Sabotsy 20 Jolay 2024
2Jaona 7-11
Ny olona mitandrina amin’ny mpamitaka
1- Mahazo valim-pitia
«fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. » (And. 8) Ambaran’i Jaona Apostoly eto fa maro ny mpamitaka, mpanao fampianaran-diso izay nampianatra ny olona fa tsy tonga nofo i Jesoa Kristy. Nitaona ny mpino tsy hiala amin’ny filazantsara anefa i Jaona fa efa tonga nofo i Kristy ary nisasatra nitory sy nanambara izany izy. Ka izay mino fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy no handova ny fiainana mandrakizay. Fiainana mandrakizay no valim-pitian’ny olona tsy voafitaka sady niady ary naharesy ny fampianaran-diso. Maro ny fampianaran-diso izay efa miely ankehitriny ka mila fitandremana sao voafika. Sakana tsy ahafahana mandova ny fiainana mandrakizay ireny. Koa mba hahafahana mahazo ilay valim-pitia lehibe, dia ny handova ny fiainana mandrakizay, dia minoa fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy.
2- Mitana ny fampianarana
«Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. » (And. 9) Ireo mpanao fampianaran-diso dia tsy olona avy tany ivelan’ny Fiangonana akory fa olona avy ao anatiny ihany. Ireo olona ireo no voalaza eto fa tsy nitana ny fampianarana nomena azy. Satria efa niala tamin’ny fampianarana marina, dia tsy manana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka intsony. Ny olona mitana ny fampianarana araka an’i Kristy ihany no manana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka. Ary ny olona izay efa niala tamin’ny fampianarana marina, dia efa nialan’Andriamanitra Ray sy Zanaka. Koa raha tiana ny hanana fiombonana mandrakariva amin’ny Ray sy Zanaka dia tsy maintsy mitana ny fampianarana marina izay nomena antsika. Hazony ny fampianarana araka an’ı Kristy.
Fanontaniana:
Inona ny fitaka amin’ny fampianaram-pinoana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe