Izay ambaran’ny mpanoratra eto dia sady mafy hatoka no tsy voafora fo sy sofina . Feno fanoherana ny Fanahy Masina. Feno tsy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny teniny . Tsy mba toy izany izay miorina amin’ny asa tsara .Manaiky ho feno ny Fanahy Masina hahatanteraka ny fikasana .
2-Feno fiadanam-po
Na dia teo aza ny fanenjehana nahazo an’i Stefana , nisy fiadanampo lalina izay nameno ny fony .Tsy natahotra fa feno ny Fanahy Masina , nibanjinany lanitra . Ianao koa mety hiharan’ny tora-bato noho ny amin’ny Tompo. raha miorina tsara ianao dia ho feno fiadanampo fa tsy handositra , fa tsy handositra akory .
3-Mahay mangataka ho an’ny fahavalo
Raha mitory marina ny Filazantsara ianao , tsarovy fa be no hanampi-tsofina , tsy hahazaka ny marina, ho maro ny fahavalo hanohitra anao . Hiharan’ny fitsaram-bahoaka tahaka an’i Stefana . Ny olo-marina miorina tsara dia afaka mangataka ho an’ny fahavalony , na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza.Tokony ho vonona sy hampiely ny Filazantsara daholo ny kristiana rehetra , eny na dia hitondra ho amin’ny fahafatesana aza ny fanaovana izany . Aoka hiorina tsara.
Fanontaniana :
Efa mba voatora-bato ve ianao tamin’ny fanatanetrahana ny asan’Andriamanitra ? Lazao
Niantefa tamin’ireo mpino tao Kolosia ny hafatr’i Paoly teto . Hafatra izay manambara ny tena fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’Andriamanitra dia Kristy (and2) . Jesoa no irafetan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra . Izy no loharanom-pifaliana maharitra ary fototry ny fampiraisana sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpino . Tena zava-dehibe amin’i Paoly ny vavaka ho an’ny hafa saingy arahiny asa amin’ny alalan’ny toromarika sy fampianarana . Fampiorenam-pinoana izany .Tsarovy fa manana adidy hahatsiaro manokana hivavaka , hamapahery ary hanolokolo ny finoan’ny hafa isika .
2-Mba tsy handairan’ny fampianaran-diso
« Ary izany no lazaiko , fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina » (and4). Rehefa notoriana ny Filazantsara dia maro ireo nanolo-tena . Teo anatrehan’izany dia misy ny nilaza fa tsy maintsy mandalo famorana aloha ireo .Tao koa ireo fepetra hafa momba ny sakafo azo hohanina . Mazava ny fanitsiana nentin’i Paoly hoe : « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana , na ny fisotro na ny voaloham-bolana na ny sabata . Aloky ny zavatra ho avy ireny , fa ny tenany dia an’i Kristy(and16) . Ho anao koa , aza manaiky handairan’ireo mpanjono am-bovo ianao , fa miorena tsara , aza miova . Ampy antsika i Jesoa Kristy Tompo . Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.
Fanontaniana :
Manana fotoana manokana hitondrana am-bavaka ny hafa ve ianao ? Manomeza ohatra .
Endrika fanoharana no hanehoan’i Jesoa ny afitsik’ireo mpampahory ny iraky ny Ray eto : fisamborana, fikapohana, famonoana, fitoraham-bato . Samy nahatsapa ireo lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo , fa izy ireo no mpiray tsikombakomba voalaza eto . Tsy niserana kely tao amin’izy ireo akory ny handini-tena na hibebaka fa vao mainka fikasana hisambotra an’i Jesoa ihany no nataon’izy ireo . Hoa anao koa, raha tsapanao fa mahakasika anao ny toriteny na fampianarana , moa ve mba hitondra fandinihantena , fibebahana ho anao izany sa sanatria ilay mpitory na mpitarika indray no hitadiavanao fomba rehetra hampahoriana na hampijaliana azy ? Atsaharo ny fanenjehana mpanompon’Andriamanitra .
2-Katsaho izay hahafaly ny Tompo
Indrisy fa ny mifanohitra amin’izany no nataon’ireo mpanofa voalaza eto amin’ny fanoharana . Tsy ampy azy ireo ny fampahoriana sy famonoana ny iraky ny tompotany fa nitohy tamin’ny fifofoana ny ain’ilay zanaka mpandova . Fanoharana maneho miharihary ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra no ambara eto . Tsy mahafaly ny Ray izany ka loza ho an’izay niavian’ny fahatafitohina . Tsotra no takiana tamin’ireto mpanofa ireto. Manaja ny fifanarahana , manaja ny iraka, manaja ny mpandova , manao izay hahafaly ny Tompo .
Fanontaniana mahakasika ny maha-Kristy marina an’i Jesoa no napetrak’ireo Jiosy taminy eto.Tsy namaly mivantana ny Tompo fa ny asa tsara izay nataony tamin’ny Anaran’ny Ray no porofo nentiny . Any amin’ny Mat 11.4-6 dia tanisain ‘i Jesoa mivantana kokoa ireo asa tsara maneho ny maha-Kristy Azy : « mahiratra ny jamba , afaka ny mandringa , diovina ny boka , malady ny marenina, atsangana ny maty ary ny malahelo dia hitoriana ny Filazantsara « .
2-Mahalala ny ondriny
Teo amin’ny Jiosy dia misy ny valanondry itambarana. Ny mpiandry ondry, mahalala ny ondriny ary ny ondry mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy . Raha tsy ny mpiandry azy no miantso ny ondry dia tsy mety hivoaka ao am-bala ireo ondry ireo . Jesoa Kristy Tompo , Ilay Mpiandry tsara dia sady mahalala ny ondriny no fantatry ny ondriny . Tsarovy fa fantatry ny Tompo ianao .
3-Manome fiainana mandrakizay
« Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay , ka tsy ho very izy mandrakizay… » (and 28a) Tsy mionona amin’ny famahana olana amin’ny ankehitrin’ny mpino ihany ny Tompo fa mikarakara sy manomana fiainana maharitra ho antsika ihany koa. Tsy vitan’izany fa mbola manome antoka ny Tompo hoe: » tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako » (and 28d)
Fanontaniana :
Inona avy ireo porofo manambara ny maha- Kristy an’i Jesoa ? Midika inona aminao ny fahafantarany anao?
« izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha mahatoky » (and 9a). Efa toe-tsaina Malagasy hatramin’izay ny fisorohana araka izay azo mba tsy hahazo tsiny . Teny roa natambatra no nahazoana azy io « tsy iny« : maneho izany fa « tsy iny » no tokony atao . Zavatra roa loha no ambara fa mahatonga ny tsiny . Mahazo tsiny izay manao ny tsy tokony atao ary tsy manao ny tokony hatao . Mandeha matoky kosa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra . Amin’izany dia ny fankatoavana ny Tenin’ny Tompo amim-panetrentena no tokony ho filamatra.
2-Mandeha am-pitiavana
« ny fankahalana dia manetsika ady fa ny fitiavana manarona fahotana maro« . Rehefa eo ny fitiavana dia manjaka ny fifandeferana na tranga tokony hiteraka disadisa aza dia vitan’ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana . Ny fifankahalana kosa manetsika ady ka na zava-madinika tsy toa inona aza dia miitatra .Izay mandeha am-pitiavana dia tsy mitahiry alahelo .
3-Mandeha am-pahamarinana
« Ho fiainana ny asan’ny marina « . Amin’ny ankapobeny ny asa tanterahantsika dia mizotra mankany amin’ny làlana roa samy hafa . Na mitondra ho amin’ny fiainana ,na mitarika any amin’ny ota sy fahafatesana . Antsika ny safidy . Koa mifidiana ny fiainana dia ho velona ianao , tsara fiafarana . Efa nohamarinin’ny Tompo tamin’ny Rany isika , ka aoka hanana fitondrantena mifanaraka amin’izany .
Fanontaniana :
Ahoana ny fahazoanao ilay fitenenana hoe : « ny fitiavana manarona ny ota rehetra » ? (Ohab 10.12b)
« Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany « (and1). Mampirisika ny fanaovana asa soa sy fiantrana ny Tompo . Voasoratra hoe : « Araraoty ny andro azo hanaovantsoa fa miharatsy izao fiainana izao » . Ny mpanao asa soa amin’izany dia mifantoka tsara amin’ny famahana olana ary fanomezam-boninahitra ny Tompo izay mibaiko sy maniraka .Raha manao ny asan’ny fahamarinany eo imason’ny olona kosa dia efa misitraka sahady ny valimpitia ety an-tany avy amin’ireo olona ireo . Ny fanompoana izay atao mivantana amin’i Jesoa kosa dia azo atao soa fianatra ho an’ny hafa. « Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny Filazantsara dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fahatsiarovana azy » (Mat 14.9)
2-Hahazoana valim-pitia avy amin’Andriamanitra
« … mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao , ary ny rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao (and4) « . Any amin’ny Tompo isika no mila sitraka fa tsy amin’ny olombelona tahaka antsika ihany . Hoy i Paoly Apostoly hoe : « Ary ankehitriny , olona va no ilako fitia sa Andriamanitra ? Raha mbola mila sitraka amin’ny olona aho dia tsy mpanomponi Kristy « . Araka izany dia zontsika ny mitady ny fankasitrahana avy Aminy .
Fanontaniana :
Inona no tokony hotandremana ho an’ireo izay hijoro vavolombelona araka ity fampianarana ity ?
Hafatra manodidina ny fitsanganana amin’ny maty no hita mialoha ity andinin-tSoratra Masina ity.Ny fahazoana antoka ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitaona ny mpino handray fanapahan-kevitra hiroso amin’ny lalina amin’ny fanompoana.Hiorina tsara ao amin’i Jesoa Ilay vato fehizoro.Izay miorina tsara ao Aminy dia tsy mba hangozohozo na sanatria hokaon’ny riaka fa ho toy ny trano miorina ambony vatolampy ka tsara fototra ary mijoro hatrany na inona na inona tafiotra.
2-Aza miova
Oharina amin’ny rantsana iray amin’ny hazo midorobaka ny mpino eto ka ampirisihana mba tsy hisaraka amin’ny hazo izay misy azy.Tsy hiova famindra ary tsy handairan’ny fampianaran-diso etsy sy eroa. Hitoetra ho mahatoky ary hitana mafy izay ananany ka tsy hisy haka ny satroboninahiny. Mitana hatrany ny hafanam-po amin’ny fanompoana. Miroso hatrany fa tsy mihemotra.
3-Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo
Oharina amin’ny rano izay feno ary mitobaka mihoatra ny faritra misy azy ny teny hoe : « mahefà be » eto. Midika izany fa tsy mety amintsika ny manao soa tapany na zara fa vita. Fanompoana lavorary,vita tsara ara-potoana araka ny tokony ho izy no ambara amin’izany. Ataovy izay faran’ny herinao hahazoana vokatra tsara ho an’ny Tompo.
Fanontaniana :
Inona izao no efa tsara tokony hotohizanao hatrany ary inona kosa no fahazarana ratsy efa tokony hialana ?
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany .Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka sady tsy misy fitaka ny fanahiny.”
« Sambatra ny mahitsy lalana, … » (Salamo 119 :1,2)
Hira FFPM 170 2,4« Mahery ny fitiavanao »
Fiaiken-keloka : Vavaka fifonana
Famelan-keloka : I Petera 2 :24 Hoy ny Soratra Masina:
“ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary « ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo »
Noho izany dia voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina, miderà ny Tompo.
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izaay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny .”Amen
Hira FFPM 141 2,5 “Lasa ilay tahotrao”
Fanekem-pinoana (laharana fahatelo)
Raharaham-piangonana
Fanatitra
Hira Chorale na FFPM 310 “Misy maro ao an-tsaha mitaraina”
Vavaka fanolorana ny Rakitra : Hira FFPM 275 1,2,3 “Raisonao ry Tompo Soa, ny fanatitray izao”
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny Tanora (Hiran’ny Sekoly Alahady)
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
………………………………………………………………….
HAFATRA
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny aumônerie FJKM dia faly mamangy ny isam-piangonana amin’ny alalan’izao hafatra izao. Miarahaba ny FJKM afaka manantanteraka sy miatrika ny SYNODA LEHIBE FAHA-19 izay tanterahina any SAMBAVA amin’izao fotoana izao. Ny Fanahy Masina anie hanolo-tsaina sy homba ireo solontenan’ny fiangonana any mba ahalavorarian’izany fivorian’izany an-tsakany sy an-davany ary hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra.
Ny aumônerie FJKM dia mampahery ny fiangonana rehetra sy ny kristiana ao aminy noho ity valan’aretina COVID 19 ity izay mbola tsy lefy mandraka ankehitriny. Nanomboka ny 01 Mey 2021 dia nivelatra ary afaka namangy ireo toerana rehetra nandray ireo marary ny Covid 19 isika. Isaorana ireo mpitandrina sy mpiandry izay namaly ny antson’ny Aumônerie hanatevin-daharana ny famangiana sy fampaherezana natao na ny teto Antananarivo renivohitra izany na ireo tany amin’ny isaky ny Synodamparitany. Isaorana manokana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana izay nitarika ireo mpisehatra tamin’izany fanompoana izany. Hatramin’ny faran’ny volana Jona 2021 lasa teo, raha ny teto anivon’ny fandrindrana nasionaly dia miisa 171 ny fitsidihana vita, ka marary 4210, mpanaraka marary 2435, mpiasan’ny fahasalamana 1648 no nampaherezina sy notroina am-bavaka, nomena trakta misy tenin’Andriamanitra avy amina mpitandrina maro. Nandritra izay fotoana izay, ireo mpitandrina sy mpiandry 49 izay nanoina ny antso dia niasa tamin’ireo toerana 25 nandray ny marary, CTC, HOPITALY, HOTEL HOPITAL. Raha atambatra izany dia in-331 ireo mpitandrina no namangy ary in- 245 kosa ny mpiandry. Mitaona antsika ry havana, hanamafy hatrany ny vavaka sy ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hiorenantsika tokoa ao amin’i Jesoa Kristy fa «…na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. » Romana 8 : 39.
Ny fihaonamben’ ny Aumônerie dia hotanterahina ny 24-27 Oktobra 2021 any Antsirabe. Ampitaina amintsika aoriana ny fandaminana momba izany, ary mangataka amin’ny Tompo isika hialoha lalana amin’ny fanomanana rehetra.
Ry havana, isaka ny Alahady fahatelo amin’ny volana Aogositra toy izao no fotoana izay natokantsika hitrotroana am-bavaka sy hanohanana ny asan’ny Aumônerie FJKM. Raisinay am-pitiavana ny fanohanana amin’ny endriny rehetra azon’ny fiangonana atao. Ampirisihina ny isam-piangonana amin’ny fanantanterahana ny tetik’Asa A-Z. Hery lehibe ho an’ny Aumônerie tokoa izany ka isaorantsika. Ny rakitra vitantsika dia azo aterina mivantana aty amin’ny Aumônerie Foibe, na arotsaka amin’ny Compte Bancaire.
« miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15 :58
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Ny Filohan’ny Komity Foibe Aumônerie, Ny Mpandrindra Nasionaly,
RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina
Raha misy fanamarihana dia afaka miantso ny 034 17 030 22 isika. Hanehoanay fialantsiny mialoha etoana raha sanatria misy latsaka tao anatin’ny tatitra kanefa nandrotsaka Rakitra Alahadin’ny Aumônerie 2020. Marihina fa ny rakitra voaray nanomboka ny 11 Aogositra 2021 ka hatramin’ny 07 Jolay 2021 no voarakitra ato.
« Raha misy malahelo ny rahalahinao eo an-tanànanao anankiray amin’ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao,… » (and. 7a) . Aza odiana tsy hita ny hetahetan’ny mila vonjy. Jereo ireo mpiray tanindrazana, ireo fianakaviana, ireo ankohonana, ireo mpianakavin’ny finoana akaiky anao . Jereo ny fahoriana, ny fijaliana, ny fahantrana, fantaro ny olana fototra . Ampiasao ny maso, ny sofina, ny fonao. Aoka ianao hanana fo antra, fo mangoraka. Tsy ankasitrahan’ny Tompo raha hitazam-potsiny sy hanilika andraikitra ianao.
Tsarovy fa hitsaràna anao any am-parany ny toetra amam-pihetsika nataonao tamin’ireny ondry kelin’i Jesoa ireny. Eto ny Tompo dia mitodika manokana amintsika izay mahatsiaro fa nandray maimaimpoana.
2- Raisio ny andraikitrao
« Fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy » (and.8) . Aoka halala-tanàna amin’ireo mahantra ianao. Ho fanampiana mahavonjy poritra, mahavaha olana no ilaina fa tsy vahoaka matin-ketaheta no omenao rano indray mitete. Miankina amin’ny ilain’ny sahirana ny vonjy rano vaky eto fa tsy miankina amin’izay efa noheverin’ny mpanome mialoha . Fanampiana mifanandrify amin’ny taraina sy ny zava-misy mianjady amin’ireo mila vonjy izany.
Fanontaniana :
Inona no anjara asan’ny Fiangonana manoloana ireo mpiray tanindrazana amintsika any Atsimon’ny Nosy?