Alakamisy 22 Febroary 2024
Josoa 22. 1-5
Tsofin’i Josoa rano samy hody amin’ny zara-taniny avy ny foko telo avy any atsinanana eto. Kanefa mialoha izany dia ampahatsiahiviny azy ireo, sy ho an’ny olona rehetra fa:
1. Mitana ny Teniny Andriamanitra (Jos 21.45)
« Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraks avokoa izany rehetra izany ». ity andininy ity no mialoha ny anjara mofonaina anio, ary manampy antsika hahatakatra ny tian’i Josoa ambara. Nomen’ Andriamanitra ny tany nampanantenainy, nomen’Andriamanitra fitsaharana teo amin’ny tany ny vahoakany ka tsy nisy nahajanona teo anoloany ny fahavalony. Tanteraka avokoa izay fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra. Traikefa mamy ny fiarahana amin’ Andriamanitra, fa tsy mba tahaka ny olombelona mora mivadibadika Izy, fa efainy hatrany izay ampanantenainy. Anankiray amin’izany ny famonjena, ka nanomezany ny zanany lahitokana ho famonjena izao tontolo izao.
2. Mitia an’Andriamanitra ny olona (and 5)
« Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalana nandidian’i Mosesy… hitiavanareo an’i Jehovah Andriamanitrareo ». Tsy amin’ny teny no asain’i Josoa hitiavan’ny olona an’Andriamanitra fa amin’ny « fo rehetra sy ny fanahy rehetra ». Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny maha izy antsika manontolo mihitsy no tokony enitna manompo an’Andriamanitra, ary tsy an-tery setra fa vokatry ny fo. Ny olona tsy mbola niara-dalana sy nahita ny fitiavan’Andriamanitra ary fikarakaran’ Andriamanitra azy no tsy mahay mitia Azy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fahitanao ny traikefa niarahanao tamin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe