Vaovao vitsivitsy .
VAOVAO SY FANASANA
1-Fanokafana ny JOBILY FISOTROANDRONONO an’ Andriamatoa
RAKOTO Armand Andrianambinintsoamanitriniaina
ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra
Sabotsy 21 Oktobra 2017 ,
manomboka amin’ny 9ora maraina .
2-Famoahana sy fanirahana ireo vita fiofanana tao amin’ny SEKOLY MISIONERA ,
ny Sabotsy 21 Oktobra 2017 ,
ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ,
manomboka amin’ny 3 ora tolakandro .
3-Fanompoampivavahana ho fisaorana an’ Andriamanitra sy Fankasitrahana ny mpanompony naha-Filoha azy teo aloha :
ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja ,
ny Alahady 22 Oktobra 2017 ,
ao amin’ny FJKM Ankadifotsy ,
manomboka amin’ny 3 ora tolakandro
Ireo fotoana ireo dia hanasana antsika kristiana eo anivon’ny FJKM sy ny Fiangonana rahavavy mpiara-miasa ho tonga maro , hifampilaza , hifanentana ka hanamarika ny fankasitrahana ny mpanompony amin’ny endrika hita maso .
Ento am-bavaka àry ny fotoana ho Voninahitr’ Andriamanitra .