Zoma 23 Febroary 2024

Lioka 15. 25-32

Tantara fantatry ny maro, ary nomena lohateny mahazatra ny daholobe hoe: ny tantaran’ilay zanaka aadala ny Lio 15. Ny ampahany amin’izany no anjara mofonaina ho antsika anio, saingy mifantoka kokoa amin’ilay zokiny fa tsy ilay nania ka nody saina. Mampieritreritra ity tantara ity, ary azontsika andraisana hafatra hoe:

1. Fehezo ny fahatezerana (and 28)

« Dia tezitra izy ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy ka nampandroso azy ». Nifanohitra tanteraka ny fandraisana nasetrin’ny rainy ilay ondry nania, sy ny nandraisan’ny zokiny azy. Hita taratra eto fa tsy nahafaly ilay zokiny izao fiverenan’ny zandriny izao, ary raha hitarina aza dia toa maneho mihitsy hoe ny mety aminy dia ny ho tokana an-tranon-dray. Taomina isika, tsy ho mpanenji-dresy, fa handray am-pitiavana sy amin’ny fifaliana izay rehetra mibebaka, ka vonon-kiverina am-bala indray. Ry Kristiana o, andeha tsy hanao tahaka ny boka mialom-poza ka manosika azy hiverina! Fa i Jesoa, na dia be aza ny helotsika dia mbola mandray antsika am-pitiavana be hatrany.

2. Amboary ny fomba fisainana (and)

Nanitşy an-janany ilay ray voatantara eto, nampiany ny zanany hahatakatra fa, sarobidy loatra ny fiverenan’ilay zandriny sy ny fahatongavan-tsainy ka mahatonga ity farany mody amin’ny fanetren-tena. Nahoana koa moa isika raha mba manazava amin’ny hafa fa Andriamanitra izay Tompo aza, vonona handray izay mibebaka, koa isika indray ve dia ho sarotiny alohan’ny Tompony? Andao ialana ny fisainana izay mahatonga hihevitra fa antsika ny ho akaiky an’Andriamanitra ka dia hoe zara aza ny sasany lasa nibirioka any mba hahazoantsika mandova tokana!

Fanontaniana:

Fihetsika manao ahoana no andrasana amintsika manoloana ny very ka hita indray?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM