Alakamisy 21 Martsa 2024

1 Korintiana 10. 14-22

Miorena marina ao amin’ny Tompo

1. Ialao ny zava-dratsy (and.14)

Ny teny hoe mandositra dia midika hoe mandeha miala eo amin’io fitoerana io ka mitady toerana hafa hialofana. Ary izay ampiasain’i Paoly eto aza dia manambara mihitsy ho toy ny miala amin’ny zavatra iray maharikoriko indrindra (Fil. 3.8) Ny tanjona dia ny hahazo famonjena amin’ny alalan’ilay fandosirana. Tsy ny hiala amin’ny zava-dratsy ihany no asain’ny Tompo ataontsika fa ny hiova toerana dia ny ho ao Aminy. Ao no fandosirana tsara indrindra. «  Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina, » (Jao. 10.9)

2. Aoka ho tokan-tsafidy: (and.20)

Mandidy ny olona eto i Paoly hoe: TSY MAHAZO. Izany hoe tsy tokony hanao izany mihitsy isika. Inona moa izany? Misotro amin’ny kapoakan’ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia. Andriamanitra saropiaro Izy ary tena tia antsika ihany koa satria tsy tiany hanao zavatra hampisaraka antsika Aminy isika. Resaka sakafo no ambarany eto fa tsy ny atao fotsiny. Fisakafoana izay midika fiombonan’aina. Koa ny hiray aina Aminy ihany no sitrany ho antsika. «  Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy » (Jao 15:5)

Fanontaniana:

Ahoana marina moa isika Kristiana ankehitriny amin’ireo sampy moderna mangeja antsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV