Aumônerie / Fantaro ny asany !

 

TARI-DALANA MOMBA NY

 ASAN’NY AUMÔNERIE

 

Ny atao hoe « Aumônerie »

Seha-panompoana iray, hanaovana fitaizam-panahy sy fiantrana any amina sehatr’asa samihafa, izay tsy azo hananganana fiangonana.

Ny “ASAN’NY AUMÔNERIE” eto anivon’ny FJKM manontolo, dia “ASA MISIONA” izay manana fototra ara-tSoratra Masina, ho fampaherezana ny mila vonjy sy ho fanampiana ny voa mafy eo amin’ny fiarahamiaina sy ny fiarahamonina, izay tanterahiny amin’ny alalan’ny tenina’Andriamanitra sy ny vavaka sy ny fandraisana andraikitra  (fifaneraserana, dinika manafaka, asa fanampiana) ary ny fampiharana azy dia voarakitra ao amin’ny FOTO-DALÀNA sy FITSIPIKY NY FJKM, And. 7.3 ; 8.8. ; 9. ; 9.4; 10.5. ; 15.4. Noho izany, ny “ASAN’NY AUMÔNERIE” dia tena asan’ny Fiangonana sy ny Kristiana voantso sy voaofana, ka ny fomba hanehoana izany dia voarakitra kosa ao amin’ny famaritana ny ASA amin’ny ankapobeny

L’Aumône :

Fanomezana avy amin’ny tsara sitrapo « un don charitable », vokatry ny famindrampo, fiombonampo, fitserana.

Fanehoana amin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana fa mahaliana sy mahakasika ary mampalahelo ny fahorian’ny namana.

Lioka 3 :11 « izay manana akanjo roa dia aoka izy hanome ho an’ny tsy manana ; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa izy. »

Lioka 6 :38 « omeo, dia mba homena ianareo ; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa »

Fankatoavana ny tenin’Andriamanitra no mamporisika antsika hanome, hanao asa fiantrana. Jereo koa (Lio 6 :34, Lio 11 :41, Lio 12 :33)

Lioka 18 :22 ny mpanana dia ampirisihina hizara ny fananany amin’ny mahantra.

Lioka 19 : 8 Zakaiosy : nanolotra ny fananany tsy noterena vokatry ny fihaonany tamin’i Jesoa.

Asa 3 :4ss : izay hananana no omena.

Asa 9 :36-39, Asa 24 :17, Asa 20 :35, Asa 11 : 28-29,

Deo 24 : 17-21 : omeo anjara ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra-tena.

Tsy hoe azo tsy atao akory ny fizarana « Aumône », fa tena isan’izay vaindohan-draharaha tian’Andriamanitra ataon’ny olony.

  1. Hoy Calvin : « ny mpanakarena…rehefa manana finiavana hanolotra…dia natao ho solontenan’ Andriamanitra…mba hanampy ho famelomana ny namany.» (Les riches…quand ils ont de quoi bien faire…sont là comme officiers de Dieu… (pour) aider à vivre leurs prochains.)

Ireo sehatra asa 12:

  • Ny “Aumônerie” dia miasa eo Anivon’ny fiaraha-monina izay ivelan’ny Fiangonana. Ny Aumônerie araka izany dia tsy fiangonana. Ireto ny sehatra iasan’ny Aumônerie ankehitriny:
  • Hopitaly
  • Orinasa,
  • Fonja,
  • Toby Miaramila,
  • Marary Hoditra,
  • Toby fanarenana samihafa,
  • Sekoly sy Oniversity,
  • Toeram-panomanana Mpitandrina,
  • Anjorombala (SAFFIFAA),
  • Zokiolona,
  • Kamboty sy Mpitondratena,
  • Tokantrano sy Fianakaviana,
  • Izay rehetra mila famonjena

Endriky ny “Asan’ny Aumônerie” 

Maro ny endrika enti-manatanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara.

  • Fanampiana ara-batsy sy ara-pitaovana
  • Fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitsaboana
  • Fanoroan-kevitra sy fampianarana ara-tsaina ary fanabeazana ara-pinoana
  • Fanomezana dinika sy fampaherezana (“relation d’aide” na “counselling”)
  • Fanarenana ny maha-olona manontolo
  • Fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fananganana Vondrom-bavaka, ho fitaizam-panahy
  • Fitarihana sy fampirisihana ho amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny fiainana ao amin’i Kristy.

Ny tanjon’ny « Aumônerie »

  • Hanaporofo amin’ireo voakasiky ny asa fa akaiky azy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny asan’ny fiangonana ataon’ny Aumônier any.
  • Hitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nitondra : « Fanafahana, Fandresena, Fanasitranana, Famonjena,… »
  • Hamolavola olona ho ao anaty fiarahamonina, ho an’ny fiarahamoninana, ho tia ny fiarahamonina.
  • Mamaha ny olana fototra mianjady amin’ilay olona hiasana
  • Mandresy lahatra ho amin’ny fihavaozam-piainana sy fanoloran-tena ho an’i Kristy
  • Mandray sy mandalina ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana haseho amin’izany
  • Mijoro ho vavolombelon’ny Fitiavan’i Jesoa Kristy sy fitoriana ny Filazantsara
  • Mizara  maimaim-poana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny hafa
  • Mahazo  antoka sy fiaraha-mandova ny fiainana mandrakizay
  • Manafaka amin’ny alalan’I Jesoa Kristy ny fanandevozan’ny hery ratsy mpanimba ny olona; misoroka sy mamaha amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka ary ny fandraisana andraikitra ny olana maha-tsivanona sy maha-fadiranovana.
  • Manentana ny mpiangona sy ny fiangonana FJKM hangataka fanafahana avy amin’Andriamanitra sy handray andraikitra eo amin’ny fianakaviany sy ny fiaraha-miaina ary ny fiaraha-monina misy azy.

Jery todika momba ny « Aumônerie FJKM » :

  • 2000: Ny Synoda Lehibe tany Toliara no nanapahana fa hohatevenina sy hohatsaraina izy.
  • 2003: latabatra boribory niarahan’ny FJKM sy ny Cevaa dia nanamafy io fanapahan-kevitra io.
  • 2004 : Nanamafy izany koa ny Synoda Lehibe tany Ambatondrazaka.
  • 2006 : Novambra 2006, SP 6/36 no namaly fa misy asan’ny Aumônerie any aminy na dia tsy misy rafitra mazava aza.
  • 2017: toy izao ny antontan’isa misy sehatr’asa

Fonja : 09, Hopitaly : 10, Sekoly : 04, Miaramila : 05, Orinasa : 5, SAFIFAA : 04, APU : 07, Marary Hoditra : 02, TPM : 04,

Ny asan’ny fandrindrana nasionaly

  • Famaritana sy fampiharana ary fanaraha-maso ny politika manokana amin’ny sehatr’asa rehetra
  • Manofana
  • Mijery sy manangona izay mety ho filàna sy fiahiana ara-panahy tokony ho atao.
  • Mitady mpiara-miasa sy mpanohana, na ny fandrindrana Nasionaly na ny sehatr’asa tsirairay.
  • Fampitam-baovao sy toro-hevitra
  • Fandaminana, fampandehanana ary fanaraha-maso ny asa manokana any amin’ny sehatra asa 12.
  • Fampahafantarana manerana ny SP38 ny fisian’ny « Aumônerie FJKM » sy ny asany.
  • Fanaovana tatitra any amin’ny rafitra sy ambaratonga mpiahy
  • Atoa RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera,  Mpitandrina,

    Mpandrindra Nasionalin’ny Asan’ny Aumônerie FJKM.

     E-mail : aumonerie.fjkm@gmail.com

    Tél : 034 39 516 27 – 033 41 584 59

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV