Talata 27 Febroary 2024

Matio 15. 1-9

Ampianarin’i Jesoa isika anio fa ny tena fanajana an’Andriamanitra dia:

1. Tsy amin’ny fombafomba ivelany (and 2)

« Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy ireo rehefa hihinan-kanina ». Nanomezan’ny fariseo sy ny mpanora-dalana tsiny ny mpianatr’i Jesoa ny amin’ny lazain’izy ireo fa tsy fanajana ny fampianarana voatolotry ny razana, Maika dia maika hitsara sy hanome tsiny ireto fariseo sy mpanora-dalana ireto, satria izy ireto dia te hanaraka ara-bakiteny ny lalana, dia ireo didy amam-pitsipika voasoratra. Mahavariana fa ny fitandremana izany no noheverin’izy ireo fa maha masina azy ireo (satria nihevi-tena ho hany manana fahamasinana sy hany akaiky an’Andriamanitra izy ireo)

2. Tsy amin’ny fihatsarambelatsihy (and 7)

« Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Isaia anareo hoe: ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony ». Hentitra ny valin-tenin’i Jesoa, ary mavesabesatra. Nindramin’i Jesoa ny tenin’i Isaia mpaminany; entina maneho amin’ireto fariseo sy mpanora-dalana ireto fa tsy tena fanajana an’Andriamanitra dia avy ao am-po, vokatry ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fatahorana Azy fa tsy hoe filan-dera eo imason’ny olombelona fotsiny, satria manana « Titre » (Mpitandrina e, Diakona e, Mpiandry e….). tokony hampifanarahina ny ambara sy ny atao. Tsy miseho ho masina ivelany amin’ny fitafiana miavaka noho ny an’ny hafa (tahaka ny an’ny fariseo), na fitia te hoderaina ho tena mpivavaka; fa ny fo ao anaty no feno fahamasinana sy fanajana an’ Andriamanitra sy mangetaheta hanoa ny didiny. Tandremo fa mahazo teny mahitsy avy amin’i Jesoa an!

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fanajanao an’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM