Alakamisy 06 Jona 2024

Apokalypsy 2.8-11

Mamonjy ny olony amin’ny fahoriana ny Tompo

Ny Fiangonana tao Smirna dia voalazan’i Jesoa fa mahantra ara- nofo fa manan-karena ara-panahy. Niharan’ny fanenjehan ny jiosy, milaza azy ho mpanara-dalána nefa diso hevitra fa hay mpiara-miasa amin’i Satana. Nampiomanina izy fa hahita fahoriana hafoloana araka izany. Kanefa izany hafoloana izany dia midika fa misy fetrany ny fahorian’izy ireo. Ampaherezin’ny Tompo izy ireo mba haharitra hatramin’ny farany satria raha maharitra izy ireo dia handray ny satro-boninahitra avy Aminy.

Ry havana, raha mbola eto an-tany isika, indrindra ka kristiana dia tsy maintsy mitondra fahoriana foana, aoka ho vonona amin’izany ny saintsika. Vetivety ihany anefa ny fahoriana fa tsy ela, misy fetrany fa tsy mandrakizay, satria hoy ny tenin’i Jesoa ao amin’ny Jaona 16. 20: « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: hisaona sy hitomany ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly, ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana ». Araka izany ry Havana vetivety ihany ny fahoriana rehefa eo ny Tompo satria Izy dia miaro antsika tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny famoizam-po izany.

Fanontaniana

Inona ilay harena ara-panahy anananao izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM