AFF / Ny Tetikasa DIDOMI .

 

Fantatrao ve izany tetikasa izany ?

Tetikasa mijoro eo anivon’ny Sampanasa AFF FOIBE FJKM ny DIDOMI. Endrika maro no tsy maintsy hiatrehantsika ny vina hoe “vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara”. Iray amin’izany ity tetikasa ity.

Inona no hevitry ny teny hoe DIDOMI? Io teny io dia matoateny grika azo adika tsotra amin’ny hevitra malalaka hoe “manome”. Ny antony dia izao ihany:

Teny fanalahidy eo amin’ny asam-pamonjena ny hoe “manome” fa izany mihitsy no fomba nosafidin’Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao. « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny  ny Zanani-lahy  Tokana, mba tsy ho very  izay rehetra  mino  Azy , fa  hanana  fiainana  mandrakizay . » (Jaona 3:16)

Ny tanjona amin’ny tetikasa dia ny hahafahan’izay rehetra mahatsiaro ny maha zava-dehibe ny asa HANOME izay foiny isam-bolana –mitambatra ho taona iray hahafahana manao asa mivaingana.

Ny tetikasa dia natao hananganana trano fiangonana amin’ireo toerana avy nitoriana ny filazantsara ary tsy anaovana afatsy izay. Ny Mpikambana rehetra dia hahafantatra ny asa vita ara-potoana ary ny vola rehetra arotsaka dia tsy anaovana zavatra hafa afa-tsy ny fananganana trano fiangonana.(tsy anaovana fandraharahana na dia kely aza)

Fanamby amin’ity tetikasa ity ny hanangana trano fiangonana 12 isam-bolana farafahakeliny.

Samy mahatsapa isika rehetra fa vita ihany ny hanao Tafika Masina ary maro ireo olona vaovao manolo-tena ho an’ny Tompo. Fa ny fanontaniana dia ny hoe: ahoana no hitehirizana ny vokatra ao amin’ny Tompo.

Ny Tetikasa DIDOMI dia natao hamaly izany fanontaniana izany amin’ny lafiny foto-drafitrasa. Raha mahita izany isika dia hahatsapa fa tsy manao ahoana akory izany manoloana ny foto-drafitrasa 2800 kasaina haorina eto Madagasikara amin’ny sehatra hafa. Na izany aza anefa dia tena tsy maintsy hisikim-ponitra isika .

Ianao izay mamaky koa dia afaka miroso amin’ny fanohanana izany tetikasa izany.

Afaka mifandray amin’ny AFF FOIBE FJKM ianao.

Ireto ny fifandraisana:

TALE AFF FOIBE:  033 12 159 92,

Mr Liva 033 14 008 48.

Ny fandraisana anjara dia azo alefa Mvola (034 08 145 43) na Airtel  Money ( 033 71 648 40) na Orange Money (032 70 046 12)  na arotsaka amin’ny Banky avy hatrany (FJKM AFF – BNI ANALAKELY 01 055 108 5 020 1 00/ RIB 24) .

Azo atao koa ny mandoa ny lelavola aty amin’ny AFF Foibe FJKM     varavarana 512. Ireo kaonty ireo dia natokana ho an’ity tetikasa ity.

Efa misy 300 isa latsaka kely izao ny mpikambana efa vonona hanatanteraka ny asa. Efa hanomboka amin’ny volana Janoary 2017 ny fananganana ny trano fiangonana voalohany. Amin’io taona 2017 io dia any amin’ny  Synodamparitany Ambovombe Kristy Rano Velona no hananganana ireo trano fiangonana rehetra kasaina haorina ho fiarahantsika mientana amin’iny synodamparitany iny amin’ny fandraisana an-tànana ireo dahalo teo aloha efa niova fo izay miisa aman’aliny fa tsy mba anarivony fotsiny.

Iny Synodamparitany iny koa dia mbola 0% ny mpanaraka ny fivavahana silamo. Fanambin’ny Synodamparitany ny hitana io antontan’isa io tsy hiakatra ary hampakatra araka izay azo atao ny isan’ny kristiana any an-toerana.

Anjarantsika izao ny hanome tànana azy ireo

« … ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako. » (Jakoba 2:18)

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV