Zoma 07 Jona 2024

2 Timoty 4. 16-18

Na dia mandao aza ny olombelona amin’ny ady sarotra, ny Tompo tsy mba mandao

Raha jerena sy alaina sary an’eritreritra ry havana, tokony hahatsiaro isika fa tena mafy ity manjo an’i Paoly ity satria ankoatra ny fanenjehan’ny fanjakana tamin’izany azy, dia mbola nahatsiaro ho nijaly tokoa izy noho ireo namany tokony namangy azy sy nampahery azy izay voalazany fa nahafoy azy. Mafy tokoa izany. Saingy mbola voalazany ihany fa tsy reraka izy satria ny Tompo no nampahery azy tamin’izany. Natanjaka tokoa izy satria mbola nahavita nampahery an’i Timoty ihany. Mahagaga, fa ny olona any am-ponja indray no mampahery ny olona afaka. Mety tsy mitombina amin’ny maha olombelona izany, saingy tena mitombina, fa io olona io rehefa mitondra izay herin’ Andriamanitra izay dia mahavita ny tsy eritrereten’ny saina ho tanteraka. Hafakely mihintsy ny mitondra fahoriana ao amin’ny Tompo.Ny tsiambaratelon’izany dia ny fombany na ny fiarahany amin’ny olona mitondra fahoriana. Manamafy izany ny teny ao amin’ny Deoteronomia 31.8: « Ary Jehovah no mandeha eo alohanao ary Izy no hiaraka aminao, tsy handao anao na hahafoy anao izy, koa aza matahotra na mivadi-po ianao« .

Raha mbola lalana mbola moramora no aleha miaraka Aminy dia avelany hizotra ihany, fa rehefa tena sarotra ny lalana dia trotroiny isika. Tsara ny miara-dalana amin’ny Tompo. Fa ny fahoriana avadiny ho fifaliana.

Fanontaniana

Tamin’ny fotoana inona, dia tamin’ny fomba ahoana no nahatsiarovanao ny fomban’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM