NY DIAN’NY MPIVAHINY TANY ISRAELY /Ny Jiosy sy i JESOA

NY JIOSY SY JESOA KRISTY

Ny Israeliana dia tsy mino an’i Jesoa ho Mesia . Mbola miandry ny fiavian’ny Mesia izy ireo. Noho izany ny lalàn’i Mosesy no ampihariny amin’ny fiainany ara- panahy izay ampifandraisiny amin’ny ara-nofo .

Raha araka ny resaka ataon’ny Jiosy dia mpanjaka no tokony hisehoan’ny Mesia fa tsy tahaka ireny fiainana nasehon’i Jesoa Kristy izay mifangaro amin’ny vahoaka ireny mivavaka amin’ny fitafy tsotra dia tsotra .

Manampy izany koa dia manelingelina ny mpitondra fivavahana Jiosy tony ny Fariseo na ny Sadoseo satria matahotra izy ireo fa haka ny toerany i Jesoa Kristy .

Tsara ny manamarika fa vitsy dia vitsy amin’ny Jiosy ihany no manaiky sy manara-dia an’i Kristy fa ny 98 isan-jato dia mbola miandry ny fiavian’ny Mesia .

Koa ny solontena tonga tao Israely sy ny kristiana erantany dia mivavaka sy hivavaka ho an’ny Jiosy mba hanekeny an’i Jesoa Kristy ho Mesia .

Ary rehefa tanteraka izany dia ho tonga ny farany ary hiverina ho tonga indray Jesoa hitsara ny velona sy ny maty …

Ireo Mpivahiny tany Israely ( Taona 2012 )

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV