Perikopa Oktobra 2017 .

FAMAHAVAHANA

Ny Filazantsara voalahatra amin’ny Alahady faharoa sy fahatelo amin’ity volana oktobra ity no raisintsika ho enti-mifanampy amin’ny famakiana ny Soratra Masina.

Hoy ny lohahevitra amin’izao volana izao : « Mahery vavaka ny vavolombelona marina ». Manana anjara toerana lehibe amin’izao volana izao ny vavaka, na ny fangatahana ataon’ny olona amin’Andriamanitra. Maneho ny fifandraisan’ny roa tonta izany : ny iray, manana ny ampy, afaka manome (Andriamanitra io) ary ny iray, mahatsiaro fahabangana, ka mino fa handray avy amin’Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Koa mba hahazoana hangataka dia tsy maintsy mahafantatra izy fa manana izay ilaina rehetra Ilay angatahana. Ny Soratra Masina no maneho ny haren’Andriamanitra tsy hita lany ao Aminy ka azony zaraina. Noho izany, ny vavaka dia tsy azo sarahina amin’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany ao amin’ny Soratra Masina. Izany no hevitry ny famaritana hoe : « ny vavaka dia setrin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra. »

Fa inona no azo ambara amin’ireto perikopa voalahatra ireto ?

Matio 7, 7- 11 : Ampahany amin’ilay toritenin’i Jesoa tao an-tendrombohitra ity (Toko 5- toko 7).Raha fintinina io fampianarana io dia mitaona sy mampanantena FAHASAMBARANA ho an’ny olona ny Tompo Jesoa. Mba hahalavorary izany, dia tsy maintsy mipetraka amin’ny toerany ny Fiangonana (Hianareo…5, 13- 16), mihaino ny feony (efa renareo…5, 21-27 …), dia ilay tena feon’Andriamanitra marina ( efa renareo …fa izaho, fa izao kosa milaza aminareo…5, 27, 32,….). Amin’ity perikopa ity, ny fahasambarana dia vokatry ny fanekena fepetra hanana fahasahiana hangataka izay zava-mahasoa (and.9-11) Koa ny hoe: mahery vavaka dia tsy hafa fa ny herin’ny fahaiza-mangataka izay hahasoa ny tena. Ny olombelona izay ratsy aza, mahay manome zava-tsoa,  mainka fa Andriamanitra izay tsara, tsy hanome ny tsara ho an’izay mangataka ny tsara ?

Lioka 18, 1- 8 : Ity fanoharana ny amin’ilay mpitondratena nahery nangataka ity dia fitantaran’ny Filazantsara araka an’i Lioka ireny. Ny Filazantsara araka an’i Lioka dia mivoy ny fampifandraisana nyfampianaram-pinoana amin’ny fihetsika sy ny asa soa eo amin’ny fiarahamonina. Fampianaram-pinoana roa no taratra eto: andaniny «ny fiainam-bavaka» izay oharina amin’ny fangatahana ataon’ity mpitondratena ity ary ankilany ny ho fiatrehana ny fihavian’ny Tompo na ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra, izay petra-kevitra farany ambaran’ny fitantarana eo amin’ny andininy fahavalo.Mitaky faharetana ny mivavaka ka ampiasan’ny mpanoratra ny teny hoe : tsy reraka (and. 1) , matetika (and.3) mandrakariva (and. 5). Tsy tokony hohadinoina anefa fa ny faharetana no miorina dia satria manantena valiny ilay manana faharetana.

Noho izany, ny olona mahery amin’ny vavaka dia satria misy finoana ao anatiny. Ny finoana no tonga lohalaharana eto fa tsy ny anjara toeran’ny vavaka. Amin’ny maha fanoharana ity voalaza ity dia tsy ny sary an’ohatra no zava-dehibe fa ilay tiana ho azo tamin’ny alalan’ny sary. Oharina amin’ny Mpitsara tsy marina Andriamanitra marina. Ilay mpitsara na dia tsy matahotra an’Andriamanitra dia mihaino ny manana faharetana mangataka aminy.

Koa azo antoka fa mihoatra lavitra noho izany ny fihainoan’Andriamanitra marina izay manana finoana hangataka aminy.Fa izay zava-dehibe mivoitra eto dia ny fanehoana fa ny finoana dia tsy maintsy hazonina hahatratra ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV