Fandalinampinoana / Silamo

TSY AZO AMPINDRAMINA HO AN’

NY FIVAVAHANA HAFA NY TRANO

FIANGONANA

Teo amin’ny lahatsoratra hafa, dia nanolotra ireo antony avy amin’ny mpomba ny fampindramana ny trano fiangonana ho an’ny fivavahana hafa isika. Eto indray dia atolotra izay antony hanoherana izany, avy amin’ny tsy fankatoavana izany.

1. ANTONY TAOTRANO
Ny Fiangonana tsirairay (Kristiana katolika na Protestanta na hafa) dia samy manana ny taotranony avokoa, mifanaraka amin’ny fampianaram-pinoany. Ny Silamo koa dia manana taotrano ara-pivavahana ho azy manokana, araka ny fampianarany. Sarotra ho an’ny Silamo ny hivavaka ao amin’ny trano fiangonana kristiana, noho ny antony taotrano voafatotry ny finoana sy fampianarany. Any Royaume-Uni, dia misy 1700 Moskea, ka ny 100 eo ho eo dia Trano fiangonana novaina ho Moskea avokoa. Ety ivelany, dia tsy nanova mihitsy ny taotrano fiangonana ny Silamo izay nahazo azy ireny, fa ny soratra famantarana ihany no novainy. Ny ao anatiny dia nanaovana fanatsarana madinika.

2.ANTONY ANDRIAMANITRA
Any amin’ny toetsaina no iantefan’ny resaka eto. Raha namboarina ny Trano fiangonana iray, dia ho an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy io. Koa raha lasan’ny Silamo ny Trano fiangonana, dia voaroaka tao ve ny Andriamanitry ny Kristiana, ary i Allah Andriamanitry ny Silamo indray no ao? Any Manchester-Angletera, dia nisy Chapelle iray efa niorina tany amin’ny taona 1837, an’ny Fiangonana Unitarienne. Efa samy nampiasa azy io avokoa ireto: ny Fiangonana Protestanta, ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Silamo. Ankehitriny, dia ampiasain’ny Foibe fitaizana sy fampianarana silamo ny ampahany amin’io Chapelle io. Dia tsy voavaly ity fanontaniana ity: impiry niova Andriamanitra izany io toeram-pivavahana io?

3.ANTONY FAMPIHOROHOROANA
Hatramin’ny nisian’ny Fanjakana Islamika (FI), izay nantsoina koa hoe Daesh, dia lasa naneran-tany ny asa fampihorohoroana. Efa nialoha làlana azy ny Al Qaïda sy ny hafa. Mossoul, tanàna lehibe faharoa any Irak dia lasan’ny Daesh ny taona 2014. Nalainy koa ny trano fiangonana kaldeana Saint Joseph de Mossoul, noesorina ny hazo fijaliana, ary nolokoiny mainty ny coupole teny anoloana.Ny loko mainty dia lokon’ny Daesh, ilazana fa lasany io trano fiangonana io. Ary ny tsy fisian’ny hazo fijaliana tao amin’io toeram-pivavahana io, dia toy ny milaza fa, voaroaka tao i Jesoa Kristy, ho an’ny mpahay tantaram-pivavahana sasany. Trano Fiangonana faharoa lasan’ny Daesh ity voalaza ity. Nalaina ankeriny eto ny trano fiangonana, fa tsy mba nahimpon’ny Kristiana (nivarotra, nampindrana, nanome).

4. ANTONY CHRISLAM
Any Etazonia any, dia efa voizina ny hoe Chrislam. Atambatra ny Kristiana sy ny Silamo. Iray ihany ireo, fa ny toerana sy fotoana nitenenan’ny Andriamanitra no samy hafa. Iray ny Andriamanitra fa ny anarany no samy hafa. Iray ny boky masina, fa ny anarany no samy hafa.

Ho antsika FJKM manokana, dia misy dikany lehibe ny fitokanana trano fiangonana sy fanaka mbamin’ny fitaovam-piangonana. Ny dikan’ny fitokanana dia izao: tsy azo ampiasaina hafa tsy ho ao am-piangonana, ary ho an’io Andriamanitra ireo zavatra ireo. Tsy azon’ny Silamo ampiasaina hivavahany izany ny trano fiangonana FJKM rehefa voatokana.

5. ANTONY TSY FAMPIHARANA
Ny teksta novokarin’ny Konsily Vatikana II (taona 1965), faha Papa Paoly VI, dia miresaka zavatra tsotra sy fohy : “ny Fiangonana katolika dia manana fijery manome lanja ny Silamo izay mivavaka amin’Andriamanitra tokana, velona, mamindra fo ary Tsitoha”. Raha ny tantara, dia nirona tamin’ny Jodaisma ny EKAR tamin’izany, ka hampifandanja ny fijery dia nanao io fanambarana fohy izy ireo.
Tsy hita anefa izay fampiharana mazava io hoe “fijery manome lanja ny Silamo” io. Iray ihany ny Andriamanitra ivavahan’izy roa tonta ireo? Afaka hifampiantrano rehefa hivavaka ve ny roa tonta? Efa 50 taona mahery izay no lasa, fa tsy nivoaka ny fampiharana mazava izay voalazan’io Konsily Vatikana II io.
Manampy antsika ankehitriny eto Madagasikara ity lahatsoratra ity, mba hahaizantsika mandray ny fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV