Fiainam-pirenena / Fampandrosoana

NY FAMPANDROSOANA ATAON’NY KRISTIANA

Efa mandroso ary lasa lavitra kokoa ankehitriny ny fampandrosoana ataon’ny Fiangonana sy ny Kristiana. Fa izay tsy mbola mampiombon-kevitra koa dia mbola misy momba io Fampandrosoana io.

1.FIJERY MAHAZATRA

Nahazatra hatramin’ny taonjato faha 19 ny fampiasarahana ny ara-panahy sy ny materialy. Tsy navela hifandray mihitsy ireo, ary ireo tompon’andraikitra ara-panahy sy ara-nofo dia samy tsy nahazo nifampitsabaka ihany koa. Ny Pasitera, ohatra, dia nahazo tsiny mafy tamin’ny mpiara-belona sy ny mpiara-miangona, raha nandray andraikitra hafa noho ny ara-panahy io. Ny hafa indray dia voavely mafy ho mitsabaka any amin’ny sehatra tsy azy, rehefa miditra any amin’ny ara-panahy.
Koa raha hitondra fampandrosoana, dia ny sehatry ny materialy sy ny sosialy no tena iantefan’ny fijery eo. Ohatra, mandroso ny Radio fahazavana satria nahazo fitaovana manaraka ny teknolojia moderina. Olo-mandroso ity olona ity, satria niakatra hatramin’ny 5000 ar isanandro ny vola matiny, fa tsy 2000 ar toy ny teo aloha intsony.

2.FAMPANDROSOANA MANOVA

Io fijery ny momba ny Fampandrosoana mahazatra io no ilaozana, ka itenenana indray ny Fampandrosoana manova. Fijery manontolo (holistika) io, fijery bolongany fa tsy misaratsaraka sy samy maka ho azy. Ny olona manontolo (fiainana materialy, sosialy, psikolojika, fanahy,…) no jerena fa tsy tontolo iray fotsiny. Io fijery teo aloha mampisaratsaraka io, no anisan’ny fototra lehibe nanimba ny olona sy izao tontolo izao mihitsy.
Atao hoe “manova” io fampandrosoana ataon’ny Fiangonana sy ny Kristiana io, noho ireto antony manaraka ireto. Tsy azo ialana mihitsy izany fampandrosoana izany; asa mafy sy mitohy ary maharitra io; ary manova mihitsy ny safidintsika izany.

3.KRISTIANA VAVOLOMBELONA

Satria ny fahantrana dia amin’ny endrika maro, dia tsy azo fintinina ho materialy na sosialy no asa ataon’ny Kristiana sy ny Fiangonana. Eo ny fahantrana ara-panahy, izay voafatotry ny fanompoan-tsampy sy ny asan’ny maizina. Eo ny fahantrana ara-batana, izay asehon’ny tsy fahasalamana na fahasembanana. Eo koa ny fahantrana ara-tsosialy, ateraky ny fanilikilihana noho ny fiaviana na firazanana. Eo ihany koa ny fahantrana ara-tsaina, izay mahazo ny olona manaratsy tena, ny tsy manana fijery mivelatra.
Ireto karazana fahantrana ireo dia mampianatra ny Kristiana hijery koa ny fijoroany vavolombelona ho mivelatra kokoa. Tsy mety intsony ny fijerena fa ny mandroso dia an’ny sehatra ara-toekarena na teknolojika ihany. Koa izay fahaizana amam-pahalalan’ny tsirairay izay norantoviny, dia ampidiriny ao amin’ny “fijery manontolo”.
Ny Kristiana vavolombelona ary, dia tsy hafa rehefa alahady sy andavanandro; tsy mampisaraka ny tontolon’ny finoana sy ny ara-tsaina; tsy mampifandrafy ny fiainana manokana sy ny miharihary fanta-bahoaka; tsy mampifanohitra ny tontolon’ny Fiangonana sy ny an’ny Fanjakana. Miaraka mifarimbona ao amin’ny “fijery manontolo” ireo rehetra ireo.

4.FILAZANTSARA

Ny Filazantsara dia tsy ilay mampiasa fitaovana sy mandehandeha ary mitory teny eny rehetra eny fotsiny. Dia faly rehefa avy nahavita an’izay ny Kristiana sy ny Fiangonana. Fa ny Filazantsara dia (1) Fiainana: miara-miaina amin’ny Tompo ny firenena sy ny vahoaka, ary ny Fiangonana sy ny Kristiana; ny Filazantsara dia (2) Teny: miaina ny Tenin’ny Tompo ny vahoaka rehetra; ny Filazantsara dia (3) Filana: mitondra fahatsaram-piainana ho an’ny olona nandray azy.
Raha niala tamin’ny fanompoan-tsampy ny olona na faritra iray, dia afaka niasa talata sy alakamisy ry zareo. Nitombo araka izany koa, ny vola miditra aminy, ary nihatsara ny fari-piainany. Raha omena vahana irery ny fiarovana ny tontolo iainana, dia mety tsy mampaninona ny mpiandany amin’izany, sanatria, ny fahafatesan’ny hafa na fahaverezana asa, mba hiarovany ny heviny. Ohatra, raha arovana ny valan-javaboary, dia jereo ihany koa ny asa omena ny olona monina manodidina eo, mba hahazoany misitraka io fiarovana ny tontolo iainana io.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV