SFL / Fisaorana

Ho an’
Ny KOMITY FOIBE SFL rehetra
Ny Prezida Synodaly rehetra sy ny Birao miaraka aminy
Ny Filohan’ny VPL rehetra sy ny Birao miaraka aminy
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny Sampana Vondrona Fototra Laika rehetra
 
FISAORANA:
Hanapaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’ny Tompo ry Havana,
Ny Filoha sy ny Biraon’ny SFL, ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno anareo tonga nidodododo sy nampahery ary niombona alahelo noho ny  fodiamandrin’
ANDRIANTSOA Yves Michel,
Tonian’ny SFL.
 
Niharihary tokoa ny Voninahitr’Andriamanitra tamin’ny fiombonana sy ny fikarakarana rehetra ka  ny Tompo  manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
 
 
 « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy nyfitiavana izay nasehonareo ho  voninahitry ny anarany » Hebreo 6: 10
 
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SFL sy ny Fianakaviana manontolo

Alakamisy 21 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Nomery  15.37-41

Ny  maha- vahoakan’Andriamanitra  

1-Manaraka  ny toromarika omena azy  

Mba hampiavaka  ny  Zanak’ Israely  amin’ireo  firenena hafa  manodidina azy  dia misy toromarika  manokana  mahakasika  ny fitafiana asain’ Andriamanitra hotanterahina eto . Ny  faneken’ny  zanak’ Israely hanatanteraka izany  dia maneho  fa matoky  sy mankato  ny didin’ Andriamanitra izy ireo  sady afaka mijoro  ho vavolombelon’ny fifidianan’ Andriamanitra  azy  amin’ny firenena  hafa manodidina . Tsarovy  fa raha manaiky  hitafy  ny fitafiana  mampiavaka ny Zanak’ Andriamanitra isika dia afaka hijoro  ho vavolombelony  eo  amin’ny fiaraha-monina misy antsika .

2-Manokan-tena  ho an’ Andriamanitra 

Fitafiana  miavaka  no asaina  hanaovan’ny Zanak’ Israely . Fanehoana  ny maha- vahoakan’ Andriamanitra azy ireo  izany  nefa koa fanehoana fa manokana ny tenany  , ny fiainany  ho an’ Andriamanitra izy ireo . Tsarovy  àry  fa ny vahoakan’ Andriamanitra dia tokony  haneho  eo amin’ny manodidina  azy  fa »masina » ho an’ Andriamanitra ka  tsy hanao fitafiana mifanohitra amin’izany  . Mitafy  an’i Jesoa Kristy  ka mifanaraka amin’izany  ny fisehony  eto  amin’izao  tontolo  izao .

Fanontaniana:

Manao  ahoana ny fitafianao  maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra   ve? Afaka mamaritra ny  endriky ny fitafiana maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra ve ianao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

VKMM Atsimondrano / 30 taona

VEHIVAVY KRISTIANA MPIARA-MIVAVAKA

FANASANA

 

« Minoa  an’i Jesoa Tompo  dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao »  

Asa 16.31

Ny  Birao   sy ny Mpikambana  rehetra ao  amin’ny « Vehivavy Kristiana Mpiara-mivavaka » Atsimondrano Andrefana , dia faly  manasa  anao  (anareo) hanotrona  ny Fanompoampivavahana  hankalazana  an’ Andriamanitra noho ny nahatratrarana  ny faha- 30 taona nijoroan’ny Fikambanana.

Daty :  Alahady 24  Septambra  2017 , 2 ora tolakandro

Toerana : EKAR  Masimbavy Cécile Tangaina

Aoka hifampilaza . Ento ambavaka ny fotoana .

 

Moyen-Orient /des musulmans …… au christianisme

 Des  musulmans se  convertissent massivement au christianisme

 

Le Moyen-Orient vit actuellement un phénomène de grand ampleur. Les récits exceptionnels de musulmans rencontrant le Christ se multiplient.

Malgré les atrocités perpétrées par l’Etat islamique dans ces régions, on compte un nombre grandissant de personnes qui se convertissent de l’islam au christianisme.

Fabian, qui dirige une maison de prière au Kurdistan, raconte de quelle manière Jésus apparaît à des personnes à travers des visions et des rêves. CBN news a rencontré des iraniens de passage au Kurdistan qui ont tenu à faire part de leurs témoignages époustouflants.

Abbey raconte avoir fait un rêve dans lequel une lumière s’est adressée à elle par ces mots « Viens à moi, je te sauverai et je viendrai à ton secours », mais cela n’était pas clair pour elle. Par la suite, Abbey et sa mère se sont convertis au christianisme. En se rendant à l’église elle a compris que c’est Jésus qui lui était apparu en rêve.

Alors que les chrétiens iraniens font face à de fortes persécutions à cause de leur foi en Christ. On pourrait penser qu’en ses temps difficiles beaucoup se découragent, mais ce n’est pas le cas ! Alors que les dirigeants et les extrémistes s’opposent fortement à la liberté religieuse, Fabien affirme que « la moisson est mûre ». Il déclare que beaucoup de personnes sont désespérément à la recherche de réponses sur la vie et nous devons « être la lumière et le sel » !

Info chrétienne

19 septembre 2017

 

Alarobia 20 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Marka 15 .37-40

Ny fahafatesan’i Jesoa  Kristy 

Mitantara  ny fahafatesan’i Jesoa Kristy  teo  ambony hazo fijaliana  ny mofonaina  ho  antsika anio  .

1-Mampihavana  ny olona amin’ Andriamanitra

Rehefa  maty  teo ambony  hazo  fijaliana i  Jesoa  Kristy   dia voalaza   eto  fa « ny efitra  lamba  tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa  » . Io  lamba  io no nanasaraka ny toerana masina sy ny faritra  sisa  tao  amin’ny Tempoly . Maneho  izany  fa azon’ny olona tsirairay  atao  ny mifandray mivantana amin’ Andriamanitra , tsy  misy  olona mpanelanelana  intsony  . Vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ ny hazo  fijaliana  ny fampihavanana ny olona tamin’ Andriamanitra . Vita  fihavanana amin’Andriamanitra  ianao  . Taomy  hihavana  Aminy  koa ny namanao .

2-Mitaona  ho  amin’ny finoana

Fanambaram-pinoana lehibe  sy  miavaka   ihany  koa   no nataon’ilay kapiteny nanara-maso  akaiky  ny toejavatra  nitranaga  teo  amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy. Rehefa  nahita   ny  fanoloran’i Jesoa ny ainy  izy   dia indro  resy  lahatra   fa tena Zanak’ Andriamanitra io  voahombo   tamin’ny hazo  fijaliana io . Afaka  tamin’ny  tsy finoana izy ,tonga amin’ny fahalalana ny làlam-pamonjena . Tsarovy  fa manana anjara isika ankehitriny  hijoro ho vavolombelona amin’ireo  manodidina  antsika fa i Jesoa Kristy  tokoa no Ilay Zanak’ Andriamanitra , maty  ho famonjena antsika .

Fanontaniana:

Efa nanambara  tamin’ny namanao  ve ianao  fa i Jesoa Kristy  no Ilay Zanak’ Andriamanitra ho  famonjena  azy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mpiomana ho Mpitandrina niharam-boina

Vaovao farany mahakasika azy ireo ireo Mpiomana ho Mpitandrina

Taona Fahaefatra

Niharam-boina ny 18 Septambra 2017 .

8 no maratra ny 6 efa nody any amin’ny FJKM Ambohimahasoa ary ny 2 kosa dia mbola any amin’ny Hopitaly. Amin’ny ankapobeny tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Ary efa nahazo fitsaboana sahaza izy rehetra ka raha sitrapon’ny Tompo dia hitodi-doha tsy ho ela aty Tana . Mivavaka ho azy ireo hatrany isika.

Raha tsiahivina ny tantara dia izao :

Vao avy nanao Voyage d’Etude sy namangy ny Toby tany Soatanana izy ireo ary nitodidoha ho aty Antananarivo . Tokotokony ho 15 km tsy hiditra an’Ambohimahasoa anefa misy tanàna kely antsoina hoe Tsarafidy no nitranga ny loza : zazavavy kely iray niampita tampoka tokony ho 5 m ny fiara efa akaiky loatra ilay zaza hany ka niezaka niala ilay zazakely ny mpamily, tratran’ ny ballotage anefa ilay fiara ka nivadika teo ampovoan’ ny arabe teo. Ny ilany ankavanana no nianjera ka ireo rehetra tany amin’ny ankavanana no maratra ;  Ilay zazakely kosa dia voatsindrin’ ny fiara  ny tongony ka dia tapaka ( tsy maty ilay zazakely fa mbola ao amin’ny réanimation Fianarantsoa hatramin’ny fotoana nanoratana izo vaovao izao ).

Mangataka vavaka avy amintsika rehetra ho an’ireo mpiomana ho mpitandrina niharam-boina ireo ,indrindra ho an’ilay zaza vavy kely mba ho salama tsara avokoa izy rehetra.

Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho antsika rehetra.

Ny Komity Soatanana

 

 

AFIFAB / 20 T. Radio Fahazavana

FISAORANA 

Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny Fanompoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra noho ny Ivon’ ny fankalazana ny faha-20 taonan’ ny Radio Fahazavana (88.6 Mhz) sy famoahana ny Andiany SANTATRA FAHAZAVANA , mpiofana Serasera sy Fifandraisana AFIFAB/FJKM miisa 92 mianadahy.

Isaorana ireo tonga nanome Voninahitra ny fotoana , ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny FJKM, FFKM, FFPM , ireo manampahefana isan’ambaratonga , ireo tomponandraikitry ny Haino aman-jery samihafa , ny fianakavian’ny mpiofana , ireo mpanao tsy lazaina isankarazany  , ny Mpitandrina mivady sy ny  FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ireo rehetra nisalahy nifanome tànana ho amin’ ny fahatanterahan’ izany ka nisehoan’ ny Voninahitr’Andriamanitra ny 17 Septambra 2017 teo, tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana .

Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy .

AFIFAB / FOIBE FJKM

Talata 19 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

1 Korintiana 4.14-21

Ilay  mpanompo  alaina tahaka 

Asehon’i Paoly  eto  ny fifandraisana manokana eo  aminy  sy ny kristiana tao Korinto  mba hahafahany  mananatra  sy manitsy  azy ireo.

1-Mitaona olona ho an’i Jesoa Kristy

Asa fanompoana  miavaka no niantsoan’ Andriamanitra  an’i Paoly  Apostoly . Mitory  ny Filazantsara any  amin’ny Jentilisa  , mitaona  olona  ho an’i Jesoa Kristy  . Asehony  eto  fa mety  ho maro  ireo olona tonga nitory  ny Filazantsara  tamin’ireo kristiana  tao  korinto  fa miavaka kosa i Paoly. Izy  no manambara  voalohany  ny Filazantsara  ho azy ireo  . Zava-dehibe  tamin’i Paoly ny hahatonga  azy ireo  ho Zanak’ Andriamanitra , miaina  ny famonjen’i Kristy  . Ny olona mitory  marina ny Filazantsara  dia tsy menatra milaza sy maneho  ny asa  fanompoana notanterahiny .

2-Maneho  fitondrantena  miavaka 

Rehefa nandray ny Filazantsara  ny olona dia tokony hiova mifanaraka amin’izany ny fiainany  . Tsy araka  izany anefa  ny fiainan’ny kristiana sasantsany tao Korinto . Manoloana izany  dia mitaona  ny kristiana  tao Korinto  haka tahaka  ny fitondrantena  mendrika  ny maha- kristiana izay aseho  i Paoly  Apostoly  . Ny mpino   miaina  ny Filazantsara  dia maneho   tokoa fitondrantena miavaka  ho  fianarana  ho  an’ny  hafa  . Mijoro  ho vavolombelon’ Ilay Mpamonjy  azy  amin’ny sehatra rehetra  misy  azy amin’ny fitondrantena  mampiavaka  ny Zanak’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Fomba  ahoana  no entinao  maneho  amin’ny hafa  fa Zanak’ Andriamanitra ianao ?

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahadin’ny FFP 2017 .

Fandaharana iombonana 

Sampanasa Fikarohana sy Fandalinampinoana 

Alahady 24 Septambra 2017 

Feonjavamaneno

Fiarahabana Apostolika

Fiantsoana sy fiderana ny Anaran’ny Tompo <%

Fandalinampinoana / Silamo

TSY AZO AMPINDRAMINA HO AN’

NY FIVAVAHANA HAFA NY TRANO

FIANGONANA

Teo amin’ny lahatsoratra hafa, dia nanolotra ireo antony avy amin’ny mpomba ny fampindramana ny trano fiangonana ho an’ny fivavahana hafa isika. Eto indray dia atolotra izay antony hanoherana izany, avy amin’ny tsy fankatoavana izany.

1. ANTONY TAOTRANO
Ny Fiangonana tsirairay (Kristiana katolika na Protestanta na hafa) dia samy manana ny taotranony avokoa, mifanaraka amin’ny fampianaram-pinoany. Ny Silamo koa dia manana taotrano ara-pivavahana ho azy manokana, araka ny fampianarany. Sarotra ho an’ny Silamo ny hivavaka ao amin’ny trano fiangonana kristiana, noho ny antony taotrano voafatotry ny finoana sy fampianarany. Any Royaume-Uni, dia misy 1700 Moskea, ka ny 100 eo ho eo dia Trano fiangonana novaina ho Moskea avokoa. Ety ivelany, dia tsy nanova mihitsy ny taotrano fiangonana ny Silamo izay nahazo azy ireny, fa ny soratra famantarana ihany no novainy. Ny ao anatiny dia nanaovana fanatsarana madinika.

2.ANTONY ANDRIAMANITRA
Any amin’ny toetsaina no iantefan’ny resaka eto. Raha namboarina ny Trano fiangonana iray, dia ho an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy io. Koa raha lasan’ny Silamo ny Trano fiangonana, dia voaroaka tao ve ny Andriamanitry ny Kristiana, ary i Allah Andriamanitry ny Silamo indray no ao? Any Manchester-Angletera, dia nisy Chapelle iray efa niorina tany amin’ny taona 1837, an’ny Fiangonana Unitarienne. Efa samy nampiasa azy io avokoa ireto: ny Fiangonana Protestanta, ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Silamo. Ankehitriny, dia ampiasain’ny Foibe fitaizana sy fampianarana silamo ny ampahany amin’io Chapelle io. Dia tsy voavaly ity fanontaniana ity: impiry niova Andriamanitra izany io toeram-pivavahana io?

3.ANTONY FAMPIHOROHOROANA
Hatramin’ny nisian’ny Fanjakana Islamika (FI), izay nantsoina koa hoe Daesh, dia lasa naneran-tany ny asa fampihorohoroana. Efa nialoha làlana azy ny Al Qaïda sy ny hafa. Mossoul, tanàna lehibe faharoa any Irak dia lasan’ny Daesh ny taona 2014. Nalainy koa ny trano fiangonana kaldeana Saint Joseph de Mossoul, noesorina ny hazo fijaliana, ary nolokoiny mainty ny coupole teny anoloana.Ny loko mainty dia lokon’ny Daesh, ilazana fa lasany io trano fiangonana io. Ary ny tsy fisian’ny hazo fijaliana tao amin’io toeram-pivavahana io, dia toy ny milaza fa, voaroaka tao i Jesoa Kristy, ho an’ny mpahay tantaram-pivavahana sasany. Trano Fiangonana faharoa lasan’ny Daesh ity voalaza ity. Nalaina ankeriny eto ny trano fiangonana, fa tsy mba nahimpon’ny Kristiana (nivarotra, nampindrana, nanome).

4. ANTONY CHRISLAM
Any Etazonia any, dia efa voizina ny hoe Chrislam. Atambatra ny Kristiana sy ny Silamo. Iray ihany ireo, fa ny toerana sy fotoana nitenenan’ny Andriamanitra no samy hafa. Iray ny Andriamanitra fa ny anarany no samy hafa. Iray ny boky masina, fa ny anarany no samy hafa.

Ho antsika FJKM manokana, dia misy dikany lehibe ny fitokanana trano fiangonana sy fanaka mbamin’ny fitaovam-piangonana. Ny dikan’ny fitokanana dia izao: tsy azo ampiasaina hafa tsy ho ao am-piangonana, ary ho an’io Andriamanitra ireo zavatra ireo. Tsy azon’ny Silamo ampiasaina hivavahany izany ny trano fiangonana FJKM rehefa voatokana.

5. ANTONY TSY FAMPIHARANA
Ny teksta novokarin’ny Konsily Vatikana II (taona 1965), faha Papa Paoly VI, dia miresaka zavatra tsotra sy fohy : “ny Fiangonana katolika dia manana fijery manome lanja ny Silamo izay mivavaka amin’Andriamanitra tokana, velona, mamindra fo ary Tsitoha”. Raha ny tantara, dia nirona tamin’ny Jodaisma ny EKAR tamin’izany, ka hampifandanja ny fijery dia nanao io fanambarana fohy izy ireo.
Tsy hita anefa izay fampiharana mazava io hoe “fijery manome lanja ny Silamo” io. Iray ihany ny Andriamanitra ivavahan’izy roa tonta ireo? Afaka hifampiantrano rehefa hivavaka ve ny roa tonta? Efa 50 taona mahery izay no lasa, fa tsy nivoaka ny fampiharana mazava izay voalazan’io Konsily Vatikana II io.
Manampy antsika ankehitriny eto Madagasikara ity lahatsoratra ity, mba hahaizantsika mandray ny fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina.

A.Zaka, Mpitandrina