amin’ny zavatra hafa heveriny fa mety nefa manisy elanelana eo aminy sy ny Tompo, ka lasa mamboly olana ho an’ny hafa izay tsara safidy ho eo anilan’i Jesoa Kristy.

Ny olona mifoha dia mampiditra an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany (Toetra ny kristiana io). Miaraka amin’ny fanoloran-tena izany. Olona tafaray amin’i Jesoa Kristy. Ny vokatr’io hetsika io dia fiainam-baovao miaraka amin’ny fibebahana (Fialana amin’ny ratsy rehetra), satria efa nisafidy ny hihaino sy hankato ny sitrapon’Andriamanitra Fitiavana Mpahary izao rehetra izao. Noho izany ny lazaina fa olona mifoha, dia olona tia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra sy ny sainy rehetra ary ny fanahiny rehetra ka mazoto ny ho eo akaikin’i Jesoa Kristy ary faly miresaka aminy, amin’ny alalan’ny vavaka. Manana fotoana hamakiana Soratra Masina ny olona mifoha. Fadiana araka izany ny mamboly ady amin’ny mpino hafa hisintonana azy hiala eo anilan’Andriamanitra, satria ny kristiana dia tsy olana na sakana amin’ny fanatonan’ny hafa an’i Jesoa Kristy, fa fanoitra velona kosa hanampy ny olona ho eo akaikin’Andriamanitra.

Ny kristiana, dia tsy izay olona variana manao asa betsaka ho an’ny Tompo amin’ny fomba fisainany manokana (Faire quelques choses à sa façon pour Jésus Christ), nefa tsy manana fotoana na dia kely aza hamakiana baiboly sy hihainoana ny tenin’Andriamanitra ary hianarana ny sitrapony (tsy misaintsaina akory ny ho tefena sy ho volavolain’Andriamanitra ary hahitsiny, fa matoky tena amin’izay mba fahaizana voatahiry ao an-tsaina) ka lasa very tsy mety tafahaona amin’ny Mpahary.

Tsiahivina, fa telo andro, ny Talata 29  ka hatramin’ny Alakamisy 31 Aogositra 2017 no notanterahana tany Ambatolampy Synodamparitany Atsinanan’Ankaratra Fahazavana ny fihaonamben’ny SAFIF (SAmpana FIFohazana) FJKM. Tsara ny milaza, fa voalohany teo amin’ny tantara izao fihaonambe seha-pitaizana izao ary tao amin’ny kianja malalaka monisipaly Ambatolampy no nanaovana azy. Famelabelaran-kevitra telo samy hafa no notanterahina tamin’izany (izay mbola hotaterina eto amin’ny manaraka), fa nialoha izay no nanazavan’ireo mpikarakara ny fihaonambe SAFIF, ny toe-piainan’ny olona lazaina fa “MIFOHA”.

Nangonin’i Aris

 

 

FFP / Vokatra vaovao

Ny marina amin’ny Finoana no ho velona” Hab.2: 4
“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” II Tim.1: 8

Efa nivoaka ny PERIKOPA 2018

Ireto no endriny misy:
-tsotra
-PELLICULEE
-LEHIBE (A3)
Navoaka ho endriny iray ny HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA 2018
(Herinandro Masina, Herinandro Fanahy Masina ary Herinandro
Sambatra)
Izany dia azo jerena ao amin’ny :
-Foibe FFP Rihana faha 5 varavarana 504
-librairie Antso manerana ny Nosy
-Fivarotam- boky kristiana AVANCE CENTER
-Fivarotam- boky kristiana Morondava
-Fivarotam- boky kristiana Ambovombe Androy
-Faratsiho
-Ary ireo Mpitandrina miara-miasa amin’ny FFP