Jobily volafotsy/ Raharimalalatiana Lydia , Mpit

Synodamparitany Antananarivo Atsimo

Aumônerie Protestante CHU Fenoarivo

« Fa asany isika  , voaforona  tao  amin’i Kristy Jesoa mba hanao  asa tsara  , izay namboarin’ Andriamanitra rahateo  mba handehantsika eo Aminy « Efes 2.10

-Ny Foibe FJKM

-Ny  Fiangonana Aumônerie Protestante CHU Fenoarivo

-Ny Komitin’ny Jobily

-Ny Mpitandrina  mianakavy

dia faly  manasa antsika amin’ny Fanompoampivavahana fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra  noho ny

faha- 25 taona maha-Mpitandrina

an- dRamatoa RAHARIMALALATIANA Lydia 

Izany dia hatao  ny Sabotsy 16 Desambra 2017 amin’ny 9ora sy sasany  ao amin’ny FJKM Antanety Fitiavana Ambatomirahavavy , izay hotarihin’ny SPAA 11.

Fifandraisana : 033 18 411 83

PS-SP 12 / 10 T

FANASANA 

-Ny Foibe  FJKM

-Ny Synodamparitany  Antananarivo Atsinanana

-Ny Komitin’ny fankalazana

dia faly  manasa  anareo  hiara-hidera sy hanome voninahitra  an’ Andriamanitra  amin’ny Fanompoampivavahana  fankalazana  ny faha-folo taonan’ny fiaraha- miasan’ny

SP Antananarivo Atsinanana sy ny Prezidà Synodaly
Andriamatoa RABENANTOANINA Philibert , Mpitandrina mianakavy

Izany dia hatao ny Alakamisy 14 Desambra 2017 amin’ny 9 ora sy sasany maraina , ao amin’ny FJKM Ambohitrarahaba

« Jehovah Tompoko  no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy » Isaia 12.26

Alakamisy 07 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 

Jaona  14.18-24

Maro  ireo  fomba  ahafahana  mijoro  ho  fanasina  sy fahazavana   . Mampita hafatra  amintsika  amin’ ny alalan’ny Mofonaina  anio  ny Tompo , ary manambara  fa:

Ny tena vavolombelon’ny Tompo   dia :

1- Tia an’i Jesoa 

Izay tia Ahy  no tian’ny Raiko (Jao 14.31) . Ny  fo   no foiben’ny aina  sy ny fihetsehana . Ao  no mitempo  fitiavana , ao  koa  no misy  ny fankahalana . Ny hoe: tia an’i  Jesoa  dia raiki-pitia Aminy tanteraka . Miara-paly  Aminy , miara-malahelo  Aminy . Izay  tian’i Jesoa dia tiany  , izay halan’i Jesoa  dia halany .

2-Mitandrina  ny tenin’i Jesoa 

Izay  milaza  hoe: tia an’i Jesoa  nefa  tsy  mitandrina  ny teniny   dia mpan dainga . Nampianatra   antsika   ny  Soratra masina    fa ny  fitiavana ny  rahalahy   izay hitan’ny  masontsika  no hanombohana  ny fanehoana  ny fitiavana an’i Jesoa   : « izay  milaza  fa tia an’ Andriamanitra , nefa mankahala  ny rahalahiny dia mpandainga . Fa ataony ahoana no   hitia  an’ Andriamanitra izay  tsy hitany  , nefa   ny rahalahiny izay hitany  aza tsy  tiany  » . Araka  izany  dia aseho   amin’ny marika  hita maso  sy azo tsapain-tànana ny fitiavana ny Tompo . Tsy ampy  ny fitiavana  eo  imolotra fotsiny  . Tsy afa-misaraka  ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana  ny namana fa mifampiankina sy mifameno.

Fanontaniana:Inona avy ny hanehoanao ny fitiavana an’i Jesoa eo amin’ny fiainanao andavanandro?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Oniversity Ravelojaona / Fidirana

 

ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA,

nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana.

  • Hisokatra ny volana Janoary 2018, ny taom-pianarana, izay ahitana ireto taranja ireto:
  • Gestion
  • Droit
  • Genie Civil Industriel
  • Agronomique
  • Communication et Multimedia
  • Informatique
  • Lettres Anglaises
  • Ny Préinscription: 10.000 Ar, izay hatao ao amin’ny Foibe FJKM Analakely.
  • Ny Droit: 80.000 Ar
  • Ny saram-pianarana: 60.000 Ar isam-bolana, mandritra ny 10 volana.

Ny toerana misy ny Sekoly, dia ao amin’ny Gilping Ampandrana.Ho tanterahina ny ALAHADY 14 JANOARY 2018, amin’ny 3 ora hariva ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana ny fanompoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny taom-pianarana sy fanehoana ireo Mpampianatra sy ny Mpianatra “Dia hataon’I Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony” 5 ( Deot 28: 13) 

Alarobia 06 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Apokalypsy  4.1-8

Manokatra  ny lanitra i Jesoa Kristy

1-Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany  mandrakizay  i  Jesoa  Kristy  .

Famirapiratan’ny  voninahiny   sy ny  fahasoavana ary  ny  fitsarany  ny endriny  (and3) . Izy  no  miantso  an’i  Jaona Apostoly  hiakatra any  an-danitra  sy nampiseho ny zavatra  tsy maintsy  ho avy  rahatrizay  ary  mampanoratra  izany .Fahefan’i Jesoa Kristy  no manome  ny teny  faminaniana sy miantso  ny olona hiakatra any aminy rehefa  avy nanokatra ny lanitra Izy ( jereo  Ezek 1.1; Mat 3.16 ;  Asa 10.56) . Izay  nambaran’i Jesoa dia tsy maintsy  ho tanteraka . Antsoin’i Jesoa Kristy  any aminy  ireo  tiany  sy nofidiny .

2-Manome voninahitra an’i Jesoa ny  voavonjy  

Manodidina  an’i Jesoa Kristy « Ilay Tompo  Andriamanitra  Tsitoha , Ilay taloha  sy ankehitriny ary ho avy »  ny olom-boavonjy  araka  ny Testamenta vaovao . Any  amin’izay  itoeran’i Jesoa Kristy no  itoeran’izy ireo  sady « hiara-manjaka Aminy » (and 4; Jao 14.3 ; 17.24 ;2 Tim 2.12) . Efa notafian’ny Tompo  fitafiana sy nampisatrohana voninahitra ireo .Miombona  ao amin’i Kristy ny olom-boavonjy  ary ny Fanahy Masina dia ny Fanahin’ Andriamanitra  no mampiaina  ao  amin’ny fanjakan’i Kristy. Manodidina an’i Kristy ny fiangonana any an-danitra tahaka ny anjely  serafima (Jereo Isaia 6.2). Midera sy manome  voninahitra ary  miray  feo  ka miankohoka  amin’Ilay  Tompo  Mpamonjy  azy izy rehetra . Tohizo  ny fanompoanao  ny Tompo fa tsara  izany .

Fanontaniana:Inona no tombotsoan’ny  mpino  an’i Jesoa Kristy ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Aumônerie FJKM / Hafatra Fihaonambe 2017 .

 

             ‘Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » II Tim 1: 8a

           “ Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. ”Matio 25:40

  HAFATRA FIHAONAMBE

                    Ry havana,                   

                    Ampitomboina ho aminareo hatrany ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

             Isaorana  ny Tompo, ry havana, fa tanteraka soa aman-tsara taty amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, SP Boina Vaovao, ny Alakamisy 23 Novambra 2017 ka hatramin’ny Alahady 26 Novambra 2017 ny Fihaonambe faha-telon’ ny Aumônerie FJKM .Noho ny fitahiany dia nirindra soamatsara izany.

Tolorana fisaorana manokana ihany koa anefa ireo rehetra nandavorary sy nahatomombana izany antsakany sy andavany. Fankasitrahana feno no atolotra ny Sekretera Jeneraly sy ny Prezidà Synodaly SP Boina Vaovao izay tonga nanome lanja izao fihaonambe izao, toy izany koa ireo Tale sy Tonia tao amin’ny Sampana sy Sampan’asa ary Asa izay namaly ny fanasana. Isaorana koa ny Mpitandrina rehetra eto amin’ny SP Boina Vaovao ary indrindra  ny Mpitandrina sy ny Birao ary ny kristiana  rehetra eto amin’ny FJKM Ziona Vaovao niaraka tamin’ireo Komity ny Fihaonambe teto an-toerana nikarakara sy nandray tamim-pitiavana tanteraka.

                Fotoana izao, ry havana, anentanana antsika Fiangonana, Mpitandrina, Katekista Delege, Kristiana rehetra hanao ho zava-dehibe ny Asan’ny Aumônerie izay anisan’ny asa nataon’i Jesoa ho zava-dehibe tety an-tany ka mampandroso sy mampivelatra ny asa fiantrana sy fitaizam-panahy (I kor 13.3).                 Entanina  ihany  koa isika handray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa“Jacob project” ka hampiaty anaty fiaraha-monina ireo olona manana fahasembanana (OMF).                 Aoka ho tsaroantsika hatrany koa, ry havana, fa i Jesoa Kristy Ilay Aumônier no fianarana ho antsika ny amin’ny fiheverana ny hafa ary adidintsika FJKM araka ny Foto-dalana sy Fitsipika  and. 33 sy ny Fitsipiky ny Aumônerie p.3 ny asa fanaovantsoa sy ny fiahiana ny mahantra eo amin’ny faritra misy ny fiangonana. Amin’izany dia aoka ho ataontsika ho zava-dehibe izao fomba fiasan’i Jesoa izao :

  • Ny olona no fototra sady ivon’ny asam-pamonjena notanterahan’ny Tompo.
  • Mihevitra manokana ireo rahalahy kely indrindra (mahantra, tra-pahoriana, mila vonjy)
  • Mifamatotra aina tanteraka amin’ireo rahalahy kely indrindra ny asa atao.
  • Mihevitra manokana ny madinika
  • Miasa amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana ho an’ireo madinika.
  • Hotsaraina amin’ny asa vokatry ny finoana isika.

Ho fehin’ireo dia tokony ho tsaroana hatrany fa hotsaraina amin’ny asa vokatry ny finoana isika. Manaitra antsika kristiana rehetra ho amin’ny fanajana ny zon’olombelona, na iza na iza io ary na aiza na aiza. Ampahafantarina isika Fiangonana fa efa mijoro sy tafapetraka ara-dalàna eo anivon’ny ambaratongan-drafitra ny asan’ny Aumônerie, koa irina indrindra ny hijoroan’izany koa eny anivon’ny Synodamparitany rehetra.         Farany, tapaka taty Mahajanga, ry havana, fa ny Fihaonambe faha-efatra amin’ny taona 2019 dia hatao any Toamasina, koa am-pitiavana no iantsoana antsika kristiana rehetra mihitsy sy ny fiangonana hanatrika izany fa tsy ireo Aumônier ihany. Ampiomanina sahady araka izany isika fa hisy fiantsoana solontena isam-pitandremana hiatrika izany indrindra ireo vaomiera sosialy ao amin’ny fiangonana.                       Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! 

                       Ny Vaomieran’ny hafatra :                                            

RALAMBOMANANA Heriniaina, Mpitandrina  

RAZANAKINIAINA Violette, Mpitandrina

TSIRIMPANAHY Henintsoa, Mpitandrina

  Ny Mpandrindra  Nasionaly,

RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina

Talata 05 Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo Jeremia 31.1-6

Fitiavana mandrakizay  Andriamanitra 

1-Ny  fitiavany  ny Israely

Hafatra  ho an’ny  Jiosy   babo   tany  Babylona  ity . Ambarany  ny  momba  ny Israely  hatramin’ny  fanjakana avaratra  ary  Israely  manontolo  . Tiany  ny fanjakana avaratra  na Israely  na i Efraima na i Samaria (and2,4,5). Omena  fitsaharana  sy  filaminana  izy  ka  tsy  hisy ady  ao  aminy (and2) . Hanorina indray  an’Israely efa rava i Jehovah  ka hanome fihobiana  sy  fifaliana ao amin’ny taniny . Hambolena  hatao  tanimboaloboka indray ny tendrombohitr’i Samaria , ary noho  ny fiadanana omeny , ny  fitiavan’ Andriamanitra    dia  hanjary  ho mahataona  i  Ziona  izay  toerana  tokana  fihaonany  amin’Israely (and6). Mitoetra  ho mandrakizay  Andriamanitra  ary  tsy  voafetran’ny fotoana  sy ny toerana ny fitiavany ny  olony .

2-Ny famindrampony  amin’ Israely

Andriamanitry ny famindrampo  ny  Tompo . Mifamatotra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony . Manafoana ny tenany Andriamanitra ka manisy soa  an’ Israely  izay nanota  sy niala taminy  dia Israely  virjina (and4). Mamindra foa  amin’ny maditra  sy ny mafy hatoka Izy . Mahary  an’Israely ho vaovao i Jehovah. Manao  fanarenana an’Israely manontolo  ny  Tompo: sitranina ny taniny , averina ho amin’ny fivavahan feno  fifaliana sy fanompoana ny Israely . Manavao  ny fanekeny  mandrakizay  ny  Tompo ka ho Andriamanitray ny isam-pianakavian’ Israely (and1).

Fanontaniana:Ahoana ny fahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

FLM / 150 t sy 500 t …

FANASANA

faha- 500Taonan’ny Reformasiona sy 150 Taona FLM

Fankalazana an’  Andriamanitra noho ny faha- 500 taonan’ny REFORMASIONA sy ny faha- 150 Taona n’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM)

Daty :  15 Desambra  – 17 Desambra 2017

Toerana : FLM  AMBOHITSIMANOVA  Betafo

Hisy Lahateny sy Toriteny   harahintsika mandritra ny fotoana .

Ny Alahady 17 Desambra dia hisy ny filaharambe ho fijoroana ho  vavolombelon’ny Tompo  mamakivaky ny  tanàna . Hisy ihany koa ny fiaraha-mandray ny Fanasan’ny Tompo ,   izay hanasana antsika rehetra miombona ao anatin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) .

« Ny marina amin’ny finoana no ho velona » Rom1.17b

« Fa fahasoavana no namonjena anareo  amin’ ny finoana … » Efes 2.8

Alatsinainy 04 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo Amosa 9.11-15

Fitiavana hafa kely

Amin’ny fomba hafakely  no entin’ Andriamanitra  maneho  sy manaporofo  ny fitiavany eto . Tsy manam-paharoa  izany fitiavan’Andriamanitra izany satria:1- Mamela heloka sy  manangana indray  Izy  (and 11-12)

Asehon ‘ Andriamanitra  amin’ny alalan’ny fananganana indray ny  rava  vokatry  ny fahababoana  ny famelan-keloka . Be fitiavana  Andriamanitra  ka tsy mamela antsika  ho ravan’ny fahotana  sy ny faharatsiana . Ny famelana  ny helotsika no entiny  maneho  izany fitiavana izany  sady hanarenany  antsika hanana fiainam-baovao  ao Aminy .Kristy  no  endrika   fara-tampony  ny  fitiavan’ Andriamanitra  sy fananganana  antsika indray  ka natolony ho  famelana  ny helotsika .

2-Manome  fitahiana (and13-15)

Fitahiana  no azo ilazana  izay rehetra  voalazan’ny Tompo  eto  amin’ireto  andininy   telo farany   ireto   Anisan’izany  ny fahasambaran’ny olona voavela heloka (S al 32.1-2) . Raha  oharina  amin’ny resaka  fambolena  ny fitahiana  noraisin’ izay voavela heloka  dia hifanao  tsy omby aloha  izany satria  mbola  tsy voajinja  ny eo  dia efa tonga   indray   ny fotoam-piasana  manaraka . Midika  izany  fa manana  amby ampy  ho antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitahiany (Jer 31.3).

Fanontaniana:Inona  no mba heverinao  fa endrika  manokana  isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 03Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 1 Jaona 4.7-11

    Ny  mpino   miaina ny  fitiavan’ Andriamanitra 

Avy  amin’ Andriamanitra   ny fitiavana  . Izay miray  Aminy  no manana  fitiavana  ka ny  mpino  miaina ny fitiavan’ Andriamanitra  dia:

1-Mifankatia (and7-8.11 )

Teny  fanentanana  antsika  mpino   no ataon’ny  Apostoly  Jaona  eto  amin’ny  tokony hifankatiavantsika . Tsy  zavatra  ifanerena  izany   fa marika  hanehoana ny maha- zanak’ Andriamanitra  kanefa  tsy  manam-pitiavana ny hafa . Nantsoina  ho amin’ny fifankatiavana  ny  mpino  satria samy zanak’ Andriamanitra . Fitiavana  ifanaovana  na ifamaliana  izany   fa tsy   fitiavana  mandeha ila sanatria.

2-Mahafoy  ny sarobidy  indrindra (and10)

Ambaran’i Jaona  mazava  tsara  fa ny  fitiavan’ Andriamanitra  dia tsy tamin’ny teny fampanantenana  fotsiny  ihany  fa noporofoiny  tamin’ny alalan’ny asa  koa. Porofo  mivaingana  no nentin’ Andriamanitra  naneho ny fitiavany antsika   dia ny nanolorany    ny tokana  sy ny tsara  ary ny sarobidy  indrindra teo am-pelatànany  ho famonjena antsika . Tahaka  an’ Andriamanitra  izay  nanome  ny zanany   izay tia dia tia  amin’ny teny   sy  amin’ny asa  ka  manome   sy  mahafoy   ny sarobidy indrindra . Ny tena  fitiavana  dia tsy  mila tambiny  ary  tsy sandaina  ihany koa .

Fanontaniana Inona  no zava-tsarobidy indrindra efa nafoinao ho an’ny olo-tianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM