Sabotsy 30 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Asa 12.11-17

Mitantara  ny nanafahan’ Andriamanitra  azy tao an-tranomaizina i Petera.

1-Mahay  ny zavatra rehetra  ny Tompo 

Raha dinihana  ny Asa 12 dia hita  taratra  fa nataon’ny fahavalo  mafy  tsara  ny fiambenana  an’i Petera . Nihevitra ny fahavalon’ny Filazantsara  fa afaka manao  izay tiany  atao  amin’ny iraky  ny Tompo  . Tsy izany  anefa no niseho . Tafavoaka  ny fonja namatorana  azy i Petera . Miavaka ny fomba nanafahan’ Andriamanitra  . Eny  , fa na dia i Petera aza rehefa  tafavoaka  ny  fonja vao gaga  sy nahatsapana fa naniraka  anjely  hanafaka  azy ny Tompo . Tsy takatry  ny saina  ny làlam-pamonjena  sokafany  eo  anoloan’ny  mino Azy .

2-Tsy  azo  afenina  ny asan’ Andriamanitra 

Rehefa  afaka  tao an-tranomaizina  i  Petera  dia indro  tery am-panahy  hiseho  tamin’ireo  mpianatra  namany . Hilaza , hitantara  ny fomba  nanafahan’ Andriamanitra  azy  tamin’ny hetraketraky  ny fahavalo  . Fampaherezana ireo  mpianatra  namany  izay efa  kivy  noho ny fanenjehana izany  sady fanehoana  fa mamaly vavaka tokoa ny Tompo ho an’izay  maharitra mitaraina Aminy (and5). Tsy  ho mpihaino  fotsiny  anefa  ireto mpianatra ireto  fa irahina  indray  hanambara  izao  fanafahan’ny Tompo  an’i Petera tamin’ny fomba mahagaga izao . Midika izany  fa izay  rehetra mandre  ny asa famonjen’ Andriamanitra dia tokony hanambara  izany amin’ny hafa .

Fanontaniana:

Efa  mba nitantara  tamin’ny namanao  ny asa nataon’ Andriamanitra manokana  teo  amin’ny fiainanao ve ianao  ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Zoma 29 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo

Romana 10.5-15

Ny vavolombelon’ny famonjen’i Jesoa Kristy 

1-Mitana ny finoana

Ny  kristiana  dia mino  fa i Jesoa Kristy  no irak’ Andriamanitra namonjy  ny zanak’olombelona tamin’ny fatoran’ny fahafatesana . Ireo Jiosy  dia nandà  mafy izany  fa rehefa  amin’ny fanarahana ny lalàna no  hanamarinan’ Andriamanitra  azy ireo  . Manitsy  ireo  Jiosy  araka izany  i Paoly Apostoly  fa ny lalàna  dia tsy  manome fanamarinana ny olona . Diso mandrakariva  ny olona  satria tsy mahay  manatanteraka izay voalazan’ny lalàna . Ny  fahatongavan’i Jesoa Kristy  no hanafaka  ny olona amin’ny fatorana   sy ny fanamelohan’ny lalàna . Ny finoana  an’i Jesoa Kristy  ny hanamarinana ny olona ho amin’ny famonjena .

2-Maneho  amin’ny fanekena  izay inoany 

Zava-dehibe  eo amin’ny fiainan’ny mpino  ny finoana  an’i Jesoa Kristy . Tsy maintsy  aseho  amin’ny teny  aloaky  ny vava  anefa izany . Rehefa  resy lahatry  ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy  isika .Mandray  ao am-po  ny fanambaran’ny Tenin’ Andriamanitra dia manao  fanekena . Ambara  ho ren’ny rehetra  fa i Jesoa Kristy no ekeny  ho Tompo  sy Mpamonjy  azy . Fijoroana  vavolombelon’ilay  finoana izany . Koa izany  no mahatonga  antsika mpino  hanao fanekena  eo  amin’ny seham-panompoana  irosoantsika . Na aiza  na aiza  sehatra  isehoanao dia ambarao  amin’ny hafa  fa efa  nanaiky an’i Jesoa Kristy  ho Tompo sy Mpamonjy  ianao .

Fanontaniana:

Hoa anao  mpandray ny Fanasan’ny Tompo , inona  no akon’ny fanekena  nataonao  teo amin’ny fiainanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny  Tompo  

Deoteronomia 13.7-12

Miorena amin’ny finoana 

1-Tohero  ny fakampanahy

Zava-doza ny fialana  amin’ Andriamanitra  . Na dia  olona akaiky  anao  toy ny fianakaviana aza no mitaona  anao handeha  amin’ny làlana  hafa  handika ny sitrapon’ Andriamanitra dia sahia  ianao  manao  « tsia ». Tohero hatrany ny fakampanahy , fantaro mandrakariva  izay sitrapon’ Andriamanitra . Matetika tokoa isika kristiana  no diso hevitra  , mikajy  ny fihavanana isika ka na dia zavatra  tsy  tokony hatao  aza  fa  mifanohitra  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra  no hitaoman’ny olona akaiky  antsika dia manatanteraka isika . Tsy  sahy  mijoro  ho vavolombelona isika ka manara-drenirano . Mazava  ny toromarika ho antsika  eto  . Tohero ny fakampanahy .

2-Miorena ao amin’ Andriamanitra  

Mampitandrina eto ny Tompo  fa fahafatesana  no anjara miandry  izay  olona  mitaona  ny namany  hiala  amin’ Andriamanitra . Kanefa  koa fampitandremana  ho an’ny olon’ Andriamanitra izany . Raha  manaiky  ho resin’ny fakampanahy  hiala amin’ Andriamanitra  ny mpino  dia rava  ny finoana , rava ny  fanantenana. Ny fahafatesana ihany  no anjarany  satria voalaza fa fahafatesana no tambin’ny ota . Manoloana izany , taomina hatrany isika hiorina amin’ny finoana ka handray  ny Tenin’ Andriamanitra ho fitsipi-piainantsika .

Fanontaniana:

Inona  no fanapahankevitra raisinao  raha misy  olona akaiky  anao mitaona anao  handika  ny sitrapon’ Andriamanitra?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Josoa 24.14-24

Izay andrasan’ Andriamanitra amin’ny olony 

1-Mandray  fanapahan-kevitra  marina

Mitaona  ny zanak’ Israely  handray  fanapahan-kevitra mazava  sy marina  ny amin’izay  tokony hirosoan’izy ireo   ho  amin’ny fanompoana  an’ Andriamanitra i Josoa . Ambarany  fa rehefa  tapa-kevitra hanompo an’ Andriamanitra ny olona dia manary  ny andriamanitra tsy  izy  , izay  mety  ho notompoin’ny fianakaviany taloha. Aharihariny i Josoa fa tsy azo ampiarahana ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny andriamanitra tsy izy na ny sampy. Tsarovy  àry  fa namonjy sy nanafaka antsika tamin’ny fatoran’ny fahotana i Jesoa Kristy . Tapaho  ny hevitrao  mba hanompo  Azy .

2-Manatanteraka ny teny nomeny 

Tsy  mitana ny teny nomeny matetika ny zanak’ Israely. Fantatr’i Josoa mazava  tsara izany . Manoloana izany indrindra dia manambara amin’ny Zanak’Israely  izy  fa Andriamanitra masina sady saro-piaro  Izy . Tsy  ankasitrahany  ny fampifangarohana ny fanompoana  Azy  amin’ny andriamanin-kafa . Mampitandrina  ny olona noho  izany i Josoa  fa raha mivadika amin’ Andriamanitra dia ho avy  ny fampahoriana sy  ny fanandrinana azy ireo . Tarihina hatrany  isika mpino , mba hitana ny fanekena nataontsika tamin’ Andriamanitra . Raha  tsy  manatanteraka ny teny  nataontsika taminy  isika dia hanafay antsika Izy .

Fanontaniana:

Nahoana isika no tsy mitazona sy manatanteraka ny fanekena izay nataontsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Jobily volamena / RAMINOARIVONY Berjules, Mpitandrina

 

Notanterahana teny amin’ny FJKM Fiadanana Maritiora ny fanokafana andiany faharoa , ny Alahady  24 Septambra 2017 lasa teo  ny fiderana an’ Andriamanitra noho ny :

faha-50 taona naha-Mpitandrina

an’ Andriamatoa Raminoarivony Berjules mivady  .

Nitarika ny Fanompoampivavahana ny Mpitandrina Randrianarison Emmanuel . Nitondra ny Tenin’ Andriamanitra , ny Mpitandrina Rabelison Harimanitra Manasse , Président Synodal  SP Antananarivo Atsimo.

« Tsy  toy ny efa nahazo sahady aho  na efa  tanteraka sahady …niezaka hanatratra izay zavatra eo aloha , eny miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako  ny lokan’ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy  Jesoa » (Fil 3.12-14) . Izany no teny faneva nosafidian’izy mivady hiatrehana izao fotoam-pankalazana izao .

Koa manasa antsika hiombom-bavaka  sy hahatsiaro izany mpanompon’ Andriamanitra .

Ny Fanokafana andiany voalohany dia efa tanteraka teny amin’ny FJKM Ambohinaorina ny Sabotsy  13 Mey 2017 .

Mbola hisy fanamarihana ny Ivon‘izany  fotoan-dehibe izany  ny Sabotsy 14 Oktobra 2017 , eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana , manomboka amain’ny 9 ora maraina

Ny fotoam-pamaranana dia ao amin’ ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato  ny Sabotsy  25 Novambra  2017, amin’ny 9ora maraina .

Koa manasa antsika hiombom-bavaka  sy hahatsiaro izany mpanompon’ Andriamanitra .

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra .

Ramatoa Sahondra

 

SEFALA / Tatitra Fitsidihamparitany

Asa vavolombelona 

Vita ny Alakamisy 21  Sept 17 tao amin’ny FJKM  Andrebakely Fihavaozana SP Ambatondrazaka ny Fitsofan-drano Mpitoriteny 71 , Katekista 30, fanomezana Sertifika  Mpiandry 38, andiany Vavolombelona Irak’i Kristy, Ny fotoana dia notarihan’ny Tale Nasionaly Sefala Foibe.

Tontosa ny Zoma 22 Sept tao  amin’ny  FJKM  Betela Fenoarivo Atsinanana, ny fanokanana ny Mpiandry 148 mianadahy, andiany Vavolombelona, . Ny fotoana dia notarihan’ny Tonian’ny Safif Foibe (SP Afovoany Atsinanana .).

Natao ny Sabotsy 23 Septambra 2017 tolakandro tao amin’ny  FJKM Betela Fenoarivo Atsinanana ny fahamasinana ny fanambadian’ Razafinjoelina Haja Nirina Christian sy Ramananjakasoa Onjanavalona Heritiana, Mpitandrina, io dia natao mialohan’ ny fanokanana azy roa ireo ho Mpitandrina, ny lohahevitra : Isa   6:8b, I Kor 13:8a,

 Natao tao amin’ny  FJKM Betela Fenoarivo Atsinanana ny Alahady 24 Sept 17 ny Fivoriamben’ny SP Afovoany Atsinanana Vaovao, . Tamin’ izany no namoahana sy nitsofan-drano ireo Mpitoriteny 116  sy Katekista 60 ary notolorana Sertifika ,  Mpiandry 148 no notokanana , fotoana notarihan’ny Tale Nasionaly Sefala. Tonga nanazava sy nanentana tao koa ny Filohan’ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM. Vahoaka FJKM marobe manerana n’y SP no tonga tamin’izany .

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra .

Pasteur Rakotoniaina

Salon de l’Etudiant / Fanokafana

ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA

 SALON DE L’ETUDIANT

25,26,27 Sept 2017

 

Fijoroana  ho vavolombelona   no azo ilazana  ny Hetsika tanterahin’ny FJKM amin’ny alalan’ny  « Salon de l’Etudiant »  nokarakarain’ny Oniversity  RAVELOJAONA  ny  Alatsinainy 25 Septambra 2017  manoloana ny  Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo ,  izay mbola hitohy mandritra ny 3 andro .

Fanompoampivavahana  ankalamanjana  nahavory lanona ny  sokajin’olona maro : Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe  notarihan’ny Filohan’ny FJKM sy ny vadiny , ny Sekretera Jeneraly sy ny vadiny,  ireo  Président Synodal  sy Mpitandrina ombam-bady avy , ny fianakaviamben’ny FOIBE Ifanomezantsoa , ny Mpanolotsaina manokan’ny  Ben’ny Tanànan’ Antananarivo , ny Solontenan’ny Oniversiten’ Antananarivo sady mpampianatra ao amin’ny Oniversity Ravelojaona , ireo  vato nasondrotry ny tany zanaky ny FJKM  nanolotena hifarimbona amin’izao asa Fampianarana amin’ny Ambaratonga  ambony izao , ireo Tanora marobe liana amin’izao « Salon de l’ Etudiant » izao.

Nitarika ny Fanompoampivavahana : ny Mpitandrina ROBERT  Saonina Marson , Mpanampy ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana . Nitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra kosa  ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi  Filohan’ny FJKM .

HAFATRA : Deoteronomia 28.13

 « Hataon’i Jehovah ho lohany ianao fa tsy ho rambony »

  • Hotahiana ianao
  • Raha mino ianao

1-Fitahiana ho an’ny lafim-piainana manontolo , satria mahaliana an’ Andriamanitra avokoa izany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fianarana . Aza adinoina fa raha tonga voalohany teto ny Misionera dia ny Sekoly no naoriny  voalohany vao  ny Fiangonana . Fitahiana manokana : Ataony  mahazo ny laharana voalohany ianao . Raisiny an-tànana manokana ianao

2-Finoana roa sosona :

Finoana avy ao anaty , amin’ny fo sy finoana amin’ny ataonao

Tsy maintsy marina ny finoana an’i Jesoa Kristy isika .Miala amin’ny sampy . Ireo Misionera  nitondra ny Filazantsara teto Madagasikara dia tanora vao erotrerony , iraky ny Fifohazam-panahy mangotraka tany  Pays de Galles . Ny kristiana FJKM dia olona niova fo , marina amin’ny finoana …

Mila mianatra tsara ianareo , sady mianatra mafy ianareo ry Tanora , kanefa koa mila mitandrina mba tsy ho lasa sampy izany fianarana izany.Finoana  amin’ny ataonao :

Tsy maintsy miasa mafy isika FJKM . Isika no nanana ny Sekoly ambony voalohany teto amin’ny firenena . Tsy tokony hisy kristiana FJKM tsy mahavita devoara , na tsy miana-desona . Ataoko ho lohany ianao fa tsy rambony , hoy ny Tompo . Dia hotahian’ Andriamanitra anie ity Oniversity ity .

Taorian’ny Fanmpoampivavahana fanokafana ny Salon de l’Etudiant  no nitsidihana ireo trano eva misy ireo « Domaines » miisa enina  dia ireto avy izany :

DOMAINES :

 – Arts, Lettres et Sciences Humaines  (Théologie, Sciences du tourisme)

 -Sciences de la Societé (Sciences de Gestion , Droit),

-Sciences de l’Ingénieur(Génie Civil et Industriel,Sciences Agronomiques )

-Sciences et Technologies( Sciences de la Communication et Multimédia , Sciences de l’ Informatique)

-Sciences de l’Education (Langues et Lettres Anglaises, Formation et Recherches Pédagogiques )

-Sciences de la Santé (Infirmier Anesthésiste, Infirmier Généraliste, Maïeutique (sage-femme)   ,Technicien de Radiologie).

Marihana fa haharitra telo andro izao « Salon de l’Etudiant » karakarain’ny Oniversity FJKM RAVELOJAONA izao , ary Mpampianatra miisa 185 zanaky ny FJKM no manolotena hifarimbona amin’izao asa Fampianarana amin’ny Ambaratonga  ambony izao , ka ny 90% amin’ireo Mpampianatra ireo dia avy ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo avokoa . Isanandro dia hisy hatrany ny Velankevitra  samihafa manodidina  izao « Salon » izao .

Vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa  ny Tanànan’ Antananarivo , hoy ny  Mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna raha nitondra ny fitenenana izy .

Fisaorana ireo rehetra nahatontosa izao Hetsika izao kosa no natolotry  ny Solotena avy ao amin’ny Oniversity Ravelojaona  raha nandray ny fitenenana izy .Manomboka amin’ny Licence no dingana iezahana amin’ity taona ity . Marihana , hoy ny mpandahanteny , fa tsy mpifaninana amin’ireo Oniversity  efa misy ny Oniversity Ravelojaona  , fa manampy kosa  amin’ny fanofanana ireo tanora hitondra Fampandrosoana  ho an’ny firenena.

Ny Filohan’ny FJKM , Andriamatoa Irako Andriamahazosoa Ammi  no namarana ny fandraisam-pitenenana  izay nanehoany fisaorana lehibe noho ny fiaraha-miasa tamin’ny tomponandraikim-panjakana  isan’ ambaratonga .

Nisaorany manokana ireo Mpiasan’ny FOIBE FJKM , izay vory lanona tokoa miaraka amin’ny fanamiana  iombonana .

Nindrana ny tenin’ Andriamatoa NELSON MANDELA izy manao hoe :  « Fanabeazana  no anisan’ny mahery indrindra  amin’ny fitaovam-piadiana  hanova ny Fiaraha-monina  ho amin’ny fahatsarana sy ny fandrosoana tena izy ».

Raiso an-tànana ,hoy izy ny ho avin’ny firenena . Fanontaniana miandry valiny avy amin’ny rehetra ny teny farany nataon’ny Filohan’ny FJKM ary miantefa amin’ireo tanora kristiana : «   Inona no azoko hatao ho an’ny Fireneko ? »

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Ramatoa Sahondramalala Vololona

SP 11 / Vaovao samihafa .

TETIKANDRO Sept 2017
SP Antananarivo Atsimo ( SP 11).

1-Alakamisy 28 Septambra 2017 : Jobily fisotroan-dronono ny Mpitandrina RAHARIMANANA Hajarisoa Lalao , FJKM Malaho Vaovao Bevalala (SP 11).

2-Zoma 29 Septambra 2017 : Firahalahian’ny Mpitandrina  miaraka amin’ny vadiny eto anivon’ny SP Antananarivo Atsimo , ao amin’ny FJKM Malaza Gileada , manomboka amin’ny 9ora sy sasany .

3-Sabotsy 30 Septambra 2017FIVORIAMBE faha II  sady farany amin’ity taona ity  ho an’ny SP Antananarivo Atsimo :  . Ny Toerana dia ao amin’ny FJKM Ambohijanaka Fitiavana Gara. Io koa no fotoana hanamarihantsika ny faha- 25 taona maha-Mpitandrina an’ Andriamatoa  Radimisaon Jonah ,Sekretera jeneraly . Izy rahateo no hitondra ny Tenin’ Andriamanitra . Hozaraina ao anatin’ny Fivoriambe ihany koa ny Certificat ho an’ireo izay nahavita soamatsara ny ADIDINY  hatramin’ny volana Desambra taona 2017 .