Alakamisy 18 Jolay 2024

Josoa 24. 14-24

Ny olona misafidy hanompo an’i Jehovah

1- Vavolombelon’ny safidiny

«Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.» (A nd.22) Niverimberina matetika ny fimenomenona sy fitarainan’ny Zanak’Isiraely fa toa terena izy ireo hanaraka ny fivavahana amin’i Jehovah. Nanoloana izany, dia nilaza i Josoa fa raha manompo an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely dia safidin’ízy ireo madiodio, tsy misy teritery no anaovan’izy ireo izany. Ary izany no nahatonga an’i Josoa niteny hoe: « vavolombelona ho an’ny tenanareo hianareo« . Toy izany koa isika ankehitriny, safidin’ny olona tsirairay ny hanompo an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, tsy an-tery, ary ny tenan’ny tsirairay, izay manao fanekena no vavolombelona amin’izany. Koa hajao sy iaino ny safidinao.

2- Manary ny sampy

«Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo…» (And. 23) Nisafidy ny hanompo an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely. Tsy mandeha irery anefa izany safidy izany fa arahin’ny fanariana ny sampy sy ny fanoloran-tena hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Ary nanaiky izany ny Zanak’Isiraely. Toy izany ihany koa isika ankehitriny, rehefa misafidy ny hanompo an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy isika dia mila manary ireo karazana sampy samihafa. Ny sampy dia izay heverin’ny olona ho ambony noho ny fanompoana an’i Jesoa Kristy. Koa ataovy marina ny fanompoanao an’i Jesoa Kristy, ario hanalavitra anao ny sampy sy ny endriky ny sampy samihafa fa izany no ataon’ny olona misafidy hanompo an’i Jesoa Kristy. Anio àry raha misafidy hanompo an’i Kristy hianao, dia ataovy amin’ny fonao manontolo izany.

Fanontaniana:

Inona ny karazan-tsampy tokony hialanao? Ahoana ny fomba hialanao amin’izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17