FJKM Vohiparara (SP Mananjary Pangalanes)
FJKM VAVAHADIN’NY LANITRA
VOHIPARARA
Fiangonan’Andriamanitra ve io ivavahanao io?
Androm-pifaliana sy firavoravoana ka nisaorana an’Andriamanitra ny Alahady 27 Aogositra 2017 nitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara. Tonga nisolo tena ny Filohan’ny FJKM tamin’izany ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona,Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Fanontaniana napetrany sy novaliany ny hoe: Ahoana no ahafantarana fa ito no Fiangonan’Andriamanitra sy ilay vavahadin’ny lanitra?
Alahady 27 Aogositra 2017
Feno olona vao maraina ny tananan’i Vohiparara na dia mbola manarona ny havoana azany zavona. Ny tao amin’ny Vohitra Andrainarivo Fahasoavana Fitiavana (VOAFAFI) nandray ireo vahoakan’Andriamanitra avy any Andrainarivo kosa dia efa tany amin’ny maneno akoho no somebiseby noho ity fotoan-dehibe ity. Anton’ny fivahinianana, dia ny
fitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara. Nipaika ny tamin’ny 8 ora dia indreo, efa vonona ny Mpitandrina hitarika ny filaharana hamonjy ny Fiangonana vaovao. Talohan’ny nidirana ny trano Fiangonana dia ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, sady solotenan’ny Filohan’ny FJKM no
nitarika fotoana fohy vao nanapaka ny ruban.
Fiangonan’Andriamanitra ve io ivavahanao io?
Ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara dia notarihan’ny Mpitandrina Raveloarimanana Martin, Prezida Synodaly Mananjary Pangalana. Nanambara ny hafatr’Andriamanitra ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona. Hafatra izay nalaina tao amin’ny Gen 28. 17b
manao hoe: Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
Fanontaniana tokana no napetrany tamin’ny Kristiana vory teo: Ahoana no ahafantarana fa Fiangonan’Andriamanitra na ilay vavahadin’ny lanitra io ivavahanao io?
Raha namaly izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana dia nilaza fa ny hahafantarana fa Fiangonan’Andriamanitra io ivavahanao io dia voalohany manome voninahitra an’Andriamanitra, faharoa manana fahamasinana, ary fahatelo manana fiainana mandrakizay.
Raha nofintininy izany dia hoy izy: Izao hitantsika izao no tempoly, fa ny tempoly faharoa dia ny tenanao. Ny antom-pisianao eto amin’izao tontolo izao dia hanome voninahitra an’Andriamanitra, hanana fahamasinana, hanana fiainana mandrakizay.
Vohiparara sy Andrainarivo
Zana-pitandremana miankina amin’ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Ranomafana i Vohiparara ka Randriarimalala Solofonirina Richard, Mpitandrina no mitondra azy.
Nanana fifandraisana tamin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy nanomboka ny Martsa 2012 izay nanaovana Tafika Masina sy asa fitoriana ny Filazantsara. Ny Alahady 19 Oktobra 2014 no natao ny ady fototry ny trano Fiangonana ka notokanana tamin’io Alahady 27 Aogositra 2017 io.
José Ravoavison