Sampan'asa Vaovao farany

HAFATRA MAMRE FJKM

Misaotra an Andriamanitra izahay Masera ato amin’ny FIARAHAMIAINA AMIM-BAVAKA MAMRE F.J.K.M amin’ny antso izay iantsoany anay tsirairay sy ny fitantanany ny Fikambanana hatramin izao.

Faly misaotra ny Fiangonana F.J.K.M koa izahay amin’ny fanomezany anay ny alahady faha-3 n’ny volana Oktobra, itondrana amim-bavaka ny Masera sy ny fanokanan-tenany ary ireo asa fanompoana tanterahin’izy ireo.

Tianay ny mampahatsiahy anareo izay mahatsiaro ho voantso amin’ny fanokan-tena amin’ny vavaka ao anatin’ny fitovoana masina ho an’Andriamanitra sy fiarahana miaina.

Noho ny fahasoavan Andriamanitra dia efa misokatra ny ainga rantsana any Antsapanana Andasibe- Moramanga. Ao anatin’ny fanatanterahana ireo foto- drafi tr’asa izahay ankehitriny. Koa tsy misalasala izahay, mangataka vavaka avy aminareo hahatanteraka izany foto-drafitr’asa izany. Raisinay amim- pitiavana koa ireo tolo-kevitra na tolo-tánana avy aminareo hahatanteraka ny Tenin’ Andriamanitra manao hoe: « Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara » (Hebr. 10:24)

Perikopa 2025

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

| | 30. Advento I
Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

Desambra: MANANTENÀ AN'ANDRIAMANITRA

| | 07. Advento II
Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

| | 14. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 131. 1-3 | Lio. 10. 21-24 | 1Kor. 14. 20-22

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO