Ny Teknolojia sy ny Baiboly .

Fahaiza-mitantana

NY TEKNOLOJIA AMPIHARINA AMIN’NY BAIBOLY

Mandroso tokoa ny teknika sy ny teknolojia ankehitriny. Ny teknika dia fomba hanaovana zavatra iray. Ohatra, teknika fandrahoan-kanina ny hatono, hendasina. Ny Teknolojia kosa dia fampiharana ireo fotokevitra ara-tsiansa ao amin’ny zavatra iray. Teknolojia momba ny haino aman-jery izao ny fahitalavitra “écran plat”, vokatry ny fikarohana hita hatreto.

FANONTANIANA

Ny Teknolojia dia iainana ankehitriny amin’ny sehatra rehetra, ary ny Fiangonana dia tafiditra tanteraka amin’izany. Fiangonana iray any Etazonia dia nahavatra nandrafitra andiam-panontaniana mihitsy, mba hijerena manokana ny Teknolojia.

Ireto ireo fanontaniana dimy (5) nataony. Voalohany, mitarika antsika handray sy hampiasa ny Teknolojia ve ny Fanahy Masina? Faharoa, inona ny tombontsoa na lesoka azon’ny Fiangonana raha mampiasa Teknolojia? Fahatelo, inona ny lazain’ny Baiboly amin’izany? Fahefatra, mitondra tombony ho an’ny asa andavanandro ve ny fampiasan’ny Kristiana ny Teknolojia? Ary fahadimy, afaka mitaiza sy mampianatra kokoa ve amin’ny Teknolojia?

TEKNOLOJIA MIVOATRA

Talohan’ny nahitan’i Johannes GUTENBERG ny Fanaovana printy (imprimerie) ny taona 1454, tany Mayence Alemaiña, dia natao sora-tanana ny fahazoana Baiboly. Mitaky 3-10 taona eo vao vita ny Baiboly iray. Hodi-biby no nanoratana azy tamin’izany. Efa Teknolojia nasolo ny Papyrus, izay karazana zozoro natao solona kahie io hodi-biby io.

Tamin’ny taonjato faha13 dia efa tongan’ny Arabo tany Eraopa ny taratasy, teknolojia vaovao hitan’ny Sinoa. Io taratasy io no nifanojo tamin’ny fahitana ny fanaovana printy tany. Efa maro koa ireo Kristiana no efa nandika ny Baiboly ho tamin’ny fiteny andavanandro. Pierre Valdo tany Italia dia efa nampanao izany ny taonjato faha 12. Nanohy izany ry Lotera sy ny Calvin ny taonjato faha 16. Teknolojia vaovao nenti-nanontana ny Baiboly izany no hita teo: taratasy, fanaovana printy. Haingana be ny fahazoan’ny olona ny Baiboly raha mitaha amin’ny dika tanana aman-taonany teo aloha.

Nampitombo ny hatsaran’ny kalitaon’ny fahalalana sy ny fiainam-panahin’ny mpino ny fananany Soratra Masina teny an-tanany. Niredareda ny faniriana ny Reforma teo amin’ny Fiangonana. Nifandray tsara tamin’ny teny filamatry ny Fiangonana Protestanta izany : Fiangonana reforme, mihavao hatrany. Ary tsaroana ny teny malaza nataon’i Karl Barth, Teolojiana miezinezina: “ny Tanana iray mitazona Baiboly, ny Tanana iray mitazona gazety”. Mpitoriteny mahara-baovao no sary tiany ampitaina teo.

TEKNOLOJIA ELEKTRONIKA

Mahomby tokoa ny Toritenin’ny Fiangonana, rehefa mahakasika ny fiainana andavanandro, sy ny zava-misy manodidina ny olona. Efa Teknolojia vaovao ankehitriny ny Baiboly amin’ny dika elektronika. Maro no maka feo ireny Toriteny sy Fampianarana ataon’ny Mpitandrina ireny, atao hoe MP3 izany. Misy ny mandrakitra izany mihitsy ho sary, ary atao hoe MP4 indray izany. Dia samy azo henoina sy jerena na aiza na aiza izany, ary azo ampitaina sy zaraina ho an’ny hafa ihany koa. Baiboly amin’ny dikanteny maro (frantsay, anglisy, hafa) dia samy azo ananana avokoa ao anaty telefaona na solosaina, izay efa karazana tranomboky mandehandeha.

Tokony ampitaina eto fa, na dia ireo fampianarana nataon’ireo olo-malazan’ny Fiangonana aza, dia efa raiketina amin’ny dika elektronika, mba hiparitahany eny an-tanan’ny mpikaroka sy mpino. Haingana sy mahomby kokoa ny fitoriana sy fitaizana ataon’ny Fiangonana, raha hainy ny manararaotra ny fisian’ireny Teknolojia ho fitaovana.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV