Foibe FJKM / Fanambarana Tolobidy.
FANAMBARANA TOLO-BIDY.
N° 001/2016 COCEJU 50-FJKM.
—————–
FANORENANA NY TSANGAMBATON’NY JOBILY FAHA 50 TAONAN’NY FJKM SY NY FAHA 200 TAONA NAHATONGAVAN’NY MISIONA LMS TETO MADAGASIKARA.
“Fananganana trano lehibe misy rihana ho an’ny efitrano fianarana sy trano lehibe misy rihana fonenan’ny mpianatra eny amin’ny kolejy teolojika ivato Antananarivo.
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA:
Soloin’ny komitin’ny Jobily dia, manentana ireo vonona hametraka tolo-bidy mihidy ho fanorenana sy ho fanatanterahana ny asa voalaza etsy ambony.
NY ASA DIA TOKANA ARY TSY ZARAINA; NY TOLOTRA DIA TSY AZO ZARAINA.
Ny Tolo-bidy sy ny andinidininy amin’ny teny frantsay dia azo jeren’ny mpifaninana rehetra amin’ny adiresy:
KOMITIN’NY JOBILY FAHA 50 TAONAN’NY FJKM SY NY FAHA 200 TAONA NAHATONGAVAN’NY MISIONA LMS TETO MADAGASIKARA.
Centre de Formation et de Développement FJKM.
CFD AMPANDRANA. (rihana faharoa).
Ireo mpifaninana dia tsy maintsy mampiseho karatra statistika sy ny nandoavana vola tsy miverina : lelavola Ar 200 000.
Ny fara-fandraisana ny atonta-taratasy dia amin’ny Zoma 27 janoary 2017 .amin’ny 10 ora maraina.
Hosokafana amin’ny 10 ora sy 15 mn io andro io ihany ny tolotra rehetra ka atrehan’ny mpifaninana na ny solontenany.
Ireo tolo-bidy tonga ao aorian’ny daty sy ora voalaza dia tsy azo raisina intsony.
Ny tolo-bidy dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny tolotra antoka ( caution de soummission)
Ny tolotra antoka dia antoka avy amin’ny banky na antoka manokana na iombonana araka ny modely hita ao amin’ny atontan-taratasy.
Ny fitsidihana ny toerana hanaovana ny asa dia tsy voatery atao.
Fanampim-panazavana:
Mailaka:
tél: 033 11 779 23 na 034 48 100 68
N° DE COMPTE BNI 00005 00001 145937 5 010 037
Antananarivo 6 Janoary 2017.
Ny nomem-pahefana,
Ny Komitin’ny Jobily.