Aumônerie FJKM / Fihaonambe 2017 .

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » II Tim 1:8a « Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko » Matio 25:40.

 

FIHAONAMBEN’NY AUMONERIE FJKM

Fanaontsika isaky ny roa taona ny FIHAONAMBEN’NY AUMONERIE FJKM, araka izany dia hotanterahina any MAHAJANGA izany, ny 23, 24, 25, 26 Novambra 201ho avy izao.

Hiavaka io fotoana io ry havana, satria io koa no hataontsika ho IVON’NY FAHA 10 TAONAn’ny Fandrindrana Nasionaly ny Asan’ny Aumônerie FJKM.

Noho izany, dia fifaliana lehibe ny hanasana antsika Aumôniers FJKM rehetra, Komity isaky ny sehatra Asa, sy Komity eo anivon’ny Synodamparitany, mpanohana ny Asan’ny Aumônerie rehetra, ary solontena isaky ny Synodamparitany mbola tsy misy Aumônerie, mba hamonjy izany fihaonambe izany.

Toy izao ny fandaniana isam-batan’olona mandritra ny fihaonambe :

  • Saran-dasy : 45 000 ariary
  • Bokim-piofanana : 10 000 ariary
  • Saran-dàlana, Antananarivo-Mahajanga : 60 000 ariary (mandroso sy miverina). Miainga eny amin’ny Chapelle HJRA ny 22 Novambra amin’ny 08 ora maraina
  • Ny sakafo an-dàlana sy ny fivezivezena ary ny samihafa ilain’ny mpamonjy fihaonambe dia entanina ny isaky ny sehatra sy ny Synodamparitany mba hanohana azy ireo
  • Hisy koa Polos ny fahafolo taona izay amidy 12 000 ariary, ary T-shirts tsara kalitao izay amidy 35 000 ariary.

Ireto avy kosa ireo omanintsika ilainy any amin’ny fihaonambe :

  • Fampirantiana ny asa any amin’ny sehatra asa
  • Lay sy lamba firakotra
  • Fanafody, indrindra ho an’izay manana areti-mitaiza
  • Kahie sy Stylo
  • Baiboly sy Fihirana
  • Rakitra sy ezaka ho fandraisana anjara amin’ny faha 50 taonan’ny FJKM sy ny faha 200 taona nidiran’ny LMS

Iangaviana isika mba handefa mialoha na hiantso an-taroby aty amin’ny Foibe Aumônerie ny lisitra sy ny isan’ny mpamonjy fihaonambe isaky ny Synodamparitany, ary koa ny lisitr’ireo Aumôniers sy Komity rehetra miampy ny taona niasany tany amin’ny sehatra asa misy antsika tsirairay avy, mialohan’ ny faha 15 Novambra 2017.

Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo, sady manantena ny hahavory lanona antsika rehetra, ho Voninahitr’Andriamanitra !

Ny Filoha : RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina

Ny Mpandrindra Nas. :RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera Mpitandrina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV