Alahady 10 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.14-29

éAry Solomona mpanjaka dia nanakarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany  » (and23)

1-Ny harena nitobaka . Tsy hita intsony ny volamena , volafotsy , hazo sarobidy , ny ivoara…Tsarovy kosa fa ho antsika ny tsodrano hoe:  » Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa » (Fil 4.19).

2-Ny zava-kanto , fatratra! Ilay fiakarana ho eo amin’ny seza fiandrianana voaravaka lohan-diona dia tsy jisy toa aza (and 19-20). Toy izany koa ireo fanaka samihafa . Izao kosa no hafatra ho antsika : »na inona na inona marina , na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy , na inona na inona madio , na inona na inona maha-te ho tia , na inona na inona tsara laza , raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera dia hevero izany (Fil 4.8).

3-Ny fitaovam-piadiana betsaka : Ampinga volamena efa ho 500 sy kalesy 1400 samy hary fomba no nananany. Fa isika kosa hafarana hoe: « Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra , mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly » (Efes 6.11) . Fa mihoatra noho ireo , vakio ny and 24.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Sabotsy 09 Martsa 2019.

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.1-13

Nampahatsiahivin’i Jesoa manokana ity tantara ity ao amin’ny Matio 12.42 ka ampianariny antsika fa:

1-Lehibe lavitra noho i Solomona i Jesoa . I Solomona dia nahatalanjona ka nahasintona ny mpanjakavavin’i Sheba ho tonga manatona azy . Ary isika , mba talanjona sy voasintona hanatona an’i Jesoa ve? Fa ambony lavitra noho i Solomona i Jesoa satria ny vokatry ny fanatonantsika Azy dia tsy ahazoam-pahalalana sy ahitam-pahagagana fotsiny , fa andraisam-pamonjena mandrakizay mihitsy .

2-Tokony ho mendrika ilay mpanjaka ny mpanompony. Ny toetoetran’ireo tandapan’i Solomona sy ny fitafiany , dia samy nahagaga ilay mpanjakavavy avokoa Ary isika , izay mpanompon’i Jesoa Ilay mpanjakan’ny mpanjaka , mba mendrika sy hitan’ny olona ho mendri-kaja mifanentana amin’ny voninahitr’i Jesoa ve?

3-Sambatra isika izay manana ny tenin’i Jesoa . Hoy ny and 8 : « sambatra lahy ny olonao , ary sambatra ireto tandapanao ireto , izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao «  . Ny tenin’i Jesoa dia mahasambatra lavitra , araka ny teniny tamin’ilay vehivavy niara-belona taminy hoe: « mainka sambatra aza ny mihaino ny Tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany » (Lio 11.28). Mba mivelona amin’izany mandrakariva ve ianao ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Zoma 08 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 9.10-28

Lesona 3 indray no ianarantsika eto:

1-Tandremo sao manombina ny fahasoavana omena anao ho an’ny fahavalo ianao.Ny and 10-14 dia ahitantsika fa nanombia taminn’y tany Kanana omena an’i Hirama i Solomona . Fahadisoana lehibe izany :lova avy amin’ny Tompo ve dia omena ny Jentilisa ? Tandremo fa ny fivarotan’i Esao ny fizokiany dia tsy hainy navotana intsony , na dia nifona tamin-dranomaso aza izy (Heb 12.16-17). Fa saino koa na ny fampiasanao ny andro Alahady izay « Andron’ny Tompo » aza , omenao manontolo ny Tompo ve sa anombinanao hanaovana fivoriam-pianakaviana sy filamboly ka tsy andehanana mivavaka ?

2-Fehezo hanoa anao ireo fahavalon’ny fanahinao. Ny and 20-21 dia mendrika homarihana : tamin’ny andron’i Solomona vao voafehy hanompo azy avokoa ny mponina tao Kanana izay tsy naringan’ Israely; Dia toy izany koa ianao: fehezo ireo fahavalon’ny fanahinao fa aza avela ho izy indray no hanjakazaka aminao. Olon’ Andriamanitra ianao: »Aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanao » (Rom 6.12).

3-Manàna fitsipi-piainana amin’ny fanompoanao. Ny and 25 dia milaza ny fanaovan’i Solomona fanatitra in-3 isan-taona . Ianao ve mba mahafehy tena hanompo ara-potoana tsara ny Tompo toy izany , eo amin’ny fanaovana adidy . Ohatra sa baranahiny eny?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Alakamisy 07 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 9.1-9

Taorian’ny vavaka nataon’i Solomona dia tonga ny valimbavaka. »Mpihaino vavaka  » tokoa manko ny Andriamanintsika (Sal 65.2) . Minoa izany dia mazotoa mivavaka . Inona avy àry no valitenin’ny Tompo ?

1- Fitsofan-drano ny trano natao (and3). Hoy ny Tompo :« Efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko » . Fatratra izany ary ho tsapantsika amin’ny trano fiangonana rehetra anie izany .

2-Fanamafisina ny finoan’i Solomona (and4-5). Naverin’ny Tompo taminy indray izay takiny aminy : »hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko« . Tsy misy finoana marina ivelan’ny fanarahana ny Tenin’ Andriamanitta sy ny fankatoavana izany . Fa raha mbola mitoetra amin’ny teniny isika dia mitoetra ao amin’ny fitahiana.

3-Fampitandremana ny amin’ny fivadihana (and 6-9). Amin’ny fomba mahitsy sy hentitra no anambaran’ny Tompo fa raha alaim-panahy hiala Aminy ny Israely dia hofongorany . Ary ny mampalahelo tsy latsaka noho izany , ity trano lehibe tsara be vao nitokanana ity horavan’ny Tompo ho fandatsan’ny jentilisa. Ny tohin’ny tantara indrisy dia nampiseho fa tsy nahatandrina izany izy ireo ka voa.

2-

Sekoly Protestanta FJKM / 200T

Hosokafana ny jobily faha -200 taonan’ ny Sekoly FJKM

« Mahareta tsara…mandra-piavin’ny Tompo » Jakoba 5 : 7a

Ho sokafana amin’ny fomba ofisialy sy amin’ny fombam-piangonana ny jobily faha-200 taonan’ny sekoly protestanta FJKM izay hifanindran-dàlana amin’ ny fankalazana ny andron’ny sekoly FJKM. Amin’ity taona 2019 ity.  Ireo dia samy hatao any Tsiroanomandidy ny 26-27-28 Marsa 2019.

Hosokafana amin’ny fanompoam-pivavahana  izany ny Talata 26 Martsa 2019 ao amin’ny stady kaominaly Tsiroanomandidy. Efa vita ny hira faneva, ny sary famantarana ny fankalazana ary misy ny dihy mirindra homanin’ny mpianatry ny sekoly FJKM « flash mob » hatao amin’io fotoana io, fifaninanana ara-panatanjahantena maro samihafa izay ao anatin’ny fanamarihina ny  andron’ny Sekoly FJKM rahateo izany .

Fambolen-kazo teny Ankazobe

Fambolenkazo tao Andranofeno Sud

Naneho fiombonana ny fianakaviamben’ ny sekoly FJKM izay notarihin’ny Foibe Fitondran-tsekoly FJKM  ka tontosàna ny fambolen-kazo izay natao ny zoma 22 Febroary 2019 lasa teo tany Andranofeno Sud / FPMP-34. Tsy nahasakana ny asa natao ny orambe tamin’io fotoana io. fambolena hazo fihinam-boa, fanaovana fanjohiana ireo hazo teo aloha, fitoriana ny filazantsara arahina fizaràna akanjo sy kojakoja samihafa ho an’ireo olona any an-toerana no tena nananmarika io fotoana io. Ny sekoly IFR dia anisan’ izay nandray anjara mavitrika tamin’izany.

fifiAV

IFR Ankadifotsy / Planet Action

Nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana mpitsabo nify Alemana » Planet Action » sy ny Sekoly IFR Ankadifotsy.

Mpikambana « PLANET ACTION » avy any Allemagne

Notontosaina nandritry ny herinandro voalohany tamin’ iny Febroary 2019 iny ny fanaovana nify maimaimpoana ho an’ ny mpianatra sy ny mpanabe teo anivon’ny Institution FJKM RAINANDRIAMAMPANDRY Ankadifotsy. Olona teo amin’ny 150 no nisitraka izany. Torohevitra, fanetanana,fitsaboana, fikoloana ary fanalana nify no natao nandritra izany. Mpitsabo nify, manao asa an-tsitrapo 5 mirahavavy: Verena,Hannah,Martina,Christina ary Inga no nalefan’ny   fikambanana « planet action » avy any Alemana tamin’izany. Tanjona ny hanampy sy hanentana ny sekoly, ny ankizy tsy misy mpiahy any amin’ny firenena sahirana momba ny fahasalaman’ny ati-vava. Nahafaly ny vokatry ny asa na dia tsy ny rehetra aza no nahazo ny fizaham-pahasalamana hoy izy ireo. Nankasitrahan’izy ireo koa ny fandraisana makotroka sy ny fanomezana nataon’ ny sekoly IFR. Maro tamin’ireo mpianatra noraisin’izy ireo no afapo sy nankasitraka ny sekoly nikarakara ny fiaraha-miasa.

Ny sekoly IFR raha tsiahivina dia mbola ao anatin’ny fankalazany ny faha-40 taonany ankehitriny.

Veronica ANDRIANARISON

Santatra .Fahazavana

Alarobia 06 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 8.54-66

Ny famaranana ny fitokanana no hitantsika eto ka nanamarika izany :

1-Ny firavoravoana lehibe . Fiderana an’ Andriamanitra sy fifaliambe no atao 14 andro be izao . Eny! mendrika izany ny Tompo ary rariny raha mifaly ny vahoaka taorian’ny ezaka rehetra namitana ity trano lehibe ity. Faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah » (and66)

2-Ny fifamatoram-pisiana amin’ny Tompo . Hoy ny and 57: « Jehovah Andriamanintsika anie no amintsika ? tahaka ny tamin’ny razantsika ? aoka tsy handao na hahafoy antsika izy » .Ary hoy kosa ny setriny eo amin’ny and61 : »Ary aoka ho marina amin’i Jehovah Andriamanintsika anie ny fonareo , handehananareo amin’ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny  » . Tsy mahazo mandeha ila mantsy ny finoana , fa ny Tompo irina , tsy handao ary ny olona koa manaiky tsy handao , izay vao tafaraka tsara.

3-Ny fitoriana ny Anaran’ny Tompo . Hoy ny and 60 : » mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa Jehovah no Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy Izy ».Tsy azontsika adinoina mihitsy izany , ny antom-pisian’ny fiangonana dia ny hanao mpianatra ny firenena rehetra, araka ny baiko navelan’i Jesoa raha hiakatra any an-danitra Izy (Mat 28.19).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Talata 05 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 8.41-53

Tohin’ny vavaka tamin’ny fitokanana ny tempoly no hitantsika eto :

1-Vavaka ho an’ny vahiny (and41-43). Tena filazantsara ho an’ny firenena antsoina hoe: jentilisa izany hoe: tsy Jiosy ity vavaka ity , fa manambara ny fahasoavan’ Andriamanitra ataony mahatratra ny firenena rehatra. Koa io tempoly io dia tsy ho an’ny Jiosy ihany fa ho an’ny olona rehetra. Ary sambatra isika fa i jesoa no tena tempoly ho antsika ankehitriny (Jao 2.21). Isika koa heniky ny famonjeny .

2-Vavaka fifonana indray (and44-53) . Marina fa tao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka no nahavitan’ny tempoly. Fantatr’i Solomona anefa fatsy maintsy hisy ihany ady ary mety hisy loza koa aza ny fahababoana. Vavaka fangatahana famindrampo sy famelan-keloka ho an’ Israely momba izany no nataony. Ary moa tsy mampahatsiaro antsika ny vavaka nataon’i Jesoa koa ve izany ? F a hoy Izy mantsy an’i Petera: « indro satana efa nilofo nitady anareo hokororoiny toy ny vary , nefa izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao » (Lio 22.31-32).

 

3-Vavaka miorina amin’ny fifidianan’ny Tompo . Izay manavaka ity
ampaham-bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan’ny Tompo manokana ny Israely (and51,53) « fa olonao sy lovanao izy » .Ary koa » Fa Ianao Jehovah Tompo ô no manavaka azy tamin’ny firenena rehetra  ambonin’ny tany ho lovanao ».

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

 

 

 

 





3vavaka miorina amin4ny fifidianan4ny tompo ; izay manavaka ity
ampaham6bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan4ny tompo manokana
ny israely 5and(&?(« °

 

 






3vavaka miorina amin4ny fifidianan4ny tompo ; izay manavaka ity
ampaham6bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan4ny tompo manokana
ny israely 5and(&?(« °

 







3vavaka miorina amin4ny fifidianan4ny tompo ; izay manavaka ity
ampaham6bavaka ity dia noho izy mampahatsiahy ny fifidianan4ny tompo manokana
ny israely 5and(&?(« °

 


MANOKANA NY iSRAELY 5AND(&?(« °

Alatsinainy 04 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 8.22-40

Taorian’ny teny fitokanana dia nivavaka i Solomona :

1-Vavaka fampahatsiahivana (and22-26).

Naverin’i Solomona indray ireo teny fikasan’ny Tompo , toy ny nampahatsiahiviny Azy araka ny faminanian’Isaia aty aoriana hoe: « ianareo mpampahatsiaro an’i Jehovah , aza mangina » (Isa 62.6).

2-Vavaka ho an’ny trano natao( and 27-29) .

Izany no tena fanamasinana ilay trano ho fonenan’ny Anaran’ Andriamanitra , ka ny vavaka hataon’Israely dia hatao « manatrika » ity trano ity hanambarana ny fitodihana amin’Izy Tompo (and29).

3-Vavaka ho an’ Israely .Izany izao tapany voalohany amin’ny vavaka nataony izao , tahaka ny vavaka nataon’i Jesoa ihany raha nivavaka ho an’ny mpianany Izy aloha (Jao 17.6-19). Tena mila entina am-bavaka manko ny vahoakan’ Andriamanitra . Ary mariho fa ny mpanjaka no mivavaka ho an’ny fireneny eto . Lesona ho an’ny mpitondra rehetra izany .

4-Vavaka fifonana . Manintona ny saina ny mihaino ity vavak’i Solomona ity fa vavaka fifonana no tena mibahana ato : fangatahana famelankeloka ho an’Israely eo anoloan’ny zava-mafy mety hiseho , rehefa mivavaka , mifona ary « miala amin’ny fahotany » izy (and35)

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Alahady 03 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 8.12-21

Ny teny fitokanana nataon’i Solomona hitantsika eto dia miorina amin’ny fototra 3 lehibe :

1-Ny teny fikasan’ Andriamanitra . Ny Tompo no nampanantena fa hanome zanaka an’i Davida handimby azy ary io zanany io no hanao ny trano ho Azy . Tanteraka izany tamin’ny nanomezany an’i Solomona sy izao fahavitan’ny tompoly izao . Izany fahatanterahan’ny teny fikasana izany dia manambara ny toetrany mahatoky . Ary ny lehibe indrindra dia ny nahatanterahany ny teniny taminn’y nanomezany antsika an’i Jesoa , ilay taranak’i Davida (2 tIM é;_°;

2- Ny fankatoavan’i Solomona. Nambarany mazava teto ny nanekeny hanatanteraka izay nambaran’ny Tompo. Ny sitrapon’ny Tompo no narahiny ka nankatoaviny . Io fanahin’ny fankatoavana io no fanalahidin’ny fahombiazany ka nahavitany izao asa lehibe izao, asa lehibe izay nankasitrahan’ny Tompo ary nasehony tamin’ilay rahona nameno ny trano izany .

3-Ny fifikirana amin’ny fanekena . Io fanekena io , izay marihan’ny fiaran’ny fanekena sy ny didy folo ao anatiny , toy ny làlam-panorenana mampifamatotra ny firenena Israely amin’ny Tompo . Ny fitehirizana azy dia fanehoana ny fifikirana Aminy , ka ny Tompo manaiky ho Andriamanitry ny Israely ary ny Israely kosa manaiky ho olony . Tano koa ny fanekenao .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3