Hafatry ny Filoha Jan 2017
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !
Isaorana ny an’i JESOA KRISTY tokoa ny nahatontosana ny fotoan-dehibe teny Antsonjombe tamin’ny Alahady 15 Janoary 2017 teo. Ho Azy Andriamanitra irery anie ny voninahitra!
Tamin’izany moa no nanaparitahana voalohany ny trakitra izay natao ho fitaovana hoenti-mitory ny Filazantsara. Marihina fa sady tsy natao hasolo ny fitaovana rehetra efa nampiasaina hatramin’izay izy io no tsy ny hoe ny hany fitaovana azo ampiasaina akory; fa natao kosa ho fanampiana amin’ny fanaingana izao ezaka lehibe ataontsika izao.
Indro atolotra eto ny ventin’ny fanofanana tsotra nomena teny Antsonjombe ny amin’ny Fomba ampiasa ny trakitra “VAOVAO MAHAFALY HO ANAO”.
A-Raiso ho an’ny tenanao aloha izy: vakio dia ataovy izay itarihany anao, mba ho anao aloha no ho vonton’ny Filazantsaran’i Kristy.
B-Dia zarao amin’ny hafa amin’izay avy eo:
ka izao no azo anaovana azy:
1-Ento tsy hahasaraka anao izy
Raha azonao atao, asio trakitra iray tsy mahasaraka anao any anaty kitapo na paosy na poketranao any, rehefa mandeha ianao.
2-Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy Masina anao
Ny Fanahy Masina no tompo-marika amin’ny olona tokony hohatonina hitoriana an’i Jesoa (Asa 8.2; 16.6, 7).
3-Resaho tsotra amin’ny olona izy
Tsarovy fa resaka tsotra no nataon’i Jesoa tamin’ny olona nanatona Azy (Jao. 3.1 snm), na niresahany teny am-pantsakana (Jao. 4, 7 snm). Anontanio izy raha efa nahita ilay trakitra na tsia. Raha tsia, anontanio izy raha tiany ny hanazavanao aminy izany ao anatin’ny fotoana fohy. Raha manaiky izy dia iaraho mamaky sy mijery aminy ilay trakitra.
4-Ny takila resahina ihany no ataovy eo anoloana
Aforeto hatrany ilay trakitra rehefa ampiasaina. Hazavao tsotra ny sary sy ny hevitra ambara eo.
5-Ampandraiso anjara ny olona iresahana
Raha mahay mamaky teny izy dia asaivo vakiny ny Soratra Masina ao amin’ny trakitra.
6-Ezaho hatao feno ny fampiasana azy
Vakio hatrany amin’ny farany. Rehefa tonga eo amin’ilay vavaka, dia vakio aminy aloha izay voasoratra eo, dia anontanio izy raha tiany ny hanao izany vavaka izany ho mariky fanekeny handray an’i Jesoa. Raha manaiky izy dia angataho izy hamerina izay vakinao. Mariho aminy tsara mba hataony amin’ny fony tokoa izany vavaka izany. Dia ataovy mihitsy ilay vavaka fandraisana an’i Kristy, fa aza dinganina!
7-Taomy fa aza terena handray an’i Kristy ny olona
Raha tsy afaka hiresaka na tsy manaiky handray izy, aza tezitra! Isaory amim-panajana sy fitiavana izy.
8-Ampio hitombo ara-panahy ny olona nandray an’i Kristy
Ataovy izay hanatonany Fiangonana. Tsy mitaona olona ho FJKM isika fa mitaona olona ho an’i Kristy, saingy raha te hanaraka antsika izy dia raiso amin’ny fifaliana sy ny fitiavana tsara (Marihina fa misy bokikely hoe : Talaky mandeha sy Rononom-panahy, afaka hanampy anareo ny fitaizam-panahy ho an’ny olona vao nandray an’i Kristy. Jereo ao amin’ny Fivarotam-boky Antso).
9-Ataovy fanomezana ho an’ny olona notaomina ny trakitra
Rehefa vita ny resaka dia azonao omena azy iny trakitra iny mba hiverenany manamasaka azy sy hitaomany ny hafa koa. Tsy maninona na voatery hividy vaovao indray aza ianao, fa tsy voavidin’ny 200 Ariary ny fanahin’olona voavonjy tamin’ny fitoriana nataonao!
10-Araho vavaka hatrany ny asa
Samy tsarovy amim-bavaka na ny trakitra nozaraina, mba tsy ho verivery foana, na ilay olona notaomina, mba tena haharitra ho an’i Kristy!
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM