FOIBE FJKM / Fisintonana Taombaovao 2018.

FITSANGATSANGANAN’NY MPIASAN’

NY FOIBE FJKM 2018.

CAFE D’AMPASIMBE

Toy ny fanao isantaona dia nifamotoana ny fianakaviamben’ny FOIBE FJKM ny Sabotsy 03 Martsa 2018 , tao amin’ny tany malalaky ny « Café d’Ampasimbe », toerana fandraisam-bahiny sy fampisakafoana amin’ny lanonana sy fety isan-karazany . Marihana fa an’ny zanaky ny FJKM io toerana nilasiana io , ka naneho ny hafaliany tokoa izy teo am-pandraisana ny mpiara-manompo .

IREO TONGA TANY AMPASIMBE

Tonga nanatrika io fotoana io  ny Mpikambana ao amin’ny BMF notarihan’ny Filohan’ny FJKM mianakavy , ny mpanatanteraka rehetra notarihan’ny Sekretera Jeneraly mivady ,ireo Tonian’ny Departemanta , ny Tomponandraikitry ny Sampana sy Sampanasa ary Asa ombam-bady aman-janaka , ny Masera MAMRE, ny SAF , ny  mpiasan’ny Famoahamboky ANTSO , IMARIVOLANITRA , ARSIVA ….

Nampiavaka ity fotoana ity koa ny nanatrehan’ny solotenan’ny CWM izay  mamangy an’i Madagasikara tamin’io fotoana io , izay nampiseho ny hafaliany sy ny fahagagany  amin’ny fomba fampitana ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fomba maro samihafa ka nolazainy fa hozarainy any amin’ny tany niaviany koa izay rehetra hitany teto amintsika .

FANOMBOHANA sy FITSINJARANA

Taorian’ny Fanompoampivavahana fanokafana notarihan’ny Mpanampin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny fanazavana ny Mofonaina mahakasika ny lohahevitry ny volana Martsa « Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo » dia natao ny fitsinjarana ny olona rehetra ,arakaraka ny sokajy misy azy sy ny taonany  ka ny  zaza sy ny ankizy dia nitokana niaraka tamin’i Pasteur FARAFANJA ,Talen’ny Arsiva ; ny tanora sy ny zatovo kosa   niaraka tamin’i Pasteur DYNA , Tonian’ny Dorkasy . Ny ambiny  dia noraisin’Andriamatoa Filohan’ny FJKM ny  fanentanana niompana amin’ny « Fampihavanana sy ny Fibebahana » .

FIZARANA HO TARIKA

Natsitokotoko ny olona izay nahitana tarika 8isa . Samy nomena fanontaniana iombonana : Inona marina ny atao hoe : fibebahana sy ny fisehon’izany eo amin’ny fiainana maha-kristiana ? Samy nanao ny tatitra avy ny isan-tarika namintinana ity lohahevitra mafonja ity . Rehefa izany dia nomena asa atao ny isan-tarika mba haneho io lohahevitra io ihany amin’ny alalan’ny Tononkalo na Hira fohy arahim-pihetsika na amin’ny alalan’ny Kabary , na Epistily voasoratra .

Nahafinaritra sy namelona fanahy tokoa ny lalao satria hafaliana sy hehy no nameno ny fotoana . Tafita ny hafatra satria  tafalatsaka anaty ny Tenin’ Andriamanitra , samy naneho ny fahavononany hankato izay nampitain’ny Fanahy masina taminy ny rehetra .

Ny ampaham-potoana manaraka dia nifampizara indray arakaraka izay mahametimety aminy : tao ny nanao Alavonkina mirindra , dihy tsotsotra ho fanetsehana ny vatana efa savolain’ny asa aman-draharaha notarihan’ny efa matihanina amin’izany .Ny zatovolahy sy ny tanora kosa dia nirohotra any amin’ny lalao baolina (foot , basket …). Nafana ny lalao satria dia notapahina fotsiny rehefa tonga amin’ny famaranana .

 

FISAKAFOANA

Ny sakafo  moa dia niombonana ny Laoka ( Sosisy sy petit pois) , fa ny Vary sy ny pitsipitsony no samy nitondra ny sahaza azy ny fianakaviana tsirairay . Taorian’ny sakafo dia raikitra indray ny fampisehoana KARAOKE , ny hira sy dihy efa nampiomanana ny Departemanta sy ny Sampana ary ny sehatra asa .

Rehefa tonga ny tamin’ny 3.30 mn dia samy nikenokenona ny hitodi-doha hody ny ankohonana satria efa niantrana ireo fiarabe hatramin’ny 10 isa nitatitra ny fianakaviamben’ny FOIBE FJKM .

TOETRANDRO

Amin’ny ankapobeny dia tsara ny andro na dia nisy erikerika madinidinika ihany izay tsy dia nahavanona loatra . Feno fankasitrahana ny Tompo ny sokajin’olona samy hafa tonga tao Ampasimbe .

Dia ho amin’ny taona ho avy indray ny fotoana manaraka raha sitrapon’ Andriamanitra.

Sahondramalala Vololona

AFIFAB/ Site web

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV