Alahadin’ny FIFA 2021
FITANTANANA SY FANANANA
FANDAHARANA IOMBONANA
ALAHADY 14 NOVAMBRA 2021
Lohahevitra: “Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo”
● Fiarahabana Apostolika.
- Sal 108 : 1-5
- Hira :470.
● Vavaka fiderana.
● Sitrapon’Andriamanitra : Sal 112 : 5-9 “Sambatra ny mahitsy lalana …. “ Sal 32.(1-2)
- Hira : 480: 3
● Fifonana
● Hira 764 : 1-2.
● Teny famelan-keloka : Jer 31 : 3-4 + Jao 8 : 11b
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony ” Sal 119:(1-2).
- Hira : 480 : 1-2.
● Fanekem-pinoana Apostolika
● Raharaham-piangonana sy famakina ny hafatra FIFA Foibe.
● Rakitra : Antoko Mpihira na Sampana na Vaomieran’ny Fananana na Hira FF26
● Fanolorana ny rakitra – Hira 440 : 1-3.
● Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :
- Hira 786 :1
- Fotoana ho an’ny Tanora sy ankizy
- Hira FF.4 : 1
● Vavaka
● Vakiteny : Isa 30 : 18-22 ; Lio 6 : 43-49 ; Jak 5 : 7-11
● Hira FF.4 : 2
● Toriteny :
● Vavaka fangatahana + Rainay izay any an-danitra …..
● Asa Vavolombelona
- Hira 460 : 1 – 2
● Tsodrano : Fil 4 : 6-7.
- Hira 460 : 3 – 4
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
HAFATRA AVY AMIN’NY KOMITY FIFA FOIBE FJKM.
“Miorena tsara aza miova” (IKor 15.58b)
Ry Havamalala ao amin’ny Tompo,
Hampitomboina mandrakariva aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa nahatratra izao Alahadin’ny FIFA 2021 izao. Araka ny efa fantatsika, dia efa nivoaka ny vinan’ny FJKM ao anatin’ny 4 taona (2021-2025), dia ny hoe “VONTOSY FILAZANTSARA I MADAGASIKARA, FILAZANTSARA MANOVA TANTARA”.. Tapaka tamin’izany fa tsy maintsy manangana Vaomieran’ny Fananana ny isam-pitandremana, Synodamparitany;, ary Vaomiera mitsangana miasa fa tsy Vaomiera mipetraka.
Noho izany, isika Vaomieran’ny Fananana, dia :
- Mamantatra ny Fananana, azo etsehina sy tsy azo etsehina
- Miaro sy manoratra ny tany ho amin’ny anaran’ny FJKM
- Mampamokatra ny Fananana ho loharanom-bola maharitra
- Mijery toerana hambolena hazo hanajariana ny tontolo iainana, isaky ny Sekoly, Fitandremana, Fiangonana, Synodamparitany, sns …
Farany, dia mankasitraka, ny Fitandremana, Fiangonana, Synodamparitany sy ireo rehetra nanao rakitra, ary mandrisika antsika hatrany hanohana ny asan’ny FIFA.
Iangaviana isika rehetra izay nandrotsaka rakitra nefa tsy voasoratra mba hanatona aty amin’ny Biraon’ny FIFA, varavarana.601 ary ialana tsiny indrindra.
“Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra.” (I Tes 3.12).
Amin’ny anaran’ny Komity FIFA
Ny Filoha
RAKOTOARISOA Felix
Ny Tale
RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina
TORITENY ALAHADY FIFA 14 NOVAMBRA 2021
“ Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo ”. Jak 5:7-11
“Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ny Tompo” Jak 5:8
FAMPIDIRANA
Ny Epistily nosoratan I Jakoba dia sokajian’ ny mpandinika ho ao anatin’ny antsoina hoe Epsitily Katolika , izany hoe epistily tsy natokana na nalefa ho an’ny Fiangonana iray manokana , fa azo alefa sy azo hampiasaina hahakasika ny olona rehetra ,maneran-tany na aiza na iza toerana misy azireo, ary na hoviana na rahoviana ny vanimpotoana . Natao indrindra izy ity noho izany ho taridalana ho an’ireo mpino Kristiana hoe ahoana no hampiarana ny maha Kristiana amin’ny fianana andavan’andro, ao ohatra ny resaka fahendrena, ny resaka fakapanahy, ny fifandraisana ao ampiangonana eo amin ny mhanatra sy ny manankarena, ny asa sy ny finoana. Fa eto kosa dia mitoodika manokana ho an’ireo Kristiana azom-pahoriana ny Mpanoratra ny Epistily ka manambara fa “ “Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo ”.
Satria:
1-Fo mahery no hiandrasana ny Tompo
““Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo” Jak 5-:8 a
Ny faharetana ananan’ny mpamboly no zary natao fanoharana teto, izany hoe rehefa mamboly zavatra iray dia mila manana faharetana sy fikirizana vao mahazo vokatra tsara izay mahavoky sy mahafa-po ny mpamboly azy, ka tokony ho toy izany koa ny Kristiana na dia teo aza ny fanenjehana nataon ‘ny mpanakarena sy ny manampahefana romana tamin izany dia mahery sy tafatoetra ny fo, satria miandry miaraka amin I Jesoa .
Hitantsika rahateo izany ao amin’ny Lio 6.43-49 “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony”” (and 45 a), izany hoe ny fon ‘ny olona rehefa madio , dia monina ao Kristy , ary dia mahery izany fony izany eo ampiandrasana ny Tompo Jesoa ilay Mpamonjy sy Mpanafaka azy.
Ry Havana, Alahadin ny Asa Fitantanana Fananana anio manerana ny sahan ‘ny FJKM tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany mihintsy. Mila fo mahery sy faharetana ny fanoratana ireo fananana ireo ho ara-dalana amin’ny Anaran’ny FJKM ka aza kivy na sendra misy aza ny sarotra sy ny fahasahiranana na fandaniambola vao vita izany, dia ho vita izany rehefa ny Tompo no andrasantsika.
Fa tsy vitan’ny hoe Fo mahery ihany no hiandrasana ny Tompo, fa Tafatoetra koa ny fon’izay miandry ny Tompo satria
2- Efa akaiky ny fiavian’ny Tompo
“efa mby akaiky ny fihavian’ny Tompo” Jak 5:8 b
Ny miandry zavatra iray hitranga na hidona tokoa mantsy dia samy afaka manao izany ihany ny maro, fa rehefa injay kosa anefa izany efa ho lava tahaka ny afon’Antongona dia ketraka ny maro, mitebiteby ny betsaka ary maro aza ny fo manjary misamboaravoara , ka maro no tapaka lalandrà sy marary fo sns. Fa isika Kristiana kosa ry havana dia mino sy manantena fa efa akaiky ny Tompo, ka na dia ny Malagasy aza dia nahalala fa « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa , andriko ihany « « .
Manamafy izany fahasambaran’ny miandry ny Tompo rahateo Isaia Mpaminany araka izay hita ao amin’ny Isa 30.18-22, izay milaza fa : « Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.» Isa 30.18 izany hoe tafatoetra sy sambatra isika eo ampiandrasana ny famonjena sy fiverenan’i Kristy indray eny amin’ny rahon’ny lanitra ho famonjena sy fanafahana izao tontolo izao , indrindra isika Kristiana izay minon ny Tompo Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy antsika.
Ry Havana, ny maha akaiky ny fihavian’ny Tompo izany indrindra no tokony hiasantsika bebekokoa , hampiasa ny fananana mba hambolena hazo na zavamaniry hafa ho fanatsarana ny tontolo iainan’ny Fiangonana na Sekoly na tokatrano na fiasana misy antsika ka ho hitan ‘I Jesoa Tompo fa nambolena ny talenta izay nomeny antsika, ary anatin’izany ny fananana fa tsy nalevina akory sanatria.
FAMARANANA
Koa andeha ary isika hatoky fa “ “Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo ”. ka fo mahery no hiandrasanbtsika ny Tompo fa tsy monomonona sy hakiviana akory sanatria, , ary hievitra mandrakariva Efa akaiky ny fihavian’ny Tompo , ka afaka miandry izany amin’ny fo tony sy tafatoetra isika.
RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina.
Tale Fitantanana Fananana , Foibe FJKM
RAKITRA 2020 .01 AFOVOANY ANDREFANA | ||
Antanimarina Fiderana | 16 800 | |
SP.05 AMBATONDRAZAKA VAOVAO | ||
Andilanomby Firaisana | 4 700 | |
SP.06 AMORON’I MANIA AMBOSITRA | ||
IMERINA | 21 000 | |
SP.10 ANTANANARIVO ANDREFANA | ||
Anosizato Hebrona | 289 000 | |
Ambohijatovo Fitiavana | 50 000 | |
Kristy Fanantenana Antohomadinika | 259 200 | |
Ambohijafy Fanantenana | 40 000 | |
SP.11 ANTANANARIVO ATSIMO | ||
Ambohimiandra | 130 800 | |
Ambatolokanga Fahazavana | 10 000 | |
Avaratsena Fanantenana | 18 300 | |
SP.12 ANTANANARIVO ATSINANANA | ||
Tranovato Faravohitra | 610 700 | |
Anonimasina Ziona | 86 600 | |