Fiang / Raharaha sarotra !

Ny fandaminana ny raharaha sarotra
ao amin’ny Fiangonana.

Hoy ny Ntaolo hoe: “ny tanàna tsy ilaozan’adala” dia toy izany ihany koa ny Fiangonana tsy ilaozan’izay olona loharanom-pikorontanana. Ny famahana ireny endri-pikorontanana (raharaha sarotra) ireny no horesahina manokana eto.

Tsy izay korontana mitranga akory dia ambara ho raharaha sarotra fa ny Foto-dalana sy fitsipika (FDF) dia mamaritra azy araka ny andininy faha 382 hoe :

« Ny atao hoe raharaha sarotra ao amin’ny Fiangonana dia ny raharaha ateraky ny tsy fanarahana sy tsy fanajana ny Fotodalàna sy ny Fitsipiky ny FJKM sy ireo Fitsipika Anatiny samihafa izay nankatoavin’ny Ambaratongan-drafitra mpiahy, tsy fanajana sy tsy fanarahana izay miseho any anivon’ny Fitandremana, Synodamparitany, Mpiandraikitra Foibe ary ireo Sampana sy Sampanasa ary Asa, ka miteraka disadisa na korontana ato amin’ny Fiangonana. »

Raha atao indray milaza izany dia ireo tsy fanajana ny FDF sy tsy fankatoavana ireo fitsipika nankatoavin’ny ambaratongampitondrana sy ny ambaratongandrafitra, ka miteraka disadisa sy korontana no antsoina hoe : raharaha sarotra. Tsy maintsy ho mahafantatra ny FDF sy ireo fitsipika samihafa manan-kery ao amin’ny fiangonana ny Fiangonana mba hahazoany mamaritra ilay tranga ho raharaha sarotra. Saingy firy amin’ny Fiangonana no manana ny FDF eo an-tànany? Noho izany, ny fototry ny raharaha sarotra dia miandoha eo amin’ny tsy fahalalana ny FDF mihitsy, dia ilay FDF ifanafatrafarana mba tsy ho ady no hiafarana.Saingy raha misy tsy filaminana dia miverina mampahatsiahy ny Soratra Masina ny Fiangonana mba handaminana ny raharaha.

Ao amin’ny famaritana ny foto-kevitry ny raharaha sarotra dia voalaza ny anjara toeran’ny Soratra Masina mba hisian’ny ho filaminana sahady raha toa ka takatry ny Fiangonana araka izao voasoratry ny FDF izao : « Izany fandaminana izany dia aompana amin’izay voalazan’ny Tompo ao amin’ny Matio 7, 1 manao hoe :  » Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo « sy izay nambaran’ny Apostoly Paoly ao amin’ny I Kor. 6, 1 manao hoe : » Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina « sy ny I Kor. 6, 5 hoe : »Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay tsy misy olon-kendry aminareo na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny ? »

Ny fampiharana ireo teny ireo dia ankinina amin’izay voasoratra ao amin’ny Mat. 18, 15 – 17 hoe : »

 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao ; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny Fiangonana ; ary raha tsy mety mihaino ny Fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. « 

Napetraka mba hisahana ny filaminana ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Fiangonana (FIFAFI) sy ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Mpitandrina (FIFAMPI). Eo amin’ny ambaratongan-drafitry ny Synodamparitany sy ny Foibe no ajoro izany. Koa mba hisian’ny fahaleovan-tenan’ireto mpandamina dia noferana tsy ho mpikambana ao anatin’ity FIFAFI sy FIFAMPI ity ireo olona manana andraikitra eo amin’ny Biraon’ny Ambaratongam-pitondrana.

Masimandidy amin’ny fandaminany ny olony ny Fiangonana mba ho fampanajana ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Noho izany, tsy eken’ny Fiangonana ny hitondra ny tsy filaminany hotsarain’ny fitsarana
na haelin’ireo fitaovan-tserasera.

Hoy indrindra ny andininy faha 383 sy 384 momba izany :

And. 383 . Ny raharaham-piangonana sarotra momba ny fandaminana sy fitantanan-draharaha ary ny Fotodalàna mbamin’ny fanapahan-kevitr’ireo Ambaratongan-drafitry ny FJKM dia tsy azo entina any amin’ny Fitsarana ara-panjakana. Izay minia mitondra izany any amin’ny Fitsarana ara-panjakana dia efa manala ny tenany tsy ho FJKM.

And. 384 : « Ho fitandroana ny voninahitr’Andriamanitra sy ny hasin’ny Fiangonana dia tsy azo avoaka amin’ny fitaovam-pilazam- baovao ny raharaham-piangonana sarotra. Izay minia mbola manao izany dia manala ny tenany tsy ho FJKM. » Fa rehefa mandamina ny raharaha sarotra ao aminy ny Fiangonana dia ataony ho zava-dehibe ny fialana nenina hahazoana manitsy ny meloka, ka hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitry izay Tompon’ny Filaminana fa tsy ny fikotranana.

RASORAPIANGONANA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV