Fahasalamana / Momba ny Aretim-po

 

…  INONA NO NAHASITRANANA ILAY ARETIM-PO ?

Na eo amin’ny thrombose coronaire, na eo amin’ny angine de poitrine, ny mahatonga ny fahasitranan’ilay fo narary dia avy amin’ny “fanorenana” eo amin’ny “lafiny akaiky”. Rehefa tonga tery ny làlan-dra amin’ny fo, na tonga tsentsina, ny làlan-dra eo akaiky kosa dia mihalehibe, ary misy sampana vaovao miforona hitondra ny ra ilaina ho any amin’ireo toerana manodidina ilay làlan-dra eo akaiky ireo. Io fanafody nanahary mahagaga io no namonjy ny ain’olona an’arivony tsy hita isa ary nahatonga an’ireny olona ireny hanana taona maro mbola hifaliana sy hahavitana zavatra betsaka sy mahasoa.

FAMANTARANA SY FANAIRANA MOMBA NY ARETIM-PO

Na dia ny 80 % amin’ny marary fo rehetra aza no mbola mety ho velona aorian’ny “attaque” voalohany mahazo azy, dia mety ho azo antoka kokoa izany raha mba fantatra mialoha ny aretina. Ireto misy famantarana fanairana izay tokony hodinihina tsara, na dia mety tsy ho aretim-po mandrakariva aza ny dikany.

  • Ny fahasemporana raha vao misy zavatra mafimafy atao. Ny mahatonga izany matetika dia avy amin’ny fihandronan’ny ra ao amin’ny avokavoka, ary mitranga rehefa ilay ilany havia amin’ny fo malefaka no tsy mahatosika ny ra rehetra voarainy avy amin’ny ilany havanana ka nandalo tao amin’ny avokavoka.
  • Fahatsiarovana fahaterena sy maharary ao amin’ny tratra ary mifanitsy indrindra amin’ny fanezahana mafy na avy amin’ny fahataitairana.
  • Fivontosana eo amin’ny tongotra sy ny hato-tongotra. Rehefa mihamalefaka ny fisosan’ny ra araka izay tokony ho izy, dia misy ranon-javatra mihandrona any amin’ny nofo ka mahatonga ny fivontosana, ary mora hita faingana avy hatrany ireny, noho ny fahalaviran’ny tongotra sy ny hato-tongotra amin’ny fo.
  • Fahasasarana tsy tokony hitranga. Raha mahatsiaro sasatra mafy ianao, nefa tsy dia nanao zavatra mafy na inona na inona mihoatra noho ny isan’andro, dia mety ho famantarana izany fa manana tosidra ambony ianao, na manana fo tsy salama.

Misy famantarana hafa koa, tahaka ny tsy azoazo be ihany, ny fenofeno be ihany rehefa avy misakafo, ny tsi-fahalevonan-kanina tsy mitsahatra, ny tsy mahita fahatoniana, ny tsy mahita tory.

Na dia hoatry ny hafahafa aminao aza, ny fo toa mitsambikina, mitoto-vary, mitepotepo, da tsy mba heverina mandrakariva ho famantarana aretim-po ireny. Nefa rehefa misy toa aretim-po ahiahianao, dia aza variana amin’ny fisotroana fanafody fanatanjahana, na fanatoniana, fa mandehana manatona dokotera. Mety hamonjy anao tsy ho tratry ny attaque izany, ary mety hanafaingana koa ny fanasitranana anao.

NY ANTONY LEHIBE INDRINDRA MAHATONGA NY ARTERIOSCLEROSE

Ny toko fahefatra momba ny artères coronaires dia mampiseho fa mahatonga an’ity aretina atao hoe artériosclérose ity dia avy amin’ny firaiketan’ireo karazan-tavin-javatra eo amin’ny làlan-dran’ny fo. Ny dikan’ny hoe artériosclérose dia hoe mihamafy sy mihahenjana ny artères ary io no mahatonga ny 99 % amin’ny aretin’ny artères coronaires rehetra.

Ary rehefa nodinihina indray dia ny 70 % amin’ny karazan-tavy mipetaka amin’ny làlan-dran’ny fo dia avy amin’ilay antsoina hoe Cholestérol. Araka ny famakafakana nataon’ny mpandinika dia avy amin’ny tavin-kena hanina no mahatonga an’io cholesterol io ho betsaka ao amin’ny ra.

Sivifolo taona lasa izay, ny tavin-javatra hita teo amin’ny sakafon’ny Amerikana dia 30 % amin’ny kaloria teo amin’ny zavatra nohaniny. Ankehitriny dia tafakatra ho 50 % io tarehimarika io, ka dia nisondrotra arak’izany koa ny aretim-po.

Any Japon dia vitsy dia vitsy ny isan’ny marary fo. Teo amin’ny tanàna nisy mponina roa tapitrisa dia olona 14 ihany no voalaza ho matin’ny aretim-po tao anatin’ny dimy taona. Ny sakafon-dry zareo Japoney dia saika vary, hazandrano ary Soja, ary ny 12 % ihany no tavin-javatra.

Ny isan’ny matin’ny aretim-po tany Norvège, Suède, Danemark ary Finlande dia nitovitovy tamin’ny any Amerika Avaratra ihany raha atao ara-keviny. Nefa nandritra ny Ady lehibe faharoa dia voalanja sy voafetra ny fahazoana tavin-javatra. Vita ny ady dia nisy indray ny tavin-javatra, ka niverina koa ny aretim-po.

Nangonin’i RA. M.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV