Fiangonana madio sy midio.

Fahaiza-mitantana

Ny 19 Novambra no Andro Iraisam-pirenena momba ny trano fidiovana (WC). Nanomboka tamin’ny taona 2001 no nisian’izany, ary mitohy ankehitriny. Ny Antontanisa ankehitriny dia milaza fa, mahatratra 2,4 miliara ny olona tsy manana trano fidiovana eran-tany.

Vato misakana ho an’ny fahasalaman’ny ankohonana ny tsy fisian’izany any an-tokantrano, ary vato misakana koa ho an’ny fampandrosoana ny firenena izany. Voasoroka ny aretina sy ny fotoana very rehefa manana WC ny tokantrano.

Zavatra ilana ny Fiangonana ihany koa izany fanentanana momba ny  WC izany, satria dia toerana mandray olona be indrindra, mandritra ny fotoana hivoriany ny trano fiangonana. Misy efatra (4) ary ireo andraikitra miandry ny Fiangonana amin’izany, hahaizany mitantana ny fananany.

1.MAMPITA HAFATRA

Hoy ny Isa 52:11 “…Midiova hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah”. Ireo mpisorona sy ny mpiara-miasa aminy no mikirakira ny fanaky ny Tempoly fahizany. Zava-masina ireo, ka tsy azo kitihina amin’ny Tanana sy vatana maloto, mbamin’ny saina sy fanahy maloto.

Raha fahiny izany no nisy, dia isika Kristiana tonga hivavaka koa no mitondra ny Baiboly hivavaka. Zava-masina io satria mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, ka tokony madio sy midio ny Kristiana, mialoha ny handehanany mivavaka sy hitondra iny Baiboly iny. Efa nahavita nidio (nandro, nisasa, nivoaka,…) vao mandeha ho any am-piangonana. Ary raha sendra misy ny fahatampohana mamely, dia ao ny WC an’ny Fiangonana.

2.MODELY

Manana WC ary ny Fiangonana. Hoy ny I Tim 4:12 “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao… amin’ny fahadiovana”. Mila modely hita maso ny Kristiana amin’ny fahadiovan’ny trano fivoahana sy ny olona mivoaka ao.

Trano fivoahana izay voadio ara-potoana sy ara-pahasalamana no ampiasain’ny mpiangona. Tsy hisy intsony fanaovana maloto eny ivelany eny. Nefa dia mitaky fahadiovana ihany koa io, mba ho azon’ny rehetra ampiasaina.

3.SAROTINY

Fananan’ny Fiangonana ny trano fivoahana, ary iankinan’ny fahasalaman’ny mpiangona, ka tokony hahasarotiny ny Fiangonana. Hoy ny Tit 1:15 “Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ny olona madio”. Ny olona madio tamin’ny fahotany, madio tamin’ny eritreritra maloto, ary madio tamin’ny loto ara-batana: izany no tia madio sy manaja ny fahadiovana.

Hainy ny mampiasa ny WC mba hadio hatrany: any amin’ny fitoerany no andatsahana ny maloto, ny taratasy na zavatra avy nampiasaina, ny mandefa ny rano rehefa hiala ny trano fivoahana,… Madio no novantaniny, dia hainy koa ny mitandrina izany mba hadio rehefa vita ny anjara fampiasaina ny WC.

4.MIKAJY

Fananam-piangonana ny trano fivoahana, ka mila kajina sy tandremana tsy ho simba na hisy hanimba, na hisy hangalatra ihany koa ny kojakojany. Hoy ny Fil 3:2 “Tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy”.

Indraindray dia simba noho ny tsy fahaizana mampiasa azy ny WC.  Mila torolalana mitohy sy maharitra izany: misy soratra sy/na kisary manampy ny olona amin’ny fampiasa io WC io ao. Ary misy olona mpanadio mitohy koa, mba ho azon’ny hafa ampiasaina araka ny fahadiovany hatrany.

A.Zaka, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV