Sabotsy 24 Febroary 2024

2 Mpanjaka 23. 1-3

Amin’izao fitondran’i Josia izao no vao hita indray ny bokin’ny lalàna, ka nahatonga an’i Josia nampanontany izay tokony hatao tamin’i Holda mpaminanivavy. Nankasitrahan’ Andriamanitra izany fihetsiky ny mpanjaka izany, ary mialoha ity mofonainantsika ity no valin-teny ho an’i Josia. Azontsika raisina avy amin’izao ary fa tsy mahita loza ny firenena raha:

1. Mihaino an’Andriamanitra ny mpitondra (and 1)

« Ary nanirahan’ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ny Joda Jerosalema sy rehetra ». Tsy nampiantso ireo loholona ireo i Josia mpanjaka raha tsy efa avy nahazo valin-teny avy amin’ Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony. Mazava araka izany fa nihaino an’Andriamanitra mihitsy izy aloha vao sahy nanapa-kevitra. Faka tahaka ho antsika izany, tsy maika hihetsika mihitsy raha tsy avy nihaino ny Tompo.

2.Matahotra an’Andriamanitra ny vahoaka (and 2)

« Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny vahoaka rehetra ». Tsy misy na sokajin’olona iray aza ka tsy voatanisa eto, fa dia samy nankao an-tranon’i Jehovah daholo. Maneho izany fa samy tsy misy manamaivana, na manao tsinontsinona an’Andriamanitra ny rehetra. Mampieritreritra izany, mba manao ahoana moa ny fahavononan’ny olona hihaona amin’Andriamanitra ny fatahoran’ny olona Azy eto amitsika!

3. Mankato ny faneken’ Andriamanitra ny rehetra (and 3)

« Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena ». Tsy tanteraka mihitsy ireo tsodrano sy fitahiana raha tsy ny rehetra: mpitondra, vahoaka, mpitondra fivavahana no samy mivonona hankato an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana ny fahitanao izao mahazo an’i Madagasikara izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM