Alahadin’ny Aumônerie 2021

Alahady 15 AOGOSITRA 2021

« MIORENA AMIN’NY ASA TSARA  »

  1. Fiarahabana Apostolika : « Efesiana 1 : 2a »
  2. Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra :
  3. Salamo 46 :1-7
  4. Hira FFPM 08 « Dera, laza, hery , haja »
  5. Vavaka fisaorana sy fiderana
  6. Sitrapon’Andriamanitra : Jaona 16 :33

« Sambatra ny mahitsy lalana, … » (Salamo 119 :1,2)

  • Hira FFPM 170 2,4« Mahery  ny fitiavanao »
  1. Fiaiken-keloka : Vavaka fifonana
  2. Famelan-keloka : I Petera 2 :24  Hoy ny Soratra Masina: 

“ary Izy nitondra ny fahotantsika  tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary « ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo »

Noho izany dia voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina, miderà ny Tompo.

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izaay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny .”Amen

  • Hira FFPM 141 2,5 “Lasa ilay tahotrao”
  1. Fanekem-pinoana (laharana fahatelo)
  2. Raharaham-piangonana
  3. Fanatitra
  4. Hira Chorale na FFPM 310 “Misy maro ao an-tsaha mitaraina”
  5. Vavaka fanolorana ny Rakitra : Hira FFPM 275 1,2,3 “Raisonao ry Tompo Soa, ny fanatitray izao”
  6. Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :
  7. Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny Tanora (Hiran’ny Sekoly Alahady)

Hira FFPM  808 “Eo an-tratranao Jesosy”

  • Hira FFPM 190 1,2“Ry Fanahy Mpanazava, miandrandra”
  • Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina
  • Vakiteny :
  • Ohabolana : 14 :22-27
  • Lioka 18 : 18-30
  • II Korintiana 9 :6-15
  • Hira FF 39 1,2 « Ray ô! mba faniriako »
  1. Toriteny

 Hira : Chorale

  1. Vavaka Fangatahana faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo
  2. Asa vavolombelona
  3. FAMARANANA

Hira FFPM 545 « Endrey izany hafaliana »

Hafatra

Tso-drano : Nomery 6 : 24 – 26

Vavaka mangina

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

………………………………………………………………….

HAFATRA

Ry havana malala ao amin’ny Tompo,

Ampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny aumônerie FJKM dia faly mamangy ny isam-piangonana amin’ny alalan’izao hafatra izao. Miarahaba ny FJKM afaka manantanteraka sy miatrika ny SYNODA LEHIBE FAHA-19 izay tanterahina any SAMBAVA amin’izao fotoana izao. Ny Fanahy Masina anie hanolo-tsaina sy homba ireo solontenan’ny fiangonana any mba ahalavorarian’izany fivorian’izany an-tsakany sy an-davany ary hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra.

Ny aumônerie FJKM dia mampahery ny fiangonana rehetra sy ny kristiana ao aminy noho ity valan’aretina COVID 19 ity izay mbola tsy lefy mandraka ankehitriny. Nanomboka ny 01 Mey 2021 dia nivelatra ary afaka namangy ireo toerana rehetra nandray ireo marary ny Covid 19 isika. Isaorana ireo mpitandrina sy mpiandry izay namaly ny antson’ny Aumônerie hanatevin-daharana ny famangiana sy fampaherezana natao na ny teto Antananarivo renivohitra izany na ireo tany amin’ny isaky ny Synodamparitany. Isaorana manokana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana izay nitarika ireo mpisehatra tamin’izany fanompoana izany. Hatramin’ny faran’ny volana Jona 2021 lasa teo, raha ny teto anivon’ny fandrindrana nasionaly dia miisa 171 ny fitsidihana vita, ka marary 4210, mpanaraka marary 2435, mpiasan’ny fahasalamana 1648 no nampaherezina sy notroina am-bavaka, nomena trakta misy tenin’Andriamanitra avy amina mpitandrina maro. Nandritra izay fotoana izay, ireo mpitandrina sy mpiandry 49 izay nanoina ny antso dia niasa tamin’ireo toerana 25 nandray ny marary, CTC, HOPITALY, HOTEL HOPITAL. Raha atambatra izany dia in-331 ireo mpitandrina no namangy  ary in- 245 kosa ny mpiandry. Mitaona antsika ry havana, hanamafy hatrany ny vavaka sy ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hiorenantsika tokoa ao amin’i Jesoa Kristy fa «…na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. » Romana 8 : 39.

Ny fihaonamben’ ny Aumônerie dia hotanterahina ny 24-27 Oktobra 2021 any Antsirabe. Ampitaina amintsika aoriana ny fandaminana momba izany, ary mangataka amin’ny Tompo isika hialoha lalana amin’ny fanomanana rehetra.

Ry havana, isaka ny Alahady fahatelo amin’ny volana Aogositra toy izao no fotoana izay natokantsika hitrotroana am-bavaka sy hanohanana ny asan’ny Aumônerie FJKM. Raisinay am-pitiavana ny fanohanana amin’ny endriny rehetra azon’ny fiangonana atao. Ampirisihina ny isam-piangonana amin’ny fanantanterahana ny tetik’Asa A-Z.  Hery lehibe ho an’ny Aumônerie tokoa izany ka isaorantsika. Ny rakitra vitantsika dia azo aterina mivantana aty amin’ny Aumônerie Foibe, na arotsaka amin’ny Compte Bancaire.

« miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15 :58

          Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. 

Ny Filohan’ny Komity Foibe Aumônerie,                                                 Ny Mpandrindra Nasionaly,  

RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina            RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

IREO SYNODAMPARITANY SY FITANDREMANA

nandrotsaka RAKITRA ALAHADIN’NY AUMÔNERIE 2020

SPFITANDREMANAVola (Ar) / Zavatra
SP AFOVOANY ANDREFANA (01)
1Marianina Hermona          22 600,00  
1Antaniimarina Fiderana            7 800,00  
 SP ALAOTRA CHROME (03)
3 Faneva Famonjena Ambohipeno            8 000,00  
3 Karmela Ambohitrarivo          27 600,00  
3Moria Antsakoana            8 500,00  
3 Ziona Fanantenana            5 200,00  
 SP AMORON’I MANIA AMBOSITRA (06)
6Imerina          10 200,00  
6 Manirisoa Salema            4 200,00  
6 Tsarasaotra            2 000,00  
SP AMBOVOMBE ATSIMO KRISTY RANOVELONA(07)
7  Salema Vaovao Fort Dauphin       82 400,00  
 SP ANTANANARIVO ANDREFANA (10)
10 Ambatomena        103 400,00  
10 Anosizato HebronaVary 02 gony
10 Amparibe Famonjena          50 000,00  
10 Salema Vaovao          20 000,00  
10 Ambohijafy Fanantenana          40 000,00  
10 Ambohibao Antehiroka          20 000,00  
10 Soavimasoandro Fahazavana        100 000,00  
10FJKM Soanierana Firaisana          30 000,00  
10 Ambohijatovo Fitiavana          50 000,00  
10Aumônerie SPAA 10       263 100,00  
 SP ANTANANARIVO ATSIMO (11)
11 Ifarihy Famonjena          20 000,00  
11Jack Raymond mivady, Tangaina F,          10 000,00  
11 Fiadanana Martiora          23 700,00  
11 Ambohijanaka Gara Fitiavana          15 000,00  
11 Ankadimbahoaka          50 000,00  
 SP ANTANANARIVO ATSINANANA (12)
12 Betafo vavolombelona Ambohimangakely35 200,00  
12Ambatoroka Finoana          31 400,00  
12Imerinkasinina          45 000,00  
12 Ambohimiandra129 300,00  
12 Ambatolampy Fieferana          15 000,00  
12 Isoavinandriana Fihavaozana          10 000,00  
12 Andrainarivo Fahasoavana        132 000,00  
12 Anonimasina Ziona        110 700,00  
12FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy37 500,00
SPFITANDREMANAVola (Ar)
 SP  ARIVONIMAMO VAOVAO (13)
13Ziona F, Imerintsiatosika        142 000,00  
13Ampamoa            8 800,00  
13Madera Sakaizan’iKristy            4 200,00  
 SA ATSIMON’IARIVO MIRAY (15)
15AmpangabeFamonjena          22 500,00  
15AlatsinainyBakaro          48 500,00  
 SA IARIVO AVARADRANO (19)
19         100 000,00  
19Analamahitsy          20 000,00  
19Ambohitrinimanga          20 000,00  
19Analamahitsy        100 000,00  
 SP BEMARAHA (21)
21Betela Vaovao Maintirano          72 300,00  
 SP MANANJARY PANGALANA (23)
23SP Mananjary Pangalana          65 200,00  
 SP MATSIATRASOA (25)
25Fehizoro Mampiray          15 000,00  
 SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (27)
27Ankotrabe            3 800,00  
27Ambohimirary            6 000,00  
27Manjakatompo          14 900,00  
27Sanganoro Fahazavana          19 300,00  
 SP MANDRINDRANO MPIAMBINA SOAVINANDRIANA ITASY (29)
29Hermona Soavinandriana Itasy        100 000,00  
 SP TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA (31)
31BetelaTanambao V Toamasina354 400,00  
31Tranovato Fitiavana           100 000,00  
31Zoara Famonjena Ankirihiry           100 000,00  
31Manareza Vavahady       70 000,00  
 SP FAHAZAVAN’ATSIMO ANDREFANA (36)
36PE Bemanonga            6 700,00  
 SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)
38Manjakatompo            6 100,00  
 SAMIHAFA
 Seminera Ambatobevanja          16 300,00  
 ANDRIAMAMPIARIMANANA Germain Mianakavy          10 000,00  

Raha misy fanamarihana dia afaka miantso ny 034 17 030 22 isika. Hanehoanay fialantsiny mialoha etoana  raha sanatria misy latsaka tao anatin’ny tatitra kanefa nandrotsaka Rakitra Alahadin’ny Aumônerie 2020. Marihina  fa ny rakitra voaray nanomboka ny 11 Aogositra 2021 ka hatramin’ny  07 Jolay 2021 no voarakitra ato.

         

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV