Alarobia 19 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Lioka 16.9-13

Iraka mahatoky

Manomboka  eo amin’ny  toko  15 sy ny toko 16 dia fanoharana no nentin’i Jesoa  nampita  ny fampianarany amin’ny mpianany . Nirahina  hitory  ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny mpianatra ka ilaina  ny hanana toetra mahatoky .

1-Amin’ny kely indrindra

Mila iraka mahatoky i Jesoa ka manafatrafatra ny mpianatra mba ho azo  hitokisana amin’ny zavatra kely indrindra . Zava-dehibe no miandry   ny olona irahina hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra. Raha tsy mahatoky  amin’ny fitantanana ny haren’ny tany izy dia tsy ho azo irahina sy anankinana ny fitantanana  ny harena  sy  ny fananana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Toetran’ Andriamanitra  ny mahatoky araka ny hitantsika tamin’ny mofonaina nandritra ny volana Janoary . Tiany hanana izany toetra mahatoky izany koa isika izay manaiky ho irany.

2-Amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra. 

Mila iraka tokam-po  amin’ny fanompoana Azy  i Jesoa . Tsy  afaka ny hisahana zavatra roa indray miaraka avy hatrany  ny olona ka izany  no nitenenan’ny  Tompo  fa tsy  afaka ny ho  sady  hanompo  ny vola aman-karena isika no hanompo an’ Andriamanitra koa. Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo . Noho  izany  dia manao ho laharam-pahamehana  ny fanompoana  an’ Andriamanitra sy ny iraka ampanaovin’ny  Tompo  azy .

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fitantanana  ny fananana sy ny volan’ny sampana amin’ny fiangonana misy anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV