Tatitra / Fanokafana ny Taompiasana 2018.

 

Tontosa soamatsara  ny Alahady 21 Janoary 2018 , nanomboka  tamin’ny 10 ora sy sasany maraina  teo amin’ny Kianjaben’Imahamasina  ny Fanompoampivavahana fitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mivady sy ny ankohonany ary ny Taom-piasana  2018. Feno hipoka ny kianja na dia nijojo tsy nanam-pijanonana aza ny orana teto an-drenivohitra .

Nitarika ny fotoana , ny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis, Filoha Mpanampin’ny BMF /FJKM . Namaky ny Teny avy ao amin’ny Soratra masina sy nitari-bavaka ireo mpikambana ao amin’ny Birao Foibe sy ny Mpanatanteraka .

Nitory ny Tenin’ Andriamanitra    kosa ,  ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy ,Mpanolotsaina BMF FJKM  izay nalaina avy  ao amin’ny bokin’ny Joda and 24-25 : Jesoa no miaro anao tsy ho tafitohina ary Jesoa no mametraka anao tsy hanan-tsiny  anoloan’ny voninahiny  . .

Nilaza ny vaovao tsara ho fantatra ny Sekretera Jeneraly :

Hisy ny Synodam-pinoana hotanterahina amin’ity taona 2018 ity  : 15-18 Mey 2018 . Ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny ivon’ny faha- 50 taona kosa dia hatao any Toamasina  ,ny volana  Aogositra , sy ny famaranana eto Antananarivo . Hampiavaka ihany koa ity taona ity ny fihaonamben’ny zanaky ny Mpitandrina (26-28 Sept ) , fiofanan’ny Katekista , ny SAFIF , ny Diakona .

Nandray anjara fitenenana ny Filohan’ny Komitin’ny faha-50 taona FJKM, Andriamatoa Ravalomanana Marc izay niarahaba ny rehetra sady nanentana no nanome toky ny vahoaka kristiana , fa ho vita ny trano lehibe handraisana ireo mpianatra Mpitandrina ho fanampiny amin’ny efa misy  , tsangambaton’ny fankalazana  .

Nandray fitenenana ihany koa ny Filohampirenena Rajaonarimampianina Hery ka niarahaba sy nirary soa ny Filohan’ny FJKM mianakavy miatrika ny « famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara » . Naneho ny fahavononany izy hanampy izany tetikasa lehibe izany .

Nandray fitenenana farany ny Filohan’ny FJKM , ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi .Nampahery sy nampionona ny vahoaka izy noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA farany teo . Nisaotra sy nankasitraka ny mpino FJKM noho ny faharetana sy fiaretana izao ora-mikija izao  izay tsy nahasakana azy ireo tsy hiombona tao anatin’ny Fanompoampivavahana.

Hafatra miisa 10 no nomeny hosaintsain’ny mpino FJKM.1-Ivelomy ny taon-jobily (Lev 25.11).2-Karakarao ny tantara (Eks17.14).3-Tohizo ny Tafika masina .4-Mazotoa mifandray amin’ny Soratra masina  ( Jao 15 ).5-Ny Mpandray :  tongava manatrika ankatoka .6-Tsarovy ny synodam-pinoana.7-Andao hidera ny Tompo .8-Mahereza manefa ny adidy.9-Mijoroa ho fanasin’ny tany .10- Aza menatra ny hanao politika  (Estera 8.6).

Antso atao amin’ny kristiana mahatsiaro ny antson’ Andriamanitra  mba hirotsaka handray andraikitra eto amin’ny firenena , mba hanao ny adidy handeha hifidy izay olona matahotra an’ Andriamanitra Ray,  Zanaka ary Fanahy Masina . Tsy hanaiky hozarazarain’ny loko  politika . Fa isika rehetra dia mba ho tena kristiana velona , kristiana vanona ary kristiana vonona .

Ny tolakandro dia mbola nisy ny fampisehoana nataon’ireo mpanankanto voafantina niara-nidera sy nanome voninahitra ny  Tompo .Ny lahateny dia nofaranana tamin’ny Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Taompiasana 2018.Sary teny Imahamasina ( 21 01 18)

An’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Nangonin- dRamatoa Sahondra Rabelison 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV