Talata 13 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo Apokalypsy 3.1-6

Anankiray  amin’ny taratasy fito  nalefa  ho an’ny fiangonana fito   no hita eto . Ny  fiangonana tany Sardisy  no nomena  azy . Milaza  ny olona  maty  fahavelony  , izany hoe: manondro  ireo manaram-po  amin’ny fanaovan-dratsy  ny taratasy ka mitarika azy hanorina  izay sisa tsy  maty .

1-Sarobidy  ny fihaonana tamin’ny  Tompo 

Izay  efa  nihaona  tamin’ny Tompo  dia nesoriny  tamin’ny fahalotoana tanteraka . Toy ny olona nanasa ny akanjony  mba ho  fotsy  sy madio  izany  . Paoly Apostoly  , rehefa  niova  fo  dia mitondra anaram-baovao  , nasehon’ny  Tompo azy ny fahefany   aminy   ary  lasa mpanompon’ Andriamanitra  na dia efa nanenjika  ny  mpianatry ny  Tompo  aza. Voaova  ho olom-baovao  izay  manatona sy  mibebaka  marina  eo  anatrehan’ Andriamanitra . Aoka  isika  hanome  lanja  ny  andro  nanavaozan’ny Tompo ny fiainantsika sy nanekentsika  ho tia sy hanompo  Azy .

2-Mampahery  ny fiaraha-mandeha  Aminy  

Miara-mandeha amin’ny Tompo  mitafy  lamba  fotsy  ireo  tsy  nandoto  ny fitafiany  . Hiara-mandroso   amin’ireo  koa isika  raha  maharesy  ny fitaoman-dratsy  sy ny fakampanahy alefan’ilay ratsy  handotoany  antsika . Voasoratra  anarana  eo  amin’ny bokin’ny  fiainana  izay vita  fihavanana sy efa miara-mandeha  amin’ny Tompo . Mampahery  antsika  hanatona   hodiovin’ny Tompo  amin’ny Rany  mba hahazo  famelan-keloka sady  hotantanany  amin’izay  hatao . Mivavaka sy   manao   ny sitrapon’ny Tompo  ny mpanompony ka ho  hita   ho vavolombelon’ny finoana Azy .

Fanontaniana:Tsapanao  ve  izay  zava-mahagaga nataon’ny Tompo   teo amin’ny fiainanao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV