Mofonaina

Talata, faha 02 Septambra 2025

Sal 116.12-19 / Hira 20.1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF24

Tsy mifangarika amin’izay ambaran’ny Epistilin’i Jakoba akory ny foto-kevitr’i Paoly ao amin’ny Rom 3, 28 sy Gal 2, 16), momba ny finoana arahana asa. Tena mifameno ireo. Hamafisin’ny Epistilin’i Jakoba ny hoe: Asehoy amin’ny asa, na hamarino amin’ny asa ny finoana :

Mandray an’i Abrahama ho ohatra ny Mofonaina amin’ireo andininy ireo. Raha vao nandre ny teny sy ny baikon’ny Tompo i Abrahama dia nihetsika, nanatanteraka ary nankato. Izany asa sy hetsika ary fandraisana andraikitra tsy am-pisalasalana, vokatry ny fandrenesana ny tenin’ny Tompo izany no atao hoe : asan’ny finoana. Nankato i Abrahama fony izy nantsoina niala tany Ora. Hita izany tamin’ny nanirahana azy hanao fanatitra an’i Isaka. Ankatoavy sy ampiharo eo amin’ny fiainana sy amin’izay atao ny tenin’Andriamanitra renao, dia hohamarinina amin’ny asa ny finoanao, fa i Jesoa koa dia nankato ny Rainy hatreo amin’ny hazo fijaliana.

«…Ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa » (and.26b). Maty ny finoana raha tsy arahintsika hetsika sy asa, na avadika ho asa, na ampiharina ka azo tarafīna eo amin’ny ataontsika sy eo amin’ny toetrantsika. Izany hoe: eo amin’ny fandraisantsika andraikitra dia ampifanaraho tsara amin’ny tenin’ Andriamanitra. Finoana no entin’ny Tenin’ Andriamanitra, saingy raha tsy mampihetsika antsika izany dia finoana maty, ka tonga mamono finoana isika!

Inona tsara no atao hoe: hamarinina amin’ny asa isika ?

Tenin’ny Filoha

Misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha 20, izay natao tany Taolagnaro, ny 13-20 Aogositra 2025 lasa teo.

Isaorana ny Komitin’ny Fandraisam-bahiny, izay nampiseho ny fahaiza-manaony tokoa (ny sakafo, ny fatoriana, ny fandraisana fivoriana nampiasana QR, ny fiaraha-mientana tamin’ny EKAR sy ny FLM tany an-toerana, ary ny Fanjakana tany an-toerana).
Isaorana ny Biraon’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe, izay nitarika izany tamin’ny Filaminana mendrika ny Voninahitr’Andriamanitra. Tafavoaka soamantsara ireo asa miandry ny FJKM mandritra ny 4 taona hoavy (2025-2029).
Isaorana ireo Vaomieran’ny Fifidianana, izay niezaka mafy nanaraka ny Lamina, fa nahavitan’ny fivoriana tamin’ny fotoana nikendrena azy, nivoahan’ireo izay ho Mpitondra indray ny FJKM ato anatin’ny 4 taona hoavy.
Ary isaorana indrindra koa ireo Mpiandraikitra Foibe teo aloha sy ny Mpanatanteraka, ary ireo teknisiana sy Mpandraharaha isan-tsokajiny, izay nanomana tamim-pahakingana ireo Tatitra sy Tahirin-kevitra nenti-niasa.
Handia ny 4 taona vaovao indray ny FJKM. Fampiorenam-pinoana sy Fampamokarana no mahafintina ireo asa miandry izay notinapaky ny Synoda Lehibe faha 20. Izany hoe Finoana sy Asa.
Ny fiarahantsika rehetra mientana ankehitriny dia fizorana hanatratra ny Vina fototra “Mbola ho firenena Kristiana hatrany i Madagasikara amin’ny taona 2118”.
Vokatra tsara. Vokatra betsaka. Vokatra maharitra. Ireo no Fanamby ho an’ny 4 taona manaraka, apetrak’i Jesoa Lohan’ny Fiangonana amintsika.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!

Vaovao farany

Taom-piasana : 2025 – 2029 Filoha : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, MpitandrinaFiloha Mpanampy Mpitandrina : RAKOTONAVALONA MaholyFiloha Mpanampy Laika :…..

Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina no Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sady Filohan’ny FJKM amin’ny taom-piasana 2025 – 2029. Loha-hevitra…..

Vita soa aman-tsara ny fifidianana ireo Mpitandrina (50) sy Tsy mpitandrina (50) mandrafitra ny Mpiandraikitra Foibe miisa 100 hiasa mandritra…..

Samy mitondra amim-bavaka isika vahoakan’ Andriamanitra ny amin’ ireo tompon’andraikitra hitondra ny fiangonana amin’ izao 4 taona manaraka izao. Amin’…..

«Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.» 1Kor. 15, 58b VOAFIDY NY BIRAON’NY SYNODA Tontosa ny alarobia 13 aogositra 2025 ny…..

Perikopa 2025

Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

| | 07. Ala. XII man. Trinite
Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

| | 14. Ala. XIII man. Trinite - Sampanasa AFF
2Tan. 20. 20-23 | Mat. 9. 27-31 | Rom. 10. 5-10

| | 21. Ala. XIV man. Trinite
Eze. 3. 18-21 | Mar. 9. 14-29 | Asa. 3. 12-16

| | 28. Ala. XV man. Trinite - Sampanasa FFP
Hab. 2. 3-4 | Jao. 4. 46-54 | Gal. 3. 10-14

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina