Fantaro ny FJKM !

 

Ity andian-dahatsoratra “soraty ho soratra ny fiangonana” ity dia natao indrindra ho fampahafantarana ny hafa ny antsoina hoe FJKM. Ny voalazan’ny Foto-dalana amam-pitsipika (FDF) no maso ampitana izany. Tsy natao hamoaka ny hevitry ny FDF tsy akory izy satria fahefan’ny Mpiandraikitra Foibe irery ihany no mamoaka ny hevitry ny FDF ( and. 24). Koa  irosoana hatrany ny mampahafantatra ny tantaran’ny FJKM izay feno 50 taona izao ny nandraisany io anarany io.

Eo ambonin’ilay tohatohabaton’ny mpanenjika sady nikasa hamongotra azy no miorina ny FJKM, araka ny FDF and.2 : “Ao amin’ny Trano Ifanomezantsoa, lot II B 18 Tohatohabato Ranavalona I, Analakely,
ANTANANARIVO 101, no foiben-toerany, nefa azo afindra izany raha ilaina.”

Toy ny Fiangonana rehetra dia manana ny finoany manokana ny FJKM araka izay namaritany azy ao amin’ny andininy fahatelo ao amin’ny FDF hoe:

 Ny FJKM dia mino sy manaiky :

1. Ny maha-Andriamanitra Tokana ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
2. Ny maha-Andriamanitra ny Ray Mpahary izao rehetra izao,
3. Ny maha-Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao,
4. Ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina,
5. Ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany
fitarihan’ny Fanahy Masina no raisiny ho loharano sy fitsipiky ny finoany sy ny fiainany,
6. Ny Sakramenta roa (2) : ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. ”
Izany finoany izany dia taratra ao anatin’ny fanatanterahany ny fanambaram-pinoana ekeny, izay voatanisa eo amin’ny FDF andininy fahefatra hoe:

“ Ireto manaraka ireto ny fanambaram-pinoana tanan’ny FJKM :

1. Ny Fanekem-Pinoana Apostolika
2. Ny Fanekem-Pinoan’i Nikea-Kônstantinôpla,
3. Ireo Fanekem-Pinoana araka ny Soratra Masina, hita ao amin’ny Litorjian’ny FJKM
4. Ireo Fanekem-Pinoan’ny Fiangonana Reformée eken’ny Alliance Réformée Mondiale ka
mifanaraka amin’ny Soratra Masina
5. Ny Fanambaram-Pinoana ekiomenika ka eken’ny Conseil Œcuménique des Eglises,na ny Conférence des Eglises de Toute l’Afrique, na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ka mifanaraka amin’ny Soratra Masina

6. Ny Fanambaram-Pinoana ataony araka izay ilàna izany, miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Finoana tsy arahina asa dia zava-poana. Koa eo anatrehan’izany, ny Fiangonana dia manana ny adidiny
izay anehoany ny asa manokana izay raisiny ho anjarany araka izay voafaritra ao amin’ny FDF andininy fahafito sy fahavalo araka izao:

 Ny FJKM dia mandray ho adidiny :
1. Ny manambara fa Jesoa Kristy no Tompo Tokana Mpamonjy izao tontolo izao
2. Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy ny asa ary amin’ny fiainana rehetra
3. Ny mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo.”

Ny adidiny dia tanterahiny amin’ny alalan’ny :
1. Fanompoam-pivavahana,
2. Fampianarana ny Tenin’Andriamanitra,
3. Fanolorana ny Sakramentan’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo,
4. Fanaovana Tafika Masina sy famoahana demonia ary fanasitranana marary,
5. Fanabeazana ny Fiangonana sy ny olona tsirairay
6. Fanabeazana amin’ny alàlan’ny Sekoly
7. Fampielezana boky aman-gazety kristiana sy fampiasana Haino Aman-Jery
8. Fijoroana ho vavolombelon’i Kristy eo anivon’ny fiaraha-monina
9. Asa fanaovan-tsoa mifanaraka amin’ny fiainana kristiana ary ny asa rehetra tsy mifanohitra amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy
10. Famangiana tokantrano: Eo anatrehan’ireo anjaran’ny Fiangonana dia ny olon’ny FJKM tsirairay no manao tombana raha mahavita
ny anjarany izy na tsia.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV