Alatsinainy 10 Janoary 2022

Habakoka 3. 17 -31

Ny toetry ny olona mahatoky an’Andriamanitra

Ity Soratra Masiana voalahatra anio ity dia ao anatin’ny vavaka nataon’i Habakoka, hanehoany ny fahatokiany an’Andriamanitra:

1- Manana fanantenana (and 17)

Tsy tokony hanadino isika fa mety handalo eo amin’ny fiainana ny olana samihafa; mety hisy ny fahadisoam-panantenana rehefa tsy araka izay nokasaina no mitranga ; mety hiatrika fahoriana nohon’ny ataon’ny hafa isika, tahaka izay nanjo ny Israely noho ny nafitsoky ny Babyloniana. Ankoatr’izany dia ao koa ireo loza voajanahary, toy ny hain-tany, ny tondra-drano, ny horohoron-tany sns… Ireny rehetra ireny no mazàna mahakivy ny olona ka mahatonga azy hanadino fa Andriamanitra no mpiaro ny olony. Manoloana izany dia asehon’i Habakoka fa tsy azo hozongozonina ny finoana sy ny fahatokiany an’Andriamanitra: « Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy … » (and.17). Azony antoka fa ny zavatra rehetra dia eo ambany fahefan’Andriamanitra mpahary.

2- Mankalaza an’Andriamanitra (and.18)

Ny olona miorina tsara amin’ny finoana dia afaka mifaly sy hankalaza an’Andriamanitra na dia anatin’ny fotoan-tsarotra aza. « Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany, sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. » (and.18). Satria miorina tsara ny fahatokiany ny famonjen’Andriamanitra, afaka manovo hery avy Aminy izy ka mahatsiaro ho mpandresy. « Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy amin’ny havoanako » (z,d.19). Isika koa dia mpandresy tahaka azy noho ny amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy araka ny voasoratra hoe : « Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra nohon’ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika ». ( Rom. 8.37).

Fanotaniana:

Inona no andraikitry ny Fiangonana manoloana ny hain-tany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 09 Janoary 2022

Jakoba 1. 16 – 21

Andriamanitra no loharanon’ny fahatsarana rehetra

Mety hisedra fakam-panahy sy fizahan-toetra ny mpino indraindray, inona ary no tokony hatao manoloana izany ?

1- Matokia Azy fa zanany isika

Ny fizahan-toetra dia ataon’Andriamanitra mba hampiorina tsara ny finoantsika, fa ny fakam-panahy kosa dia avy amin’ny devoly. Ka na mizaha toetra antsika aza Andriamanitra, dia tokony ho tsarovana mandrakariva fa tsy miova Izy, Andriamanitra dia tsara no sady mpanao ny tsara,. « Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony … » (and. 17). Mahatoky Izy , efa noraisiny ho zanany isika, noho ny amin’ny fanavotana izay nataon’i Jesoa Kristy. Izy no miahy antsika amin’ny zavatra rehetra, ka tsy maintsy ho tanterahiny izay rehetra nampanantenainy. Fa hoy ny Soratra Masina : « Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika » (and. 18) .

2- Ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra

Isika dia mahalala fa amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra no andraisantsika ny zava-tsoa rehetra avy Aminy. Tokony hanokana fotoana betsaka isika hihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ny olana mpahazo antsika dia ny tsy fahaiza-mihaino ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa mivavaka isika dia miteny sy miresaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Matetika dia izao no miseho : ny fotoana itenenantsika Aminy no betsaka kokoa raha ampitahaina amin’ny fotoana ihainoantsika ny Teniny. Ny olona malady miteny dia malaina mihaino sady mora tezitra, satria tsy mahay mihaino ny hafa. Izany no ilazan’ny Soratra Masina amintsika hoe : « Aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra »

Fanontaniana :

Nahoana no malaina mihaino toriteny ny olona sasany?

Sampana Sekoly Aalahdy FOIBE FJKM

Sabotsy 08 Janoary 2022

1 JAONA 2.15-17

Mpivahiny isika no eto

Mampahatsiahy ny toerana misy antsika mpino sady manoro izay tokony ataontsika ny Soratra Masina, araka zao manaraka izao :

1-Aza tia izao tontolo izao

Ny hoe : « izao tontolo izao » dia entina ilazana ny rafim-piaraha-monina tantanan’ny olona eo ambany fahefan’ny devoly ka tsy manaraka ny sitrapon’Andriamanitra . Ny hoe : tia izao tontolo izao dia mankamamy fahafinaretana sy manoka-tena amin’ny zavatra efa hita fa manohitra an’Andriamanitra .Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray (and15b) .Satria ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao , izany hoe : ny filan-dratsy maha-olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao , dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao (and16) .

2-Katsaho ny mandrakizay

Tsy ratsy ho azy akory ny mihary harena na ny mikely aina , mitady vola fa ny vola enti-mikatsaka izany no maharatsy azy , raha toa ka mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra . Fitaovana eo am-pelatànan’ny olona hanompoana an’Andriamanitra sy hikatsahana ny fiainana mandrakizay ny vola aman-karena , fa tsy natao hotompoina na hisolo ny toeran’Andriamanitra ao am-po. Izany no ilazan’i Jesoa hoe: « Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo « (Matio 6.24). Tsy tokony hiray zioga amin’ireo olona miaina amin’ny faharatsiana ny kristiana fa tokony hijoro ho fanasina sy fahazavana eto amin’izao tontolo . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra andrasana amin’ny fiangonana manoloana ny ady amin’ny kolikoly ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 8 Janoary 2022

1 Jaona 2. 15 – 17

Mpivahiny isika no eto

Mampatsiahy ny toerana misy antsika mpino , sady manoro izay tokony hataontsika ny Soratra Masina araka izao manaraka izao:

1- Aza tia izao tontolo izao

Ny hoe « izao tontolo izao » dia entina ilazana ny rafi-piarahamonina tantanan’ny olona eo ambany fahefan’ny devoly ka tsy manaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ny hoe « tia izao tontolo izao » dia mankamamy fahafinaretana sy manokan-tena amin’ny zavatra efa hita fa manohitra an’Andriamanitra. « Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao antiny ny fitiavana ny Ray. » (and 15b). Satria ny zavatra rehetra izay ao anatin’izao tontolo izao, izany hoe ny filan-dratsin’ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao (and 16).

2- Katsaho ny mandrakizay

Tsy ratsy ho azy akory ny mihary harena na ny mikely aina, mitady vola fa ny fomba enti-mikatsaka izany no maharatsy azy, raha toa ka mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Fitaovana eo am-pelatanan’ny olona hanompoana an’Andriamanitra sy ikatsakahana ny fiainana mandrakizay ny vola aman-karenan fa tsy natao hotompoina na hisolo ny toeran’Andriamanitra ao am-po. Izany no ilazan’I Jesoa hoe: « Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna* ianareo. » ( Mat 6.24). Tsy tokony hiray zioga amin’ireo olona miaina amin’ny faharatsiana ny Kristiana sady tokony hijoro ho fanasina sy fahazavana eto amin’izao tontolo izao. Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.

Fanontaniana:

Inona no andraikitra andrasana amin’ny Fiangonana manoloana ny ady amin’ny kolikoly ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 07 Janoary 2022

APOKALYPSY 21.6-8

Ny Tompo no fiandohana sy fiafarana

NySoratra Masina dia manambara fa ho levona avokoa izao tontolo izao ary havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra .Andriamanitra kosa no tsy miova .

1-Ireo izay tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra

Isan’izany ny « osa », ireo kanosa ka tsy sahy manohitra an’isatana sy ny heriny ka mandà ny Anaran’i Jesoa kristy Tompo , dia ny tsy mpino . Izany dia entina ilazana ireo izay manohitra an’i Kristy , ny vetaveta, dia ireo izay manaraka ny fanompoantsampy , ny mpamono olona ,ny mpijangajanga, ny mpangalatra, ny mpandainga .Ireny karazam-pahotana ireny no manimba ny fo amam-panahin’ny olona ka mitondra azy amin’ny fahaverezana mandrakizay .Ny fanavaozan’Andriamanitra dia manomboka teo, amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Izany no fiandohan’ny lanitra vaovao sy tany vaovao .

2-Ireo izay handova ny fanjakan’Andriamanitra

« Izay maharesy no handova izany zavatra izany ; ary ho Andriamaniny Aho ary izy ho Zanako » (and 7). Ny fandresena dia tsy avy amin’ny ezaka nataon’ny olona , fa fahasoavana avy amin’izay nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy araka ny voasoratra hoe: « Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta » (and6) .Izany dia entina manamafy fa mamaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra . Koa tsy misy afaka hihambo ho mpandresy ny faharatsiana rehetra raha tsy izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjy azy teo amin’ny fiainany .,dia ireo izay manaiky ny fanavaozan’Andriamanitra . Ireo no zanany ,ka ho mpandova ny fanjakan’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Azoao antoka ve fa handova ny fanajakan’Andriamanitra ianao?

Sampana Sekoly Aalahdy FOIBE FJKM

Alakamisy 06 Janoary 2022

1 JAONA1. 5-10

Mandehana araka ny mazava

Zava-dehibe mahakasika ny fahatanterahan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy ny fiombonan’ny samy mpino no ambaran’ny Soratra Masina ho antsika anio :

1-Andriamanitra dia mazava (and5-7)

Ampifanoherin’ny mpanoratra ny mazava sy ny maizina . Ny mazava dia manambara an’Andriamanitra izay marina , sady madio no masina . Ny aizina kosa dia endriky ny fahotana sy ny tsy fahamarinana.Tsy afaka miaraka ny mazava sy ny maizina . Ny olona mandeha amin’ny maizina dia ireo izay miaina anaty fahotana sy fahalotoana ,fa ny olona mandeha amin’ny mazava kosa dia izay miaina araka ny fahamarinan’Andriamanitra ao amin’ny teniny .Izay miezaka handeha araka ny mazava dia manana firaisana amin’Andriamanitra , sady afaka hanana fiombonana marina . Ka na misy aza ny tsy fahatanterahana , ny Ran’i Jesoa Kristy no manadio mba hananana firaisana Aminy .

2-Maneke hodioviny (and 8-10)

Melohina ho mpandainga sady mamita-tena izay milaza fa mpiombona amin’Andriamanitra , kanefa mandeha amin’ny maizina (and6,8), sady mpandainga no mampandainga an’Andriamanitra .Misy mantsy karazan’olona izay tsy mba mety miaiky ny fahotany sy ny fahadisoany , fa mihambo ho tsy manana ota. Sakana lehibe tsy hahafahan’Andriamanitra manazava ny fiainany izany . « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » (and9) . Ny hoe: « miaiky » dia mahatsapa tena fa diso ka maniry ny hodiovin’Andriamanitra .Amin’izany dia azo antoka fa hamela ny fahotantsika rehetra Izy .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona tsy hahay miaiky ny fahadisoany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FJKM / Taona vaovao

Fitondrana ambavaka ny Taom-piasana 2022 sy

fitondrana ambavaka ny Filoha mianakavy