IFR Ankadifotsy / Planet Action

Nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana mpitsabo nify Alemana » Planet Action » sy ny Sekoly IFR Ankadifotsy.

Mpikambana « PLANET ACTION » avy any Allemagne

Notontosaina nandritry ny herinandro voalohany tamin’ iny Febroary 2019 iny ny fanaovana nify maimaimpoana ho an’ ny mpianatra sy ny mpanabe teo anivon’ny Institution FJKM RAINANDRIAMAMPANDRY Ankadifotsy. Olona teo amin’ny 150 no nisitraka izany. Torohevitra, fanetanana,fitsaboana, fikoloana ary fanalana nify no natao nandritra izany. Mpitsabo nify, manao asa an-tsitrapo 5 mirahavavy: Verena,Hannah,Martina,Christina ary Inga no nalefan’ny   fikambanana « planet action » avy any Alemana tamin’izany. Tanjona ny hanampy sy hanentana ny sekoly, ny ankizy tsy misy mpiahy any amin’ny firenena sahirana momba ny fahasalaman’ny ati-vava. Nahafaly ny vokatry ny asa na dia tsy ny rehetra aza no nahazo ny fizaham-pahasalamana hoy izy ireo. Nankasitrahan’izy ireo koa ny fandraisana makotroka sy ny fanomezana nataon’ ny sekoly IFR. Maro tamin’ireo mpianatra noraisin’izy ireo no afapo sy nankasitraka ny sekoly nikarakara ny fiaraha-miasa.

Ny sekoly IFR raha tsiahivina dia mbola ao anatin’ny fankalazany ny faha-40 taonany ankehitriny.

Veronica ANDRIANARISON

Santatra .Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV