Zoma 28 Oktobra 2022

2 TANTARA 34.29-33

Mampiavaka an’i Josia mpanjaka ny fahasahiany nanao fanitsiam-pivavahana tamin’ny androny rehefa hita indray ny bokin’ny lalàna .Modely noomen’ity mpanjaka hendry ity fa manana adidy isika :

1-Hanao izay handrenesan’ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra (and30)

«  dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema …na lehibe na kely dia novakiany teo antrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena … » hoy ny fitantarana eto .Maneho amintsika izany fa rehefa resy lahatry ny Tenin’Andriamanitra i Josia dia noraisiny ho andraikitra ny manao izay hampitana izany ko amin’ny mpiray firenena aminy , amin’ny sokajin’olona rehetra araka ny voatanisa eto . Moa ve tsy izany koa no nataon’i Jesoa ? Hitaomana antsika izany tsy ho tafandry mandry fa rehefa mahalala izany amin’ny hafa .Torio àry ny teny .Hamafiso ny tafika masina !

2-Hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika (and31)

« Ary ny mpanjaka dia nanao fanekena teo anatrejan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny … »Tsy mputari-bato vilam-bava i Josia ary tsy hoe : mitory ka tonga amin’ny hoe : « aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho « , fa izy tenany mihitsy no lohalaharana maneho ampahibemaso ny fahavononany hanompo an’Andriamanitra .Tsy menatra izy ary tsy misy fihambahambana kely akory , sady tsy tamin’ny teny ihany fa narahiny asa izany ka « manaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’israely izy » (and 33).Isika koa taomina haneho miharihary ny finoantsika amin’ny teny sy asa.

Fanontaniana :

Inona n manakana anao tsy hanao tahalka an’i Josia ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny MF/ 03 SL XIX

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 03 SL XIX
CFD Ampandrana: 12 – 19 Oktobra 2022

Ry Havana malala,
Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara
an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. (2 Pet 1. 2).
Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita soa aman-tsara ny fifampiofanan’ny Mpitandrina mivady, ary tontosa ihany koa ireo fihaonambe samihafa teto amin’ny sahan’ny FJKM. Misaotra an’Andriamanitra isika fa voapetraka tamin’ny fomban’ny Fiangonana, ny Sabotsy faha 15 Oktobra 2022, tao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ireo Talen’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina, ny Talen’ny Arsiva, ary ny Komitin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy sy ireo solotenantsika ao amin’ny Komity Mpitantana Iombonana eo anivon’ny FFPM amin’ny sehatra samihafa.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo ny 12 – 19 Oktobra
2022 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:
 Mitaona ny Kristiana FJKM hirotsaka amin’ny fiofanana ho misionera, mitohy izany, mba hahazoana
manjohy ireo VOMM naorina sy hitory ny filazantsara amin’ny ankizy sy ny tanora.
 Mivavaka isika mba ho tontosa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 55 taonan’ny FJKM amin’ny taona 2023.
 Manainga antsika hivavaka sy hiomana ho amin’ny Synodampinoana faharoa ny 11 – 14 Mey 2023, any
amin’ny SP Amoron’i Mania Ambositra raha sitrapon’ny Tompo ka handinihana ny lohahevitra momba ny
fahamarinana sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanambadiana.
 Mampiomana ny Loholona sy ny Diakona rehetra amin’ny fihaonamben’izy ireo ny 15 – 18 Aogositra 2023 raha sitrapon’Andriamanitra. Hampitaina miandalana ny andinindininy mikasika izany. Ampiomanina toy izany koa ny Katekista amin’ny fihaonambeny ny 11 – 14 Jolay 2023.
 Manentana antsika hiroso amin’ny fanaovana fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy any anivon’ny Fiangonana sy ny Sekoly FJKM.
 Mampirisika antsika Kristiana FJKM hampianatra ny zanatsika amin’ny Sekoly sy ny Oniversity FJKM fa
azo tsapain-tanana ny ezaka sy ny vokatra tsara vitan’ny sekolintsika.
 Mampirisika ny SP sy ny Fitandremana mba hanangana sekoly FJKM, hanatrarantsika ny vina hanangana
sekoly 111 ato anatin’izao fe-potoam-piasana izao; ary isaorana ny Tompo ny efa nahafahana nanorina
sekoly 41 sahady taorian’ny Synoda Lehibe faha XIX.
 Atomboka ny fampiharana ny SOMAIA (Soratra Masina Iainana) ka ny ambaratonga voalohany no
hisantatra izany, ary FPMP miisa 7 no hanao izany.
 Taomina isika hanohana ny Sekolintsika amin’ny alalan’ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly ankilany ary amin’ny fanokanana ny 2% amin’ny tetibolan’ny Fiangonana ho an’ny Sekoly andaniny ary angatahina isika handrotsaka manontolo ny rakitra Alahadin’ny Sekoly any amin’ny Foibe Fitondran-tSekoly.
 Hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 25 taonan’ny toeram-panomanana Mpampianatra (IFRP) isika
ny taona 2023, ampitaina miandalana amintsika ny andinindininy mahakasika izany.
 Mankasitraka eram-po ny Mpitandrina sy ny Prezida Synodaly rehetra miaraka amin’ny Birao isan-tsokajiny amin’ny fiahiana ireo Mpiasa Iombonana sy ireo mpiasa misotro ronono ary ireo vady navelan’ireo efa nodimandry.
 Misaotra antsika amin’ny ezaka famitana ny adidy na dia eo aza ny fahasahiranana sy fahasarotana
samihafa ary manentana antsika am-pitiavana hatrany koa ny amin’ny Kofehy Volamena izay 200 Ar
isan’olona isan-taona.

 Mankasitraka manokana ny fanehoantsika fiombonana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanohanana ny
mpiasan’ny Foibe Ifanomezantsoa izay efa nataonareo tamin’izy ireny dia efa nataonareo tamin’ny Tompo
koa (Mat 25. 40)
 Taomina isika ry havana hiroso amin’ireo tetikasa samihafa ho loharanom-bola maharitra na eny anivon’ny Fitandremana na ny Synodamparitany na ny Faripiadidiam-pampianarana.
 Eo am-pamokarana “Application” isika FJKM ankehitriny. Izy io dia maneho ny finoana sy ny fihariana
hahafahan’ny mpianakavin’ny finoana mitory ny filazantsara sy mifampivavaka, mampahafantatra ny
fitandremana tsirairay sy ny asany ary ny fandrosoany, manome ho amin’ny asa tsaran’ny finoana ary koa
manao takalo ara-barotra.
 Mampirisika ny isam-pitandremana hanangana ny Vaomieran’ny Fananana ka hanao ny dingana samihafa ho fiarovana sy ho fikajiana ny fananantsika FJKM.
 Manentana ny isam-pitandremana mba hiroso amin’ny “Rakitra Soa”, hanaovana asa sosialy (anatiny sy
ivelany) ho fanehoana fiombonana sy fifampiahiana.
 Miantso ny tsirairay hahatsiaro fa sarobidy ny aina sy ny maha olona ka tokony harovana sy tsinjovina
mandrakariva, singanina manokana amin’izany ireo zaza varira.
 Mijoro hatrany ny FJKM mampahatsiaro fa masina ny fanambadiana ka tsy ekena ny fiarahan’ny mitovy
fananahana.
 Manainga ny mpitondra fanjakana hampanjaka ny fahamarinana sy handray andraikitra manoloana ny
fahantrana lalina, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny
fiparitahan’ny zava-maha-domelina ary ny fandoroana tanindrazana izay mahazo vahana eto amin’ny
firenentsika ankehitriny.
 Miantso ny rehetra hifampihaino mba hisian’ny filaminana sy hampanjaka ny fihavanana, indrindra
amin’izao ankatoky ny fifidianana eto amin’ny firenena izao ary samy handray andraikitra mba ho madio sy mangarahara izany fifidianana izany.
“Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah, mpanao ny lanitra sy ny tany.” (Sal 134. 3)

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Alakamisy 27 Oktobra 2022

MATIO 5.21-26

Ao anatin’ny toriteny nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra ny mofonaina anio .Manamarika ity toritenin’i Jesoa ity ny fitondrany fahazavan-tsaina vaovao sy fomba fijery mihamazava ny lalàna voasoratra .Ampianarin’i Jesoa ny tena zava-dehibe isika anio

1-Heloka ny mankahala (and22)

« fa izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra aamin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ... » Misongadina eto fa ny hevitry ny hoe: « mamono olona » araka izany dia tsy izay fihetsika mandatsaka aina ihany na fivelezana kibay , fa raha vao tezitra ao am-pony dia efa meloka .Raha izany , firy izay ny olona efa matinao ?

2-Zava-poana ny fanatitra mbola rahonan’ady

« Avelao eo amin’ny alitara ny fanatitrao , ka mandehana ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao … »(and24) , hoy i Jesoa .Azo takarina avy amin’izany fa raha mbola tsy milamina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy misy heviny ny fanatitra ataontsika fa ho very maina izany .Ataovy laharam-pahamehana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay fifandraisana tapaka na inona na inona antony mba tsy ho mpivavabava-poana isika .Aza mangataka andro fa tanteraho amin’izao fotoana izao izay tokony atao .

3-Hanenenana ny manavato fo (and26)

« ...lazaiko aminao marina tokoa , tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-pandoanao ny variraiventy farany  » . Izany hoe : mbola misy ny fotoana hahazoana mandravona ny fihavanana , dia ataovy izany fa hanenenana ny fiziriziriana sy ny fanamafisam-po .Tsy hitondra fiadanana izany fa ho vesatra aza.Koa mandefera , ataovy ny dingana voalohany na tsy ianao aza no diso .Mianara amin’i Jesoa , manatona !

Fanontaniana:

Ahoana ny fanapahankevitrao manoloana ny hafatra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fihaonambe Komity Foibe

FIANTSOANA

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe MF 02 SL XIX sy ny BMF FIV.037 dia:

Antsoina ny Komity Foiben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa eto anivon’ny Foibe FJKM ho tonga hiatrika ny Fihaonambe Voalohan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa izay hatao ao amin’ny FJKM Analamahitsy SP IARIVO AVARADRANO (SP 19) ny Talata 01 sy Alarobia 02 Novambra 2022 ho avy izao.

Iangaviana ianareo Sampana sy Sampanasa ary Asa mba handefa ny lisitry ny Komity Foibe rehetra aty amin’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny lisitr’izay afaka hanatrika io Fihaonambe io.

Ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay avy dia hiomana amin’ny fandaminana ny fampiantranoana ireo Komity Foibeny.

Hisy sakafo atoandro hamidy 4000 Ariary eny an-toerana, ka izay hiombona amin’izany dia hiantso ny laharana 034 30 072 77.

Ny vidin’ny boky fiofanana dia 5000 Ariary, ary aoka hivonona amin’ny fitaovam-panoratana sy fandraisana an-tsoratra ny mpivory.

“Miazakazaha toy izany mba hahazoanareo” I Kor. 9, 24

Manao veloma finaritra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

 NY SEKRETERA JENERALY

RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY FIANGONANA              

      ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina                         

Komity Foibe Sampana

Fihaonambe 2022

Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe MF 02 SL XIX sy ny BMF FIV.037 dia:

Antsoina ny Komity Foiben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa eto anivon’ny Foibe FJKM ho tonga hiatrika ny Fihaonambe Voalohan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa izay hatao ao amin’ny FJKM Analamahitsy SP IARIVO AVARADRANO (SP 19) ny Talata 01 sy Alarobia 02 Novambra 2022 ho avy izao.

Iangaviana ianareo Sampana sy Sampanasa ary Asa mba handefa ny lisitry ny Komity Foibe rehetra aty amin’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny lisitr’izay afaka hanatrika io Fihaonambe io.

Ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay avy dia hiomana amin’ny fandaminana ny fampiantranoana ireo Komity Foibeny.

Hisy sakafo atoandro hamidy 4000 Ariary eny an-toerana, ka izay hiombona amin’izany dia hiantso ny laharana 034 30 072 77.

Ny vidin’ny boky fiofanana dia 5000 Ariary, ary aoka hivonona amin’ny fitaovam-panoratana sy fandraisana an-tsoratra ny mpivory.

“Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo” I Kor. 9, 24

Manao veloma finaritra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

NY SEKRETERA JENERALY

  RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY FIANGONANA             

      ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina                        

Alarobia 26 Oktobra 2022

1 PETERA 4.7-11

 Manoro  hevitra antsika ny Apostoly  Petera hoe: “Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra “ (and7) koa :

1-Hendre ka mahonona tena (and 7b)

 Anarin’I Petera  ny mino eto mba ho hendry , izany hoe: tsy hiverina amin’ny fanaranam-po intsony  fa “ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny Jentilisa tamin’ny nadehanana tamin’ny fijejojejoana  sy ny fanirian-dratsy  sy ny fimamoana ny sy filalaovan-dratsy  sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy  izay fady indrindra” (and3) .Ny  fahalalantsika fa ho avy  tsy ho ela I Jesoa   dia manery antsika  hiaina ny fahamasinana fa tsy hiverina  hivary lavo  amin’ny fahotana indray fa ny “kisoavavy efa  nisasa dia miverina mihosom-potaka indray” (2 Petera 2.22) ary koa” amin’izao sisa izao , aza manota intsony “ (Jao 5.14) hoy I Jesoa .

2- Mifankatiava tsara (and8)

Tsy hoe : mitiava tsara na koa hoe : miandrasa hotiavina  fa amin’ny endrika mifanao , izany hoe: ny mpino rehetra dia samy tokony hahay maneho fitiavana avy , tsy hifankahala fa izao tontolo izao  aza mahay miombona sy mifanampy  mainka fa ny Kristiana ? Baikon’I Jesoa  amintsika rahateo izany hoe : “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo” ( Jao 13.34) .Atsaharo  hatreo  ny fankahala sy ny forongony .

3-Mifanompoa (and10)

 “Araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo”.Midika izany fa na iza na iza  dia samy manana fanomezam-pahasoavana , tsy misy tsara sy ratsy ary tsy voatery, fa  ny zava-dehibe  dia izay ananana no entina mifanompo , tsy misy araka izany na iza na iza ka tokony hotompoina fotsiny .

Fanontaniana :

Tokony ho olona manao ahoana isika eo anatrehan’ny fahatomotry ny fiafaran’ny zavatra rehetra ?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Talata 25 Oktobra 2022

 JOSOA 24.14-24

 Mananatra antsika ny mofonaina anio hoe : Henoy ny mpitarika nomen’Andriamanitra

1-Mitaona antsika hanompo (and4)

« Koa ankehitriny , matahora an’i Jehovah ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy amin’ny fahamarinana… »  Teny farany  nataon’i Josoa  tamin’ny Israely izany .Nampahatsiahiviny fa efa namonjy azy ireo  tao anatin’ny fahoriany ny Tompo ka taominy  hanompo an’Andriamanitra  amin’ny fitiavana  sy fanajana ( Izany no hevitry  ny teny hoe : matahora) ny vahoaka .Tahaka izay ampahatsiahivin’iJosoa eto  ny nataon’iJesoa tamin’ireo izay nositraniny , nalany tamin’ny geja  tsy nahafahan’izy ireny nanompo an’Andriamanitra  izy.Hitaomana antsika koa izany dia isika izay efa nandray ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba hanompo marina an’Andriamanitra tsy ho gejain’ny endrika sampy samihafa intsony , satria efa nafahany sy novonjeny .

2-Aoka ho marina amin’ny fanekena ( and 24)

 “Jehovah Andriamanitray no hotompoinay , ary ny feony no hohenoinay” , hoy ny vahoaka .Tsy eto ihany fa isaky ny avy miteny I Josoa  dia mamaly sy manaiky hatrany ny olona  (and16,21,22) fa tena hanompo an’Andriamanitra  tokoa  ary ny hanary ny sampiny . Faka tahaka izao nataon’ny vahoaka izao ho antsika fiangonana, saingy raha zohina  ny tantara , aorian’izao dia miverina mahafoy an’I Jehovah indray, tahaka ny tsy izy ilay nanao fanekena teo .Maro koa ny milokaloka fa noraisina ho mpandray ohatra , saingy volana vitsivitsy monja  dia tsy hita ; notokanana ho diakona  dia iny  no niditra am-piangonana farany .Hoy I Jesoa : “aoka ny teninareo ho eny , eny ,tsia ,tsia “ (Mat 5.37) .Ary tsarovy fa ny olona vanona ihany no manatanteraka ny fanekena nataony .

Fanontaniana :

Inona no hatao mba hanatanterahana ny fanekena natao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 24 oktobra 2022

Apôkalypsy 21:22-27

Mampirisika ny mpino ary mampahery azy haharitra hatramin’ny farany amin’ny finoana ny Apôkalypsy (izay teraka tao anatin’ny fanenjehana mafy ny fivavahana Kristiana), fa izay maharitra no handova ny Jerosalema vaovao. Izany Jerosalema vaovao izany dia :

1. Iarahana miaina amin’Andriamanitra (and.22)

«Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny». Ny hevitr’izany dia hoe tsy misy elanelana intsony eo amin’Andriamanitra sy ny olom-boavonjy fa miara-monina tanteraka. Ny tempoly mantsy dia toerana fanehoana ary noheverina fa onenan’Andriamanitra tety an-tany, fa tsy ho fiheverana fotsiny fa tena hifanatri-tava amin’ny Tompo ny mino, hahita an’Andriamanitra, hiresaka aminy…

2. Mandry fahalemana (and.25)

«Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ny andro». Tamin’ny tontolo tranainy dia hidiana hatrany ny vavahady miditra ao an-tanana mba tsy hahafahan’ny mpanani-bohitra na ny fahavalo miditra ao. Fa ao kosa tsy ilaina intsony izany satria tsy misy loza atahorana intsony, tsy misy fanenjehana sy fangirifiriana hiaretana fa fiadanana no any ! Izay mahazona ny finoany tsy ho fatin’ny fanenjehana no ho any araka ny Tenin’i Jesoa rahateo (Mat.24,13)

3. Tsy misy toeran’ny faharatsiana (and.27)

«Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga…». Tsy tia fahotana ny Tompo, hita ao amin’ny Soratra Masina manontolo izany fa indrindra ny fahavetavetana sy ny lainga. Raiso ary Jesoa ho Tompo. Tano mafy ny finoana. Ialao ny faharatsiana

Fanontaniana

Inona no tokony hatao handovana ny Jerosalema vaovao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 23 Oktobra 2022

2 Tantara 15.8-19

Mahita fiadanana ny firenena raha manana mpitondra

  1. Mihaino an’Andriamanitra

Hoy ny voasoratra eto hoe :”Ary rehefa ren’i Asa izany teny izany …” Midika izany fa tsy nataon’ny mpanjaka ho zava-maivana na nataony ho tsinotsinona ny hafatry ny mpaminany (izay olona irahin’Andriamanitra hampita ny Teniny) . Izany fihainoana ny mpaminany izany dia fihainoana an’Andriamanitra. Ny fiangonana no mpaminany ankehitriny .Raha mihaino ny fiangonana ny mpitondra dia tsy ho diso làlana izy! Ary aoka koa ny Fiangonana tsy hangina fa hampita hatrany ny Tenin’Andriamanitra!

2-Mivavaka marina (and 8b)

Voalaza eto koa hoe: “…dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny joda rehetra…” izany hoe tsy “mody mihaino” akory I Asa mpanjaka eto fa “tena nihaino” marina tokoa ka mandray andraikitra avy hatrany manao ny sitrapon’Andriamanitra, ary manomboka amin’izy tenany izany ka tsy mankasitraka izay rehetra endrika fanompoan-tsampy (and 16) izy. Maneho izany fa vonona hivavaka marina izy. Andraikitry ny mpitondra fanjakana ny mamerina ny firenena amin’Andriamanitra !

3-Mitaona ny vahoaka hivavaka (and 8d)

“…sady nanavao ny alitaran’I Jehovah izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’I Jehovah” ihany koa izy. Fanomezana lanja ny Fiangonana izany ary fitaomana ny vahoaka hivavaka. Tsy firenena laika izany rahateo I Madagasikara fa firenena Kristiana ka na ny hiram-pireneny aza dia tonom-bavaka .Koa izay mihira izany dia mivavaka amin’I Kristy .Aoka ho kristiana ny mpitondra ary kristiana marina dia ho tanteraka ny hoe “hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa izahay” araka ny hiram-pirenena!

Fanontaniana:

Mpitondra manao ahoana no tokony hofidiana araka izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM